잠언 18장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 24절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany, Misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy. | Through desire a man, having separated himself, seeketh and intermeddleth with all wisdom. |
| 2 | Ny adala tsy mba finaritra amin’ ny fahalalana, Fa ta-haneho izay ao am-pony. | A fool hath no delight in understanding, but that his heart may discover itself. |
| 3 | Raha avy ny ratsy fanahy, dia avy ny fanamavoana; Ary miaraka amin’ ny fahafaham-baraka ny henatra. | When the wicked cometh, then cometh also contempt, and with ignominy reproach. |
| 4 | Rano lalina ny teny aloaky ny vavan’ ny olona, Ary rano miboiboika ny loharanon’ ny fahendrena, | The words of a man’s mouth are as deep waters, and the wellspring of wisdom as a flowing brook. |
| 5 | Tsy mety raha manohana ny ratsy fanahy Handresy ny marina amin’ ny fitsarana. | It is not good to accept the person of the wicked, to overthrow the righteous in judgment. |
| 6 | Ny molotry ny adala manatona ny fifandirana, Ary ny vavany mihantsy kapoka. | A fool’s lips enter into contention, and his mouth calleth for strokes. |
| 7 | Ny vavan’ ny adala no fandringanana azy, Ary ny molony ihany no fandriky ny fanahiny. | A fool’s mouth is his destruction, and his lips are the snare of his soul. |
| 8 | Ny tenin’ ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py Ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra. | The words of a talebearer are as wounds, and they go down into the innermost parts of the belly. |
| 9 | Ary izay malaina amin’ ny asany Dia rahalahin’ ny mpanimba. | He also that is slothful in his work is brother to him that is a great waster. |
| 10 | Ny anaran’ i Jehovah dia tilikambo mafy; Ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy. | The name of the Lord is a strong tower: the righteous runneth into it, and is safe. |
| 11 | Ny haren’ ny manan-karena no vohiny mafy, Ary raha araka ny fiheviny, dia toa manda avo izany. | The rich man’s wealth is his strong city, and as an high wall in his own conceit. |
| 12 | Ny fireharehan’ ny fon’ ny olona mialoha ny fahasimbana; Fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra. | Before destruction the heart of man is haughty, and before honour is humility. |
| 13 | Izay mamaly teny mbola tsy re, Dia hadalana sy henatra ho azy izany. | He that answereth a matter before he heareth it, it is folly and shame unto him. |
| 14 | Ny faharariany dia zakan’ ny fanahin’ ny olona ihany; Fa ny fanahy kivy, iza no mahazaka izany? | The spirit of a man will sustain his infirmity; but a wounded spirit who can bear? |
| 15 | Ny fon’ ny manan-tsaina mahazo fahalalana; Ary ny sofin’ ny hendry mitady izany. | The heart of the prudent getteth knowledge; and the ear of the wise seeketh knowledge. |
| 16 | Ny fanomezan’ ny olona dia mahalalaka ny alehany, Hahatonga azy eo anatrehan’ ny lehibe. | A man’s gift maketh room for him, and bringeth him before great men. |
| 17 | Izay mandahatra aloha no toa marina; Fa nony avy kosa ny an-daniny, dia mamaly ny teniny. | He that is first in his own cause seemeth just; but his neighbour cometh and searcheth him. |
| 18 | Ny filokana mampitsahatra ady Ary mampisaraka ny samy mahery. | The lot causeth contentions to cease, and parteth between the mighty. |
| 19 | Ny mampionona ny rahalahy voaisy ratsy dia sarotra noho ny manafaka vohitra mafy, Ary ny fifandirana aminy dia tahaka ny hidin’ ny lapan’ ny mpanjaka. | A brother offended is harder to be won than a strong city: and their contentions are like the bars of a castle. |
| 20 | Ny vokatry ny vavan’ ny olona no mahavoky soa azy; Eny, ny vokatry ny molony no mahavoky azy. | A man’s belly shall be satisfied with the fruit of his mouth; and with the increase of his lips shall he be filled. |
| 21 | Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain’ ny lela, Koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany. | Death and life are in the power of the tongue: and they that love it shall eat the fruit thereof. |
| 22 | Izay lehilahy mahazo vady dia mahazo zava-tsoa Sady mahita sitraka amin’ i Jehovah. | Whoso findeth a wife findeth a good thing, and obtaineth favour of the Lord. |
| 23 | Fitarainana no ataon’ ny malahelo; Nefa ny manan-karena kosa dia mamaly mahery. | The poor useth intreaties; but the rich answereth roughly. |
| 24 | Izay maro sakaiza tsy maintsy tra-pahoriana; Fa misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza. | A man that hath friends must shew himself friendly: and there is a friend that sticketh closer than a brother. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL