잠언 13장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 25절
- 1 Ny zanaka hendry mihaino ny fananaran-drainy; Fa ny mpaniratsira tsy mety mihaino, na dia anarina mafy aza.
- 2 Ny vokatry ny vavan’ ny olona no ahazoany soa; Fa ny hampidi-doza no mahafaly ny mpivadika.
- 3 Izay mahambim-bava no miaro ny ainy; Fa izay vavàna dia haringana.
- 4 Ny fanahin’ ny kamo maniry, fa tsy mba mahazo; Fa ny fanahin’ ny mazoto hohatavezina.
- 5 Ny lainga dia halan’ ny marina; Fa ny ratsy fanahy manao izay maharikoriko sy mahamenatra.
- 6 Ny fahamarinana miaro izay mandeha tsy misy tsiny; Fa ny haratsiana mamotraka ny mpanota.
- 7 Misy mihambo ho manan-karena, nefa tsy manana na inona na inona; Misy kosa mody malahelo, nefa manana harena be.
- 8 Ny haren’ ny olona dia avotry ny ainy; Fa ny levilevy tsy mampiraika ny malahelo akory.
- 9 Ny fahazavan’ ny marina dia tsara firehitra; Fa ny jiron’ ny ratsy fanahy ho faty.
- 10 Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana; Fa ao amin’ ny mino anatra no misy fahendrena.
- 11 Ny harena azoazo foana dia mihena lalandava; Fa izay mahavatra mitsimpona no mampitombo.
- 12 Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo; Fa hazon’ aina ny faniriana tanteraka.
- 13 Izay manamavo ny teny ho voasingony; Fa izay matahotra ny didy no hahazo valim-pitia.
- 14 Ny fampianaran’ ny hendry dia loharanon’ aina Ka mampivily tsy ho ao amin’ ny fandriky ny fahafatesana.
- 15 Ny fahendrena tsara dia ahazoam-pitia; Fa sarotra ny lalan’ ny mpivadika.
- 16 Ny mahira-tsaina, rehetra miasa amin’ ny fahalalana; Fa ny adala kosa mampiseho hadalana;
- 17 Ny iraka ratsy fanahy idiran-doza; Fa ny iraka mahatoky dia famelombelomana.
- 18 Fahalahelovana sy henatra no ho an’ izay mandà famaizana; Fa izay manaiky anatra no homem-boninahitra.
- 19 Mamin’ ny fo ny faniriana tanteraka; Fa fahavetavetana eo imason’ ny adala ny hiala amin’ ny ratsy.
- 20 Izay miara-dia amin’ ny hendry dia ho hendry; Fa izay misakaiza amin’ ny adala dia hidiran-doza.
- 21 Ny mpanota dia enjehin’ ny loza: Fa hovalian-tsoa ny marina.
- 22 Ny tsara fanahy mahenina lova ny zafiny, Fa ny haren’ ny mpanota kosa voatahiry ho an’ ny marina.
- 23 Ny tanin’ ny malahelo izay voasa dia ahazoana hanina be; Fa maro no ringana noho ny fanaovan’ izay tsy rariny.
- 24 Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; Fa izay tia zanaka dia manafay azy, raha mbola kely.
- 25 Ny marina mihinana ka voky tsara; Fa noana ny kibon’ ny ratsy fanahy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗