잠언 13장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 25절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ny zanaka hendry mihaino ny fananaran-drainy; Fa ny mpaniratsira tsy mety mihaino, na dia anarina mafy aza. | A wise son heareth his father’s instruction: but a scorner heareth not rebuke. |
| 2 | Ny vokatry ny vavan’ ny olona no ahazoany soa; Fa ny hampidi-doza no mahafaly ny mpivadika. | A man shall eat good by the fruit of his mouth: but the soul of the transgressors shall eat violence. |
| 3 | Izay mahambim-bava no miaro ny ainy; Fa izay vavàna dia haringana. | He that keepeth his mouth keepeth his life: but he that openeth wide his lips shall have destruction. |
| 4 | Ny fanahin’ ny kamo maniry, fa tsy mba mahazo; Fa ny fanahin’ ny mazoto hohatavezina. | The soul of the sluggard desireth, and hath nothing: but the soul of the diligent shall be made fat. |
| 5 | Ny lainga dia halan’ ny marina; Fa ny ratsy fanahy manao izay maharikoriko sy mahamenatra. | A righteous man hateth lying: but a wicked man is loathsome, and cometh to shame. |
| 6 | Ny fahamarinana miaro izay mandeha tsy misy tsiny; Fa ny haratsiana mamotraka ny mpanota. | Righteousness keepeth him that is upright in the way: but wickedness overthroweth the sinner. |
| 7 | Misy mihambo ho manan-karena, nefa tsy manana na inona na inona; Misy kosa mody malahelo, nefa manana harena be. | There is that maketh himself rich, yet hath nothing: there is that maketh himself poor, yet hath great riches. |
| 8 | Ny haren’ ny olona dia avotry ny ainy; Fa ny levilevy tsy mampiraika ny malahelo akory. | The ransom of a man’s life are his riches: but the poor heareth not rebuke. |
| 9 | Ny fahazavan’ ny marina dia tsara firehitra; Fa ny jiron’ ny ratsy fanahy ho faty. | The light of the righteous rejoiceth: but the lamp of the wicked shall be put out. |
| 10 | Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana; Fa ao amin’ ny mino anatra no misy fahendrena. | Only by pride cometh contention: but with the well advised is wisdom. |
| 11 | Ny harena azoazo foana dia mihena lalandava; Fa izay mahavatra mitsimpona no mampitombo. | Wealth gotten by vanity shall be diminished: but he that gathereth by labour shall increase. |
| 12 | Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo; Fa hazon’ aina ny faniriana tanteraka. | Hope deferred maketh the heart sick: but when the desire cometh, it is a tree of life. |
| 13 | Izay manamavo ny teny ho voasingony; Fa izay matahotra ny didy no hahazo valim-pitia. | Whoso despiseth the word shall be destroyed: but he that feareth the commandment shall be rewarded. |
| 14 | Ny fampianaran’ ny hendry dia loharanon’ aina Ka mampivily tsy ho ao amin’ ny fandriky ny fahafatesana. | The law of the wise is a fountain of life, to depart from the snares of death. |
| 15 | Ny fahendrena tsara dia ahazoam-pitia; Fa sarotra ny lalan’ ny mpivadika. | Good understanding giveth favour: but the way of transgressors is hard. |
| 16 | Ny mahira-tsaina, rehetra miasa amin’ ny fahalalana; Fa ny adala kosa mampiseho hadalana; | Every prudent man dealeth with knowledge: but a fool layeth open his folly. |
| 17 | Ny iraka ratsy fanahy idiran-doza; Fa ny iraka mahatoky dia famelombelomana. | A wicked messenger falleth into mischief: but a faithful ambassador is health. |
| 18 | Fahalahelovana sy henatra no ho an’ izay mandà famaizana; Fa izay manaiky anatra no homem-boninahitra. | Poverty and shame shall be to him that refuseth instruction: but he that regardeth reproof shall be honoured. |
| 19 | Mamin’ ny fo ny faniriana tanteraka; Fa fahavetavetana eo imason’ ny adala ny hiala amin’ ny ratsy. | The desire accomplished is sweet to the soul: but it is abomination to fools to depart from evil. |
| 20 | Izay miara-dia amin’ ny hendry dia ho hendry; Fa izay misakaiza amin’ ny adala dia hidiran-doza. | He that walketh with wise men shall be wise: but a companion of fools shall be destroyed. |
| 21 | Ny mpanota dia enjehin’ ny loza: Fa hovalian-tsoa ny marina. | Evil pursueth sinners: but to the righteous good shall be repayed. |
| 22 | Ny tsara fanahy mahenina lova ny zafiny, Fa ny haren’ ny mpanota kosa voatahiry ho an’ ny marina. | A good man leaveth an inheritance to his children’s children: and the wealth of the sinner is laid up for the just. |
| 23 | Ny tanin’ ny malahelo izay voasa dia ahazoana hanina be; Fa maro no ringana noho ny fanaovan’ izay tsy rariny. | Much food is in the tillage of the poor: but there is that is destroyed for want of judgment. |
| 24 | Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; Fa izay tia zanaka dia manafay azy, raha mbola kely. | He that spareth his rod hateth his son: but he that loveth him chasteneth him betimes. |
| 25 | Ny marina mihinana ka voky tsara; Fa noana ny kibon’ ny ratsy fanahy. | The righteous eateth to the satisfying of his soul: but the belly of the wicked shall want. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL