잠언 6장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 35절
- 1 Anaka, raha niantoka ny namanao ianao Ary nandray tanana hiantoka ny hafa,
- 2 Ka voafandriky ny teny naloaky ny vavanao ianao Sady voasingotry ny teny naloaky ny vavanao,
- 3 Dia izao no ataovy, anaka, ka afaho ny tenanao (Satria efa mby eo an-tanan’ ny namanao ianao): Andeha mihohoka sy mifona mafy amin’ ny namanao.
- 4 Aza avela hatory akory ny masonao, Ary aza avela hilondolondo ny hodimasonao.
- 5 Afaho ny tenanao toy ny gazela miala amin’ izay mihazona azy, Ary toy ny voron-kely miala amin’ ny tanan’ ny mpamandrika.
- 6 Mandehana any amin’ ny vitsika, ry ilay malaina; Diniho ny fanaony, ka mba hendre;
- 7 Tsy manana komandy ireny, Na mpifehy, na mpanapaka,
- 8 Nefa mamory ny haniny raha fahavaratra izy, Ary manangona ny fihinany amin’ ny fararano.
- 9 Mandra-pahoviana no mbola handry ihany ianao, ry ilay malaina? Rahoviana no hifoha amin’ ny torimasonao ianao?
- 10 Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany, Ary mbola hanohon-tanana kely hatory,
- 11 Dia ho tonga toy ny lehilahy mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.
- 12 Ny olona tena ratsy fanahy sy mpanao ratsy Dia ilay mandehandeha manao vava ratsy,
- 13 Izay mami-maso sy manao famantarana amin’ ny tongony Ary manao baiko amin’ ny rantsan-tànany;
- 14 Fahafetsena no ao am-pony, Mihevi-dratsy mandrakariva izy Sady mamafy ady.
- 15 Ary noho izany dia ho avy tampoka kosa ny loza hanjo azy; Ho torotoro tampoka izy, ka tsy hisy fahasitranana.
- 16 Izao enina izao no halan’ i Jehovah, Eny, fito no ataony ho fahavetavetana:
- 17 Ny maso miavonavona, ny lela fandainga, Ary ny tanana mandatsa-drà marina,
- 18 Ny fo mamoron-tsain-dratsy, Ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy,
- 19 Ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, Ary ny mamafy ady ao amin’ ny rahalahy.
- 20 Anaka, tandremo ny didin-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao.
- 21 Afatory amin’ ny fonao mandrakariva ireo, Ary afehezo eo am-bozonao,
- 22 Raha mandeha ianao, dia hitari-dalana anao ireo; Raha mandry ianao, dia hiambina anao; Ary raha mifoha ianao, dia hamelona eritreritra anao.
- 23 Fa jiro ny didy, ary fanazavana ny lalàna, Ary lalan’ aina ny anatra famaizana,
- 24 Hiarovana anao amin’ ny vehivavy ratsy fanahy, Ary amin’ ny fandroboan’ ny lelan’ ny vahiny janga.
- 25 Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny; Ary aoka tsy hahazo anao amin’ ny hodimasony izy.
- 26 Fa noho ny vehivavy mpijangajanga no mila tsy hananan’ ny lehilahy sombi-mofo, Ary ny amin’ ny vadin’ ny olona no mihaza ny aina soa.
- 27 Mahatondra afo ao an-tratran’ akanjony va ny olona, Ka tsy ho may ny akanjony?
- 28 Misy mahadia vain’ afo va, Ka tsy ho may ny tongony?
- 29 Dia toy izany izay mankamin’ ny vadin’ ny namany; Tsy maintsy hampijalina izay mikasika azy.
- 30 Tsy avelan’ ny olona ho afa-maina ny mpangalatra, Raha maka zavatra hahavoky ny tenany izy, na dia noana aza;
- 31 Fa raha azo izy, dia hampanoneriny fito heny Ka hanome ny fananana rehetra ao an-tranony.
- 32 Izay mijangajanga amin’ ny vehivavy dia tsy ampy saina; Izay ta-hanimba tena no manao izany.
- 33 Voakapoka sy afa-baraka izy Ary tsy ho afaka amin’ ny tondro-molotra.
- 34 Fa ny fahasaro-piaro dia mampirehitra ny fahatezeran-dehilahy, Koa tsy hamindra fo izy amin’ ny andro hamaliany.
- 35 Tsy handray vola ho enti-manalady akory izy, Ary tsy hety, na dia omenao fanambatambazana be aza.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗