잠언 14장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 35절
- 1 Ny vehivavy hendry dia samy manao ny tranony; Fa ny adala kosa mandrava ny tranony amin’ ny tànany.
- 2 Mandeha mahitsy izay matahotra an’ i Jehovah; Fa mivily lalana kosa izay maniratsira Azy.
- 3 Eo am-bavan’ ny adala misy tsorakazon’ ny fiavonavonana; Fa ny molotry ny hendry miaro ny tenany.
- 4 Raha tsy misy omby, dia foana ny fihinanam-bilona; Fa be ny fitomboan-karena azo amin’ ny herin’ ny omby.
- 5 Ny vavolombelona mahatoky tsy mba mety mandainga; Fa mamoaka lainga kosa ny vavolombelona tsy mahatoky.
- 6 Ny mpaniratsira mba mitady fahendrena, fa tsy mahita; Fa ny manan-tsaina mora mahazo fahalalana.
- 7 Mialà eo anatrehan’ ny olona adala, Fa tsy ho hitanao aminy ny molotry ny fahalalana.
- 8 Ny mitandrina ny alehany no fahendren’ ny mahira-tsaina; Fa fitaka ny hadalan’ ny adala.
- 9 Ny adala ihomehezan’ ny fanati-panonerana; Fa ao amin’ ny marina no misy fankasitrahana.
- 10 Ny fo no mahalala ny fangidian’ ny alahelony; Ary tsy raharahan’ ny olon-kafa ny hafaliany.
- 11 Ravana ny tranon’ ny ratsy fanahy; Fa ambinina ny lain’ ny marina.
- 12 Misy lalana ataon’ ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin’ ny fahafatesana no iafarany.
- 13 Na dia mihomehy aza, dia ory ihany ny fo, Ary ny faran’ ny hafaliana dia alahelo.
- 14 Ny mihemotra am-po dia ho voky ny alehany; Fa ny tsara fanahy kosa ho voky ny azy ihany.
- 15 Ny kely saina mino ny teny rehetra; Fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.
- 16 Ny hendry matahotra ka mivily tsy ho amin’ ny ratsy; Fa ny adala fatra-pirehareha ka matokitoky foana.
- 17 Izay malaky tezitra dia manao adaladala; Ary ny olona mamoron-tsain-dratsy dia ankahalaina.
- 18 Ny kely saina dia handova fahadalana; Fa ny mahira-tsaina mahazo ny fahalalana ho satro-boninahiny.
- 19 Ny ratsy fanahy miondrika eo anatrehan’ ny tsara fanahy, Ary ny meloka dia eo am-bavahadin’ ny marina.
- 20 Ny malahelo dia halan’ ny havany aza; Fa ny manan-karena no tian’ ny maro.
- 21 Izay manao tsinontsinona ny namany dia manota; Fa endrey ny fahasambaran’ izay mamindra fo amin’ ny ory!
- 22 Tsy mivily va izay manao asa ratsy? Fa famindram-po sy fahamarinana no ho an’ izay manao asa tsara.
- 23 Ny fisasarana rehetra misy valiny avokoa; Fa ny molotra mibedibedy foana tsy mba ahazoana na inona na inona.
- 24 Satroboninahitry ny hendry ny hareny; Fa ny fahadalan’ ny adala dia fahadalana ihany.
- 25 Ny vavolombelona marina mamonjy ain’ olona; Fa izay mamoaka lainga dia tena fitaka.
- 26 Ny fahatahorana an’ i Jehovah dia fiarovana mahatoky, Ary ny zanany hahazo fialofana.
- 27 Ny fahatahorana an’ i Jehovah no loharanon’ aina, Hanalavirana ny fandriky ny fahafatesana.
- 28 Ny fahabetsahan’ ny vahoaka no voninahitry ny mpanjaka; Fa ny havitsiany kosa no fietreny.
- 29 Be saina izay mahatsindry fo; Fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany.
- 30 Ny fo mionona no fiainan’ ny nofo; Fa ny fahamaimaizan-tsaina dia mahalò ny taolana.
- 31 Izay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy; Fa ny mamindra fo aminy kosa dia manome voninahitra Azy.
- 32 Ny ratsy fanahy azera noho ny haratsiany; Fa ny marina matoky, na dia mby ao amin’ ny fahafatesana aza.
- 33 Mandry tsara ao am-pon’ ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny an’ ny adala kosa dia miharihary.
- 34 Ny fahamarinana manandratra ny firenena; Fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin’ ny olona
- 35 Ny fankasitrahan’ ny mpanjaka dia amin’ ny mpanompo hendry; Fa ny fahatezerany kosa amin’ ny manao izay mahamenatra.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗