잠언 14장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 35절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ny vehivavy hendry dia samy manao ny tranony; Fa ny adala kosa mandrava ny tranony amin’ ny tànany. | Every wise woman buildeth her house: but the foolish plucketh it down with her hands. |
| 2 | Mandeha mahitsy izay matahotra an’ i Jehovah; Fa mivily lalana kosa izay maniratsira Azy. | He that walketh in his uprightness feareth the Lord: but he that is perverse in his ways despiseth him. |
| 3 | Eo am-bavan’ ny adala misy tsorakazon’ ny fiavonavonana; Fa ny molotry ny hendry miaro ny tenany. | In the mouth of the foolish is a rod of pride: but the lips of the wise shall preserve them. |
| 4 | Raha tsy misy omby, dia foana ny fihinanam-bilona; Fa be ny fitomboan-karena azo amin’ ny herin’ ny omby. | Where no oxen are, the crib is clean: but much increase is by the strength of the ox. |
| 5 | Ny vavolombelona mahatoky tsy mba mety mandainga; Fa mamoaka lainga kosa ny vavolombelona tsy mahatoky. | A faithful witness will not lie: but a false witness will utter lies. |
| 6 | Ny mpaniratsira mba mitady fahendrena, fa tsy mahita; Fa ny manan-tsaina mora mahazo fahalalana. | A scorner seeketh wisdom, and findeth it not: but knowledge is easy unto him that understandeth. |
| 7 | Mialà eo anatrehan’ ny olona adala, Fa tsy ho hitanao aminy ny molotry ny fahalalana. | Go from the presence of a foolish man, when thou perceivest not in him the lips of knowledge. |
| 8 | Ny mitandrina ny alehany no fahendren’ ny mahira-tsaina; Fa fitaka ny hadalan’ ny adala. | The wisdom of the prudent is to understand his way: but the folly of fools is deceit. |
| 9 | Ny adala ihomehezan’ ny fanati-panonerana; Fa ao amin’ ny marina no misy fankasitrahana. | Fools make a mock at sin: but among the righteous there is favour. |
| 10 | Ny fo no mahalala ny fangidian’ ny alahelony; Ary tsy raharahan’ ny olon-kafa ny hafaliany. | The heart knoweth his own bitterness; and a stranger doth not intermeddle with his joy. |
| 11 | Ravana ny tranon’ ny ratsy fanahy; Fa ambinina ny lain’ ny marina. | The house of the wicked shall be overthrown: but the tabernacle of the upright shall flourish. |
| 12 | Misy lalana ataon’ ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin’ ny fahafatesana no iafarany. | There is a way which seemeth right unto a man, but the end thereof are the ways of death. |
| 13 | Na dia mihomehy aza, dia ory ihany ny fo, Ary ny faran’ ny hafaliana dia alahelo. | Even in laughter the heart is sorrowful; and the end of that mirth is heaviness. |
| 14 | Ny mihemotra am-po dia ho voky ny alehany; Fa ny tsara fanahy kosa ho voky ny azy ihany. | The backslider in heart shall be filled with his own ways: and a good man shall be satisfied from himself. |
| 15 | Ny kely saina mino ny teny rehetra; Fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany. | The simple believeth every word: but the prudent man looketh well to his going. |
| 16 | Ny hendry matahotra ka mivily tsy ho amin’ ny ratsy; Fa ny adala fatra-pirehareha ka matokitoky foana. | A wise man feareth, and departeth from evil: but the fool rageth, and is confident. |
| 17 | Izay malaky tezitra dia manao adaladala; Ary ny olona mamoron-tsain-dratsy dia ankahalaina. | He that is soon angry dealeth foolishly: and a man of wicked devices is hated. |
| 18 | Ny kely saina dia handova fahadalana; Fa ny mahira-tsaina mahazo ny fahalalana ho satro-boninahiny. | The simple inherit folly: but the prudent are crowned with knowledge. |
| 19 | Ny ratsy fanahy miondrika eo anatrehan’ ny tsara fanahy, Ary ny meloka dia eo am-bavahadin’ ny marina. | The evil bow before the good; and the wicked at the gates of the righteous. |
| 20 | Ny malahelo dia halan’ ny havany aza; Fa ny manan-karena no tian’ ny maro. | The poor is hated even of his own neighbour: but the rich hath many friends. |
| 21 | Izay manao tsinontsinona ny namany dia manota; Fa endrey ny fahasambaran’ izay mamindra fo amin’ ny ory! | He that despiseth his neighbour sinneth: but he that hath mercy on the poor, happy is he. |
| 22 | Tsy mivily va izay manao asa ratsy? Fa famindram-po sy fahamarinana no ho an’ izay manao asa tsara. | Do they not err that devise evil? but mercy and truth shall be to them that devise good. |
| 23 | Ny fisasarana rehetra misy valiny avokoa; Fa ny molotra mibedibedy foana tsy mba ahazoana na inona na inona. | In all labour there is profit: but the talk of the lips tendeth only to penury. |
| 24 | Satroboninahitry ny hendry ny hareny; Fa ny fahadalan’ ny adala dia fahadalana ihany. | The crown of the wise is their riches: but the foolishness of fools is folly. |
| 25 | Ny vavolombelona marina mamonjy ain’ olona; Fa izay mamoaka lainga dia tena fitaka. | A true witness delivereth souls: but a deceitful witness speaketh lies. |
| 26 | Ny fahatahorana an’ i Jehovah dia fiarovana mahatoky, Ary ny zanany hahazo fialofana. | In the fear of the Lord is strong confidence: and his children shall have a place of refuge. |
| 27 | Ny fahatahorana an’ i Jehovah no loharanon’ aina, Hanalavirana ny fandriky ny fahafatesana. | The fear of the Lord is a fountain of life, to depart from the snares of death. |
| 28 | Ny fahabetsahan’ ny vahoaka no voninahitry ny mpanjaka; Fa ny havitsiany kosa no fietreny. | In the multitude of people is the king’s honour: but in the want of people is the destruction of the prince. |
| 29 | Be saina izay mahatsindry fo; Fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany. | He that is slow to wrath is of great understanding: but he that is hasty of spirit exalteth folly. |
| 30 | Ny fo mionona no fiainan’ ny nofo; Fa ny fahamaimaizan-tsaina dia mahalò ny taolana. | A sound heart is the life of the flesh: but envy the rottenness of the bones. |
| 31 | Izay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy; Fa ny mamindra fo aminy kosa dia manome voninahitra Azy. | He that oppresseth the poor reproacheth his Maker: but he that honoureth him hath mercy on the poor. |
| 32 | Ny ratsy fanahy azera noho ny haratsiany; Fa ny marina matoky, na dia mby ao amin’ ny fahafatesana aza. | The wicked is driven away in his wickedness: but the righteous hath hope in his death. |
| 33 | Mandry tsara ao am-pon’ ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny an’ ny adala kosa dia miharihary. | Wisdom resteth in the heart of him that hath understanding: but that which is in the midst of fools is made known. |
| 34 | Ny fahamarinana manandratra ny firenena; Fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin’ ny olona | Righteousness exalteth a nation: but sin is a reproach to any people. |
| 35 | Ny fankasitrahan’ ny mpanjaka dia amin’ ny mpanompo hendry; Fa ny fahatezerany kosa amin’ ny manao izay mahamenatra. | The king’s favour is toward a wise servant: but his wrath is against him that causeth shame. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL