잠언 12장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 28절
- 1 Izay tia fananarana no tia fahalalana; Fa izay mandà anatra dia biby.
- 2 Ny tsara fanahy mahazo sitraka amin’ i Jehovah; Fa ny mamoron-tsain-dratsy hohelohiny.
- 3 Tsy maha-tafatoetra ny olona ny haratsiana; Fa ny fakan’ ny marina tsy mba hihetsika.
- 4 Ny vehivavy tsara dia satro-boninahitry ny lahy; Fa ny vehivavy manao izay mahamenatra kosa dia tahaka ny lò ao anatin’ ny taolana.
- 5 Rariny ny hevitry ny marina; Fa fitaka ny fisainan’ ny ratsy fanahy.
- 6 Ny tenin’ ny ratsy fanahy dia otrika ho enti-mandatsa-drà; Fa ny vavan’ ny marina hamonjy azy.
- 7 Haringana ny ratsy fanahy ka tsy ho ao intsony; Fa ny mpianakavin’ ny marina haharitra.
- 8 Araka ny fahendren’ ny olona no hiderana azy; Fa izay meloka am-po dia hatao tsinontsinona.
- 9 Aleo ambany toetra, nefa manana mpanompo iray, Toy izay mihambo ho be voninahitra, nefa tsy manan-kohanina akory.
- 10 Ny marina mitsimbina ny ain’ ny bibiny; Fa fahasiahana kosa no famindram-pon’ ny ratsy fanahy;
- 11 Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina; Fa izay manaraka ny olom-poana dia tsy ampy saina.
- 12 Ny mpanota maniry ny hazan’ ny ratsy fanahy; Fa ny fakan’ ny marina mitrebona.
- 13 Amin’ ny fahotan’ ny molotra dia misy fandrika ahitan-doza; Fa ny marina ho afaka amin’ ny fahoriana.
- 14 Ny vokatry ny vavan’ ny olona no mahavoky soa azy, Ary ny asan’ ny tànany hitsingerina aminy.
- 15 Ny lalan’ ny adala dia mahitsy eo imasony; Fa izay mino anatra no hendry.
- 16 Ny fahasosoran’ ny adala dia fantatra miaraka amin’ izay; Fa izay mahatsindry fo amin’ ny fanalam-baraka no hendry.
- 17 Izay olona mahatoky dia manambara ny rariny; Fa ny vavolombelona mandainga kosa miteny fitaka.
- 18 Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ ny sabatra; Fa ny lelan’ ny marina dia fanasitranana kosa.
- 19 Ny molotra marina ampitoerina ho mandrakizay; Fa ny lela mandainga dia indray mipi-maso monja.
- 20 Fitaka no ao am-pon’ izay mamoron-tsain-dratsy; Fa hafaliana no amin’ izay misaina fiadanana.
- 21 Tsy misy ratsy manjo ny marina; Fa heni-doza ny ratsy fanahy.
- 22 Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny molotra mandainga; Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany.
- 23 Ny olon-kendry tsy mba mampideradera fahalalana foana; Fa ny fon’ ny adala mamoaka fahadalana.
- 24 Ny tanan’ ny mazoto no hanapaka; Fa izay miraviravy tanana dia hampanompoina.
- 25 Ny alahelo ao am-pon’ ny olona dia mampitanondrika azy; Fa ny teny soa no mahafaly azy.
- 26 Ny marina dia mitari-dalana ny namany; Fa ny alehan’ ny ratsy fanahy kosa no mampivily azy.
- 27 Ny kamo tsy mety mihaza; Fa fananana soa ho an’ ny olona ny zoto.
- 28 Amin’ ny lalan’ ny fahamarinana no misy fiainana, Ary ny tsi-fahafatesana no lalan-kalehany.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗