잠언 17장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 28절
- 1 Tsara ny sombi-mofo maina misy fiadanana Noho ny trano feno hena misy fifandirana.
- 2 Ny mpanompo hendry dia hanapaka ny zanaka manao izay mahamenatra Sady hizara lova amin’ ny mpirahalahy.
- 3 Ny memy ho an’ ny volafotsy, ary ny fatana fandrendrehana ho an’ ny volamena; Fa Jehovah ihany no Mpamantatra ny fo.
- 4 Ny mpanao ratsy mampandry sofina amin’ ny molotra mandainga; Ary ny mpandainga mihaino ny lela mampidi-doza.
- 5 Izay mihomehy ny malahelo manala baraka ny Mpanao azy; Ary izay faly amin’ ny fahorian’ ny sasany dia tsy maintsy hampijalina.
- 6 Satroboninahitry ny antitra ny zafiny; Ary voninahitry ny zanaka ny rainy.
- 7 Ny teny jadona tsy tandrifiny halahatry ny adala, Koa mainka fa tsy tokony ho an’ ny zanak’ andriana ny molotra mandainga.
- 8 Ny kolikoly dia toy ny vato soa eo imason’ izay mahazo azy, Ka na aiza na aiza alehany dia ambinina ihany.
- 9 Izay te-ho be fitiavana dia manaron-keloka; Fa izay mamohafoha teny mampisaraka ny tena mpisakaiza.
- 10 Ny anatra dia manan-kery kokoa amin’ ny hendry Noho ny kapoka injato amin’ ny adala.
- 11 Ny maditra dia fatra-pitady ny ratsy, Ka dia iraka lozabe no irahina hamely azy.
- 12 Aleo mifanena amin’ ny bera very anaka Toy izay amin’ ny adala feno hadalana.
- 13 Izay mamaly ratsy ny soa, Ny ratsy tsy hiala ao an-tranony.
- 14 Ny fiandohan’ ny ady dia toy ny manata-drano, Koa ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra.
- 15 Izay manamarina ny meloka, na izay manameloka ny marina, Dia samy fahavetavetana eo imason’ i Jehovah.
- 16 Hatao inona re ity vola an-tànan’ ny adala? Hamidy fahendrena va? tsy manan-tsaina izy.
- 17 Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ ny andro rehetra, Sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ ny fahoriana.
- 18 Olona tsy ampy saina izay mifandray tanana Hiantoka eo anatrehan’ ny sakaizany.
- 19 Izay tia ady dia tia heloka; Ary izay manao vavahady avo mitady fahasimbana.
- 20 Izay madi-po tsy hahita soa; Ary izay manana lela mandainga hivarina any amin’ ny loza.
- 21 Izay miteraka adala hahazo alahelo; Ary ny rain’ ny adala tsy ho faly.
- 22 Ny fo ravoravo mahasalama tsara; Fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana.
- 23 Ny ratsy fanahy mandray kolikoly avy any anaty lamba Ho entiny mamadika ny rariny.
- 24 Eo anoloan’ ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny mason’ ny adala dia mibirioka any amin’ ny faran’ ny tany.
- 25 Ny zanaka adala mampalahelo ny rainy Sady fahoriana mangidy amin’ ny reniny niteraka azy.
- 26 Tsy mety raha mampijaly ny marina, Na mamely ny manan-kaja noho ny fahamarinany.
- 27 Izay mahafihim-bava no manam-pahalalana; Ary izay mahatsindry fo no manan-tsaina.
- 28 Na ny adala aza, raha tsy miteny, dia atao ho hendry, Ary izay mahafihim-bava dia toa manan-tsaina.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗