잠언 12장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 28절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Izay tia fananarana no tia fahalalana; Fa izay mandà anatra dia biby. | Whoso loveth instruction loveth knowledge: but he that hateth reproof is brutish. |
| 2 | Ny tsara fanahy mahazo sitraka amin’ i Jehovah; Fa ny mamoron-tsain-dratsy hohelohiny. | A good man obtaineth favour of the Lord: but a man of wicked devices will he condemn. |
| 3 | Tsy maha-tafatoetra ny olona ny haratsiana; Fa ny fakan’ ny marina tsy mba hihetsika. | A man shall not be established by wickedness: but the root of the righteous shall not be moved. |
| 4 | Ny vehivavy tsara dia satro-boninahitry ny lahy; Fa ny vehivavy manao izay mahamenatra kosa dia tahaka ny lò ao anatin’ ny taolana. | A virtuous woman is a crown to her husband: but she that maketh ashamed is as rottenness in his bones. |
| 5 | Rariny ny hevitry ny marina; Fa fitaka ny fisainan’ ny ratsy fanahy. | The thoughts of the righteous are right: but the counsels of the wicked are deceit. |
| 6 | Ny tenin’ ny ratsy fanahy dia otrika ho enti-mandatsa-drà; Fa ny vavan’ ny marina hamonjy azy. | The words of the wicked are to lie in wait for blood: but the mouth of the upright shall deliver them. |
| 7 | Haringana ny ratsy fanahy ka tsy ho ao intsony; Fa ny mpianakavin’ ny marina haharitra. | The wicked are overthrown, and are not: but the house of the righteous shall stand. |
| 8 | Araka ny fahendren’ ny olona no hiderana azy; Fa izay meloka am-po dia hatao tsinontsinona. | A man shall be commended according to his wisdom: but he that is of a perverse heart shall be despised. |
| 9 | Aleo ambany toetra, nefa manana mpanompo iray, Toy izay mihambo ho be voninahitra, nefa tsy manan-kohanina akory. | He that is despised, and hath a servant, is better than he that honoureth himself, and lacketh bread. |
| 10 | Ny marina mitsimbina ny ain’ ny bibiny; Fa fahasiahana kosa no famindram-pon’ ny ratsy fanahy; | A righteous man regardeth the life of his beast: but the tender mercies of the wicked are cruel. |
| 11 | Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina; Fa izay manaraka ny olom-poana dia tsy ampy saina. | He that tilleth his land shall be satisfied with bread: but he that followeth vain persons is void of understanding. |
| 12 | Ny mpanota maniry ny hazan’ ny ratsy fanahy; Fa ny fakan’ ny marina mitrebona. | The wicked desireth the net of evil men: but the root of the righteous yieldeth fruit. |
| 13 | Amin’ ny fahotan’ ny molotra dia misy fandrika ahitan-doza; Fa ny marina ho afaka amin’ ny fahoriana. | The wicked is snared by the transgression of his lips: but the just shall come out of trouble. |
| 14 | Ny vokatry ny vavan’ ny olona no mahavoky soa azy, Ary ny asan’ ny tànany hitsingerina aminy. | A man shall be satisfied with good by the fruit of his mouth: and the recompence of a man’s hands shall be rendered unto him. |
| 15 | Ny lalan’ ny adala dia mahitsy eo imasony; Fa izay mino anatra no hendry. | The way of a fool is right in his own eyes: but he that hearkeneth unto counsel is wise. |
| 16 | Ny fahasosoran’ ny adala dia fantatra miaraka amin’ izay; Fa izay mahatsindry fo amin’ ny fanalam-baraka no hendry. | A fool’s wrath is presently known: but a prudent man covereth shame. |
| 17 | Izay olona mahatoky dia manambara ny rariny; Fa ny vavolombelona mandainga kosa miteny fitaka. | He that speaketh truth sheweth forth righteousness: but a false witness deceit. |
| 18 | Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ ny sabatra; Fa ny lelan’ ny marina dia fanasitranana kosa. | There is that speaketh like the piercings of a sword: but the tongue of the wise is health. |
| 19 | Ny molotra marina ampitoerina ho mandrakizay; Fa ny lela mandainga dia indray mipi-maso monja. | The lip of truth shall be established for ever: but a lying tongue is but for a moment. |
| 20 | Fitaka no ao am-pon’ izay mamoron-tsain-dratsy; Fa hafaliana no amin’ izay misaina fiadanana. | Deceit is in the heart of them that imagine evil: but to the counsellors of peace is joy. |
| 21 | Tsy misy ratsy manjo ny marina; Fa heni-doza ny ratsy fanahy. | There shall no evil happen to the just: but the wicked shall be filled with mischief. |
| 22 | Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny molotra mandainga; Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany. | Lying lips are abomination to the Lord: but they that deal truly are his delight. |
| 23 | Ny olon-kendry tsy mba mampideradera fahalalana foana; Fa ny fon’ ny adala mamoaka fahadalana. | A prudent man concealeth knowledge: but the heart of fools proclaimeth foolishness. |
| 24 | Ny tanan’ ny mazoto no hanapaka; Fa izay miraviravy tanana dia hampanompoina. | The hand of the diligent shall bear rule: but the slothful shall be under tribute. |
| 25 | Ny alahelo ao am-pon’ ny olona dia mampitanondrika azy; Fa ny teny soa no mahafaly azy. | Heaviness in the heart of man maketh it stoop: but a good word maketh it glad. |
| 26 | Ny marina dia mitari-dalana ny namany; Fa ny alehan’ ny ratsy fanahy kosa no mampivily azy. | The righteous is more excellent than his neighbour: but the way of the wicked seduceth them. |
| 27 | Ny kamo tsy mety mihaza; Fa fananana soa ho an’ ny olona ny zoto. | The slothful man roasteth not that which he took in hunting: but the substance of a diligent man is precious. |
| 28 | Amin’ ny lalan’ ny fahamarinana no misy fiainana, Ary ny tsi-fahafatesana no lalan-kalehany. | In the way of righteousness is life; and in the pathway thereof there is no death. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL