잠언 11장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 31절
- 1 Ny mizana mandainga dia fahavetavetana eo imason’ i Jehovah; Fa ny vato marina no ankasitrahany.
- 2 Raha tonga ny fiavonavonana, dia tonga koa ny fahafaham-baraka; Fa ao amin’ ny manetry tena no misy fahendrena.
- 3 Ny fahitsian’ ny mahitsy no mitarika azy; Fa ny faharatsian’ ny mpivadika mahatonga fandringanana amin’ ny tenany.
- 4 Ny harena dia tsy mahasoa amin’ ny andro fahatezerana; Fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon’ ny fahafatesana.
- 5 Ny fahamarinan’ ny marina mandamina ny alehany; Fa ny ratsy fanahy lavon’ ny haratsiany ihany.
- 6 Ny fahamarinan’ ny mahitsy mamonjy azy; Fa ny mpivadika dia voafandriky ny filàny.
- 7 Raha maty ny ratsy fanahy, dia foana ny fanantenany, Eny, foana ny fanantenan’ ny mpanao ratsy.
- 8 Ny marina dia vonjena amin’ ny fahoriana; Fa ho avy kosa ny ratsy fanahy hisolo azy.
- 9 Ny vavan’ ny mpihatsaravelatsihy no animbany ny namany; Fa ny fahalalana no hanafahana ny marina.
- 10 Raha miadana ny marina, dia ravoravo ny tanàna; Fa raha ringana ny ratsy fanahy, dia velona ny hoby.
- 11 Ny fisaoran’ ny marina no isandratan’ ny tanàna; Fa ny vavan’ ny ratsy fanahy no aharavany.
- 12 Tsy ampy saina izay manamavo ny namany; Fa izay hendry dia mangìna.
- 13 Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina; Fa ny olona mahatoky tsy mba tia lazalaza.
- 14 Raha tsy misy mpitondra, dia rava ny firenena; Fa handry fahizay, raha maro ny mpanolo-tsaina.
- 15 Hahita loza tokoa ny mianto-bahiny: Fa mitoetra tsy manana ahiahy ny tsy tia antoka.
- 16 Ny vehivavy tsara tarehy mahazo dera; Ary ny mpanao an-keriny mahazo harena.
- 17 Ny olona mamindra fo dia mahazo soa ho an’ ny tenany; Fa ny lozabe dia todin’ ny halozany.
- 18 Ny ratsy fanahy dia mahazo valiny tsy mahasoa; Fa izay mamafy fahamarinana no mahazo izay tena tambiny tokoa.
- 19 Ny tena fahamarinana dia mamantana any amin’ ny fiainana; Fa izay fatra-panaraka ny ratsy dia iharan’ ny fahafatesana.
- 20 Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny meloka am-po; Fa ankasitrahany kosa izay mandeha tsy misy tsiny.
- 21 Azo itompoana tokoa fa tsy maintsy hampijalina ny ratsy fanahy; Fa ny taranaky ny marina no hovonjena.
- 22 Toy ny kavim-bolamena eo amin’ ny oron-kisoa Ny vehivavy tsara tarehy tsy manam-pahendrena.
- 23 Ny soa ihany no irin’ ny marina; Fa fahatezerana no fanantenan’ ny ratsy fanahy.
- 24 Misy mahafoy, nefa mitombo fananana ihany; Ary misy fatra-pahihitra loatra, nefa tonga malahelo ihany.
- 25 Izay manisy soa olona hohatavezina; Ary izay mandena dia mba holemana kosa.
- 26 Izay tsy mamoaka ny variny dia ozonin’ ny olona; Fa saotra no ho amin’ ny lohan’ izay mivarotra.
- 27 Izay fatra-pikatsaka ny tsara no mitady ny mahafinaritra; Fa izay mitady ny ratsy dia hiharan’ izany.
- 28 Izay matoky ny hareny dia ho lavo; Fa ny marina ho tahaka ny ravina maitso.
- 29 Izay mampidi-doza amin’ ny ankohonany dia mandova ny rivotra; Ary ny adala dia tonga mpanompon’ ny hendry.
- 30 Ny vokatry ny marina dia hazon’ aina, Ary ny hendry dia mahataona olona.
- 31 Indro, ny marina aza dia valiana etỳ an-tany, Koa mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota!
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗