잠언 19장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 29절
- 1 Tsara ny malahelo mandeha tsy misy tsiny Noho izay mandainga amin’ ny molony sady adala.
- 2 Tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny fanahy; Ary izay miezaka mosalahy dia ho diso lalana.
- 3 Ny fahadalan’ ny olona no mahasimba ny alehany, Ka amin’ i Jehovah no sosotra ny fony.
- 4 Ny harena mahamaro sakaiza; Fa ny malahelo afoin’ ny sakaizany.
- 5 Ny vavolombelona mandainga tsy ho afa-tsiny, Ary izay mamoaka lainga tsy ho afa-miala.
- 6 Maro no mandambolambo andriana; Ary ny olona rehetra samy misakaiza amin’ izay mpanome zavatra.
- 7 Ny malahelo dia halan’ ny rahalahiny rehetra, Koa mainka fa ny sakaizany tsy hanalavitra azy va? Manandrandra amin’ ny teny tsy misy izy.
- 8 Izay mihary fahendrena no tia ny tenany, Ary izay mitandrina fahalalana hahita soa.
- 9 Ny vavolombelona mandainga tsy maintsy hampijalina, Ary ny miteny lainga ho very.
- 10 Ny ho velona amin’ ny fahafinaretana dia tsy tandrifiny ho an’ ny adala, Koa mainka izay hanapahan’ ny mpanompo ny zanak’ andriana.
- 11 Ny fahendren’ ny olona manindry ny fahatezerany, Ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.
- 12 Ny fahatezeran’ ny mpanjaka dia toy ny fieron’ ny liona tanora: Fa ny fitiany kosa toy ny ando amin’ ny ahitra.
- 13 Ny zanaka adala mahabe fahoriana ny rainy; Ary ny ady ataon’ ny vehivavy dia toy ny rano mitete mandrakariva.
- 14 Trano sy harena no lova avy amin’ ny ray; Fa ny vady hendry kosa dia avy amin’ i Jehovah.
- 15 Ny hakamoana mahasondrian-tory, Ary ho mosarena ny olona malaina.
- 16 Izay mitandrina ny didy mitandrina ny ainy; Fa izay tsy mihevitra ny alehany dia ho faty.
- 17 Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an’ i Jehovah, Ary izay nomeny dia honerany kosa.
- 18 Faizo ny zanakao, fa mbola misy azo antenaina ihany, Nefa aza dia entim-po loatra, fandrao mahafaty azy.
- 19 Ny lozabe tsy maintsy hampijalina; Ary na dia vonjenao aza izy, dia mbola hanahirana anao ihany indray.
- 20 Henoy ny saina atolotra, ary raiso ny fananarana, Mba ho hendry ianao amin’ izay hiafaranao.
- 21 Maro ny hevitra ao am-pon’ ny olona; Fa ny fisainan’ i Jehovah no haharitra.
- 22 Fifaliana amin’ ny olona ny manisy soa; Ary aleo ho malahelo toy izay ho mpandainga.
- 23 Ny fahatahorana an’ i Jehovah no ahazoana fiainana; Izay manana izany tsy mba handry fotsy sady tsy hiharan-doza.
- 24 Ny malaina dia mangarona ny eo an-dovia amin’ ny tànany, Nefa ny mampakatra azy ho amin’ ny vavany dia tsy zakany.
- 25 Kapohy ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary anaro ny manan-tsaina, dia hahalala fahendrena izy.
- 26 Izay mitohatoha amin-drainy sy mandroaka ny reniny Dia zanaka mahamenatra sy mahafa-baraka.
- 27 Anaka, mitsahara tsy hihaino anatra Izay mampanalavitra anao ny tenin’ ny fahalalana.
- 28 Ny vavolombelona ratsy maniratsira ny fitsarana; Ary ny vavan’ ny ratsy fanahy mitelina ny ratsy.
- 29 Vonona ho amin’ ny mpaniratsira ny fanamelohana, Ary ny kapoka ho amin’ ny lamosin’ ny adala.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗