잠언 20장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 30절
- 1 Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, Koa izay miraikiraiky azon’ izany dia tsy hendry.
- 2 Ny fampitahoran’ ny mpanjaka dia toy ny fieron’ ny liona tanora; Izay mampahatezitra azy dia mankahà-doza hihatra amin’ ny ainy,
- 3 Voninahitry ny olona ny hanalavitra ny ady; Fa ny adala rehetra kosa misafoaka.
- 4 Ny malaina tsy mety miasa amin’ ny ririnina, Ka dia hangataka izy raha fararano, fa tsy hahazo.
- 5 Rano lalina ny hevitra ao am-pon’ ny olona; Fa izay manan-tsaina dia mahay manovo azy ihany,
- 6 Maro ny olona samy midera ny soa ataon’ ny tenany avy; Fa izay olo-mahatoky, iza moa no mahita azy?
- 7 Izay olona marina mandeha amin’ ny fahitsiany Sambatra ny zanany mandimby azy.
- 8 Mipetraka eo amin’ ny seza fitsarana ny mpanjaka, Ka mikororoka manaisotra ny ratsy rehetra ny masony.
- 9 Iza no mahazo manao hoe: Efa nahadio ny foko aho Ka madio tsy manana ota?
- 10 Ny vato mizana samy hafa sy ny vata famarana samy hafa Dia samy fahavetavetana eo imason’ i Jehovah.
- 11 Na dia ny zaza aza dia mampiseho amin’ ny fanaony Na madio sy mahitsy ny fitondran-tenany.
- 12 Ny sofina mandre sy ny maso mahita Dia samy nataon’ i Jehovah avokoa.
- 13 Aza tia torimaso ianao, fandrao tonga malahelo; Ahirato ny masonao, dia ho voky hanina ianao.
- 14 Ratsy! ratsy! hoy ny mpividy; Kanjo nony lasa izy, dia mandoka tena.
- 15 Ao ihany ny volamena sy ny voahangy betsaka; Fa ny molotra misy fahalalana no ravaka soa.
- 16 Alao ny lambany, fa efa niantoka olon-kafa izy, Ary tano ho solon’ ny vahiny niantohany.
- 17 Mamin’ ny olona ny hanina azo amin’ ny fitaka; Kanjo ho feno fasika ny vavany any am-parany.
- 18 Ny hevitra rehetra dia aorin’ ny fisainana, Ary ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady.
- 19 Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina, Koa aza miraharaha amin’ izay mibedibedy foana.
- 20 Izay manozona ny rainy na ny reniny, Dia ho faty ao amin’ ny alim-pito ny jirony.
- 21 Ny harena malaky azo foana eo am-boalohany Dia tsy hotahina any am-parany.
- 22 Aza manao hoe: Hamaly ny ratsy nataony aho; Fa andraso Jehovah, fa Izy no hamonjy anao.
- 23 Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny vato samy hafa, Ary ny mizana mandainga dia tsy tsara.
- 24 Avy amin’ i Jehovah ny dian’ ny olona, Ary hataon’ izay olombelona ahoana no hahafantatra ny lalany?
- 25 Fandrika amin’ ny olona ny malaky manao hoe: Zavatra masìna ity; Ka nony vita ny voady, vao mamototra.
- 26 Ny mpanjaka hendry mikororoka manaisotra ny ratsy fanahy Sady mitarika ny kodia fivelezana eo amboniny.
- 27 Jiron’ i Jehovah ny fanahin’ ny olona, Itsilovana ny efitrefitra rehetra ao am-po.
- 28 Famindram-po sy fahamarinana no miaro ny mpanjaka, Ary ampitoeriny amin’ ny famindram-po ny seza fiandrianany.
- 29 Voninahitry ny zatovo ny fahatanjahany, Ary ravaky ny anti-panahy ny volo fotsy.
- 30 Ny fampangirifiriana dia mahafaka ny faharatsiana, Ary ny kapoka mahadio ny efitrefitra ao an-kibo.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗