잠언 18장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 24절
- 1 Izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany, Misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy.
- 2 Ny adala tsy mba finaritra amin’ ny fahalalana, Fa ta-haneho izay ao am-pony.
- 3 Raha avy ny ratsy fanahy, dia avy ny fanamavoana; Ary miaraka amin’ ny fahafaham-baraka ny henatra.
- 4 Rano lalina ny teny aloaky ny vavan’ ny olona, Ary rano miboiboika ny loharanon’ ny fahendrena,
- 5 Tsy mety raha manohana ny ratsy fanahy Handresy ny marina amin’ ny fitsarana.
- 6 Ny molotry ny adala manatona ny fifandirana, Ary ny vavany mihantsy kapoka.
- 7 Ny vavan’ ny adala no fandringanana azy, Ary ny molony ihany no fandriky ny fanahiny.
- 8 Ny tenin’ ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py Ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra.
- 9 Ary izay malaina amin’ ny asany Dia rahalahin’ ny mpanimba.
- 10 Ny anaran’ i Jehovah dia tilikambo mafy; Ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.
- 11 Ny haren’ ny manan-karena no vohiny mafy, Ary raha araka ny fiheviny, dia toa manda avo izany.
- 12 Ny fireharehan’ ny fon’ ny olona mialoha ny fahasimbana; Fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra.
- 13 Izay mamaly teny mbola tsy re, Dia hadalana sy henatra ho azy izany.
- 14 Ny faharariany dia zakan’ ny fanahin’ ny olona ihany; Fa ny fanahy kivy, iza no mahazaka izany?
- 15 Ny fon’ ny manan-tsaina mahazo fahalalana; Ary ny sofin’ ny hendry mitady izany.
- 16 Ny fanomezan’ ny olona dia mahalalaka ny alehany, Hahatonga azy eo anatrehan’ ny lehibe.
- 17 Izay mandahatra aloha no toa marina; Fa nony avy kosa ny an-daniny, dia mamaly ny teniny.
- 18 Ny filokana mampitsahatra ady Ary mampisaraka ny samy mahery.
- 19 Ny mampionona ny rahalahy voaisy ratsy dia sarotra noho ny manafaka vohitra mafy, Ary ny fifandirana aminy dia tahaka ny hidin’ ny lapan’ ny mpanjaka.
- 20 Ny vokatry ny vavan’ ny olona no mahavoky soa azy; Eny, ny vokatry ny molony no mahavoky azy.
- 21 Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain’ ny lela, Koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany.
- 22 Izay lehilahy mahazo vady dia mahazo zava-tsoa Sady mahita sitraka amin’ i Jehovah.
- 23 Fitarainana no ataon’ ny malahelo; Nefa ny manan-karena kosa dia mamaly mahery.
- 24 Izay maro sakaiza tsy maintsy tra-pahoriana; Fa misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗