잠언 7장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 27절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Anaka, tandremo ny teniko, Ary raketo ao aminao ny didiko. | My son, keep my words, and lay up my commandments with thee. |
| 2 | Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao; Ary tandremo toy ny anakandriamasonao ny lalàko. | Keep my commandments, and live; and my law as the apple of thine eye. |
| 3 | Afehezo eo amin’ ny rantsan-tananao izy, Soraty ao amin’ ny fonao tahaka ny amin’ ny vato fisaka izy. | Bind them upon thy fingers, write them upon the table of thine heart. |
| 4 | Ny fahendrena dia ilazao hoe: Anabaviko ianao; Ary ny fahafantarana dia antsoy hoe: Sakaiza mahazatra ianao; | Say unto wisdom, Thou art my sister; and call understanding thy kinswoman: |
| 5 | Mba hiarovana anao amin’ ny vehivavy jejo, Dia amin’ ny vahiny janga izay manao teny mandrobo. | That they may keep thee from the strange woman, from the stranger which flattereth with her words. |
| 6 | Fa teo amin’ ny varavarankelin’ ny tranoko, Dia teo amin’ ny makarakara, no nitsirihako, | For at the window of my house I looked through my casement, |
| 7 | Ka nahita anankiray tamin’ ny kely saina aho, Eny, nandinika ny tovolahy aho ka nahita zazalahy anankiray tsy ampy saina, | And beheld among the simple ones, I discerned among the youths, a young man void of understanding, |
| 8 | Izay nandeha tamin’ ny lalana akaikin’ ny zoron-tranon’ ny vehivavy janga Sy nizotra nankany an-tranony, | Passing through the street near her corner; and he went the way to her house, |
| 9 | Nony takariva ilay somambisamby iny Sy tamin’ ny alina efa maizina dia maizina. | In the twilight, in the evening, in the black and dark night: |
| 10 | Dia, indro, nisy vehivavy nitsena azy Sady manao fitafin’ ny janga no mifetsy am-po, | And, behold, there met him a woman with the attire of an harlot, and subtil of heart. |
| 11 | Sady vavàna no maditra, Tsy mahajanona ao an-tranony ny tongony; | (She is loud and stubborn; her feet abide not in her house: |
| 12 | Fa vetivety mby eny an-dalam-be izy, ary vetivety mby eny an-tsena, Ary mamitsaka eny an-joron-trano rehetra eny izy. | Now is she without, now in the streets, and lieth in wait at every corner.) |
| 13 | Ka dia nisavika ilay tovolahy izy ka nanoroka azy Sady nisolantsolana taminy ka nilaza hoe: | So she caught him, and kissed him, and with an impudent face said unto him, |
| 14 | Efa nivoady hanatitra fanati-pihavanana aho; Ary androany no nanefako ny voadiko. | I have peace offerings with me; this day have I payed my vows. |
| 15 | Koa dia nivoaka hitsena anao aho, Mba hitady fatratra ny tarehinao, ka dia nahita anao tokoa. | Therefore came I forth to meet thee, diligently to seek thy face, and I have found thee. |
| 16 | Ny fandriako efa nasiako firakotra tsara, Dia lambam-pandriana misoratsoratra voafoly hatrany Egypta. | I have decked my bed with coverings of tapestry, with carved works, with fine linen of Egypt. |
| 17 | Efa norarahako zava-manitra ny fandriako, Dia miora sy hazomanitra ary havozo manitra. | I have perfumed my bed with myrrh, aloes, and cinnamon. |
| 18 | Andeha, aoka isika hivoky fitia ambara-pahamarain’ ny andro, Aoka ho feno fahafinaretana amin’ ny fitiavana isika. | Come, let us take our fill of love until the morning: let us solace ourselves with loves. |
| 19 | Fa tsy ao an-trano ny lehilahy, Fa lasa nivahiny lavitra izy; | For the goodman is not at home, he is gone a long journey: |
| 20 | Ny kitampom-bola dia nentiny any an-tànany, Ka tsy mbola hody izy mandra-pahafenon’ ny volana. | He hath taken a bag of money with him, and will come home at the day appointed. |
| 21 | Tamin’ ny teny maro no nampanekeny azy, Tamin’ ny fandroboan’ ny molony no nitaomany azy, | With her much fair speech she caused him to yield, with the flattering of her lips she forced him. |
| 22 | Ka dia nandeha nanaraka azy niaraka tamin’ izay ilay zatovo, Tahaka ny omby entina hovonoina, Ary tahaka ny adala hogadrana, | He goeth after her straightway, as an ox goeth to the slaughter, or as a fool to the correction of the stocks; |
| 23 | Ambara-piboroaky ny lefom-pohy amin’ ny atiny, Ary tahaka ny vorona mipaoka ny fandrika, Fa tsy fantany hahafaty ny ainy izany. | Till a dart strike through his liver; as a bird hasteth to the snare, and knoweth not that it is for his life. |
| 24 | Koa mihainoa ahy ianareo, anaka, Ary tandremo ny teny aloaky ny vavako. | Hearken unto me now therefore, O ye children, and attend to the words of my mouth. |
| 25 | Aoka tsy hivily ho any amin’ ny lalany ny fonareo, Ary aza mania ho amin’ ny alehany. | Let not thine heart decline to her ways, go not astray in her paths. |
| 26 | Fa betsaka no naripany ka maty; Ary maro be no efa matiny. | For she hath cast down many wounded: yea, many strong men have been slain by her. |
| 27 | Ny tranony dia lalana mankany amin’ ny fiainan-tsi-hita, Eny, midìna ho any amin’ ny efi-tranon’ ny fahafatesana. | Her house is the way to hell, going down to the chambers of death. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL