잠언 19장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 29절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Tsara ny malahelo mandeha tsy misy tsiny Noho izay mandainga amin’ ny molony sady adala. | Better is the poor that walketh in his integrity, than he that is perverse in his lips, and is a fool. |
| 2 | Tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny fanahy; Ary izay miezaka mosalahy dia ho diso lalana. | Also, that the soul be without knowledge, it is not good; and he that hasteth with his feet sinneth. |
| 3 | Ny fahadalan’ ny olona no mahasimba ny alehany, Ka amin’ i Jehovah no sosotra ny fony. | The foolishness of man perverteth his way: and his heart fretteth against the Lord. |
| 4 | Ny harena mahamaro sakaiza; Fa ny malahelo afoin’ ny sakaizany. | Wealth maketh many friends; but the poor is separated from his neighbour. |
| 5 | Ny vavolombelona mandainga tsy ho afa-tsiny, Ary izay mamoaka lainga tsy ho afa-miala. | A false witness shall not be unpunished, and he that speaketh lies shall not escape. |
| 6 | Maro no mandambolambo andriana; Ary ny olona rehetra samy misakaiza amin’ izay mpanome zavatra. | Many will intreat the favour of the prince: and every man is a friend to him that giveth gifts. |
| 7 | Ny malahelo dia halan’ ny rahalahiny rehetra, Koa mainka fa ny sakaizany tsy hanalavitra azy va? Manandrandra amin’ ny teny tsy misy izy. | All the brethren of the poor do hate him: how much more do his friends go far from him? he pursueth them with words, yet they are wanting to him. |
| 8 | Izay mihary fahendrena no tia ny tenany, Ary izay mitandrina fahalalana hahita soa. | He that getteth wisdom loveth his own soul: he that keepeth understanding shall find good. |
| 9 | Ny vavolombelona mandainga tsy maintsy hampijalina, Ary ny miteny lainga ho very. | A false witness shall not be unpunished, and he that speaketh lies shall perish. |
| 10 | Ny ho velona amin’ ny fahafinaretana dia tsy tandrifiny ho an’ ny adala, Koa mainka izay hanapahan’ ny mpanompo ny zanak’ andriana. | Delight is not seemly for a fool; much less for a servant to have rule over princes. |
| 11 | Ny fahendren’ ny olona manindry ny fahatezerany, Ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana. | The discretion of a man deferreth his anger; and it is his glory to pass over a transgression. |
| 12 | Ny fahatezeran’ ny mpanjaka dia toy ny fieron’ ny liona tanora: Fa ny fitiany kosa toy ny ando amin’ ny ahitra. | The king’s wrath is as the roaring of a lion; but his favour is as dew upon the grass. |
| 13 | Ny zanaka adala mahabe fahoriana ny rainy; Ary ny ady ataon’ ny vehivavy dia toy ny rano mitete mandrakariva. | A foolish son is the calamity of his father: and the contentions of a wife are a continual dropping. |
| 14 | Trano sy harena no lova avy amin’ ny ray; Fa ny vady hendry kosa dia avy amin’ i Jehovah. | House and riches are the inheritance of fathers: and a prudent wife is from the Lord. |
| 15 | Ny hakamoana mahasondrian-tory, Ary ho mosarena ny olona malaina. | Slothfulness casteth into a deep sleep; and an idle soul shall suffer hunger. |
| 16 | Izay mitandrina ny didy mitandrina ny ainy; Fa izay tsy mihevitra ny alehany dia ho faty. | He that keepeth the commandment keepeth his own soul; but he that despiseth his ways shall die. |
| 17 | Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an’ i Jehovah, Ary izay nomeny dia honerany kosa. | He that hath pity upon the poor lendeth unto the Lord; and that which he hath given will he pay him again. |
| 18 | Faizo ny zanakao, fa mbola misy azo antenaina ihany, Nefa aza dia entim-po loatra, fandrao mahafaty azy. | Chasten thy son while there is hope, and let not thy soul spare for his crying. |
| 19 | Ny lozabe tsy maintsy hampijalina; Ary na dia vonjenao aza izy, dia mbola hanahirana anao ihany indray. | A man of great wrath shall suffer punishment: for if thou deliver him, yet thou must do it again. |
| 20 | Henoy ny saina atolotra, ary raiso ny fananarana, Mba ho hendry ianao amin’ izay hiafaranao. | Hear counsel, and receive instruction, that thou mayest be wise in thy latter end. |
| 21 | Maro ny hevitra ao am-pon’ ny olona; Fa ny fisainan’ i Jehovah no haharitra. | There are many devices in a man’s heart; nevertheless the counsel of the Lord, that shall stand. |
| 22 | Fifaliana amin’ ny olona ny manisy soa; Ary aleo ho malahelo toy izay ho mpandainga. | The desire of a man is his kindness: and a poor man is better than a liar. |
| 23 | Ny fahatahorana an’ i Jehovah no ahazoana fiainana; Izay manana izany tsy mba handry fotsy sady tsy hiharan-doza. | The fear of the Lord tendeth to life: and he that hath it shall abide satisfied; he shall not be visited with evil. |
| 24 | Ny malaina dia mangarona ny eo an-dovia amin’ ny tànany, Nefa ny mampakatra azy ho amin’ ny vavany dia tsy zakany. | A slothful man hideth his hand in his bosom, and will not so much as bring it to his mouth again. |
| 25 | Kapohy ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary anaro ny manan-tsaina, dia hahalala fahendrena izy. | Smite a scorner, and the simple will beware: and reprove one that hath understanding, and he will understand knowledge. |
| 26 | Izay mitohatoha amin-drainy sy mandroaka ny reniny Dia zanaka mahamenatra sy mahafa-baraka. | He that wasteth his father, and chaseth away his mother, is a son that causeth shame, and bringeth reproach. |
| 27 | Anaka, mitsahara tsy hihaino anatra Izay mampanalavitra anao ny tenin’ ny fahalalana. | Cease, my son, to hear the instruction that causeth to err from the words of knowledge. |
| 28 | Ny vavolombelona ratsy maniratsira ny fitsarana; Ary ny vavan’ ny ratsy fanahy mitelina ny ratsy. | An ungodly witness scorneth judgment: and the mouth of the wicked devoureth iniquity. |
| 29 | Vonona ho amin’ ny mpaniratsira ny fanamelohana, Ary ny kapoka ho amin’ ny lamosin’ ny adala. | Judgments are prepared for scorners, and stripes for the back of fools. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL