잠언 15장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 33절
- 1 Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; Fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana.
- 2 Ny lelan’ ny hendry mampiseho fahalalana tsara; Fa ny vavan’ ny adala miboiboika fahadalana.
- 3 Ny mason’ i Jehovah amin’ izao rehetra izao, Mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
- 4 Ny teny malemy dia hazon’ aina; Fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy.
- 5 Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy; Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry.
- 6 Ao an-tranon’ ny marina misy harena be; Fa ny fitomboan’ ny haren’ ny ratsy fanahy dia misy loza.
- 7 Ny molotry ny hendry mampiely fahendrena; Fa tsy mba toy izany ny fon’ ny adala.
- 8 Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason’ i Jehovah; Fa ny fivavaky ny marina no sitrany.
- 9 Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny lalan’ ny ratsy fanahy; Fa izay fatra-panaraka ny fahamarinana no tiany.
- 10 Famaizana mafy no hihatra amin’ izay mivily lalana. Eny, izay mankahala anatra dia ho faty.
- 11 Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana aza dia miharihary eo anatrehan’ i Jehovah, Koa mainka ny fon’ ny zanak’ olombelona!
- 12 Tsy tian’ ny mpaniratsira izay mananatra azy, Ary tsy mety manatona ny hendry izy.
- 13 Ny fo ravoravo mahamiramirana ny tarehy; Fa ny alahelon’ ny fo mahareraka ny fanahy.
- 14 Ny fon’ ny manan-tsaina mitady fahendrena; Fa ny vavan’ ny adala mankamamy ny fahadalana.
- 15 Ratsy avokoa ny andron’ ny ory; Fa ny faharavoravoam-po dia fanasana mandrakariva.
- 16 Aleo ny kely misy ny fahatahorana an’ i Jehovah Toy izay harena be misy ahiahy.
- 17 Aleo sakafo anana ampian-tsetsetra Toy izay omby mifahy asian-dromoromo.
- 18 Izay malaky tezitra manetsika ady; Fa izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana.
- 19 Ny lalan’ ny malaina dia toy ny fefy tsilo Fa ny lalamben’ ny marina dia voalamina tsara.
- 20 Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny adala manao tsinontsinona an-dreniny.
- 21 Ny fahadalana dia fifalian’ ny tsy ampy saina; Fa ny manan-tsaina kosa mizotra mahitsy
- 22 Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina; Fa raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany.
- 23 Faly ny olona, raha mahavaly tsara ny vavany, Ary endrey ny hatsaran’ ny teny atao amin’ izay andro mahamety azy!
- 24 Làlan’ aina ho any ambony no alehan’ ny hendry, Hanalavirany ny fiainan-tsi-hita any ambany,
- 25 Ravan’ i Jehovah ny tranon’ ny mpiavonavona; Fa ny fari-tanin’ ny mpitondra-tena aoriny mafy.
- 26 Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny hevi-dratsy; Fa madio ny teny mahafinaritra.
- 27 Izay fatra-pila harena dia mampidi-doza amin’ ny ankohonany; Fa izay mankahala kolikoly no ho velona.
- 28 Ny fon’ ny marina mihevitra vao mamaly; Fa ny vavan’ ny ratsy fanahy kosa miboiboika faharatsiana.
- 29 Jehovah dia lavitra ny ratsy fanahy; Fa ny fivavaky ny marina no henoiny.
- 30 Ny tarehy miramirana mahafaly ny fo; Ary ny filazan-tsoa mamelombelona ny taolana.
- 31 Ny sofina izay mihaino anatra mahavelona Dia miara-mitoetra amin’ ny hendry.
- 32 Izay mandà anatra dia manary tena; Fa izay mihaino ny fananarana no mahazo fahalalana.
- 33 Ny fahatahorana an’ i Jehovah dia fananarana mampahahendry; Ary ny fanetren-tena mialoha ny fisandratana.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗