잠언 11장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 31절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ny mizana mandainga dia fahavetavetana eo imason’ i Jehovah; Fa ny vato marina no ankasitrahany. | A false balance is abomination to the Lord: but a just weight is his delight. |
| 2 | Raha tonga ny fiavonavonana, dia tonga koa ny fahafaham-baraka; Fa ao amin’ ny manetry tena no misy fahendrena. | When pride cometh, then cometh shame: but with the lowly is wisdom. |
| 3 | Ny fahitsian’ ny mahitsy no mitarika azy; Fa ny faharatsian’ ny mpivadika mahatonga fandringanana amin’ ny tenany. | The integrity of the upright shall guide them: but the perverseness of transgressors shall destroy them. |
| 4 | Ny harena dia tsy mahasoa amin’ ny andro fahatezerana; Fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon’ ny fahafatesana. | Riches profit not in the day of wrath: but righteousness delivereth from death. |
| 5 | Ny fahamarinan’ ny marina mandamina ny alehany; Fa ny ratsy fanahy lavon’ ny haratsiany ihany. | The righteousness of the perfect shall direct his way: but the wicked shall fall by his own wickedness. |
| 6 | Ny fahamarinan’ ny mahitsy mamonjy azy; Fa ny mpivadika dia voafandriky ny filàny. | The righteousness of the upright shall deliver them: but transgressors shall be taken in their own naughtiness. |
| 7 | Raha maty ny ratsy fanahy, dia foana ny fanantenany, Eny, foana ny fanantenan’ ny mpanao ratsy. | When a wicked man dieth, his expectation shall perish: and the hope of unjust men perisheth. |
| 8 | Ny marina dia vonjena amin’ ny fahoriana; Fa ho avy kosa ny ratsy fanahy hisolo azy. | The righteous is delivered out of trouble, and the wicked cometh in his stead. |
| 9 | Ny vavan’ ny mpihatsaravelatsihy no animbany ny namany; Fa ny fahalalana no hanafahana ny marina. | An hypocrite with his mouth destroyeth his neighbour: but through knowledge shall the just be delivered. |
| 10 | Raha miadana ny marina, dia ravoravo ny tanàna; Fa raha ringana ny ratsy fanahy, dia velona ny hoby. | When it goeth well with the righteous, the city rejoiceth: and when the wicked perish, there is shouting. |
| 11 | Ny fisaoran’ ny marina no isandratan’ ny tanàna; Fa ny vavan’ ny ratsy fanahy no aharavany. | By the blessing of the upright the city is exalted: but it is overthrown by the mouth of the wicked. |
| 12 | Tsy ampy saina izay manamavo ny namany; Fa izay hendry dia mangìna. | He that is void of wisdom despiseth his neighbour: but a man of understanding holdeth his peace. |
| 13 | Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina; Fa ny olona mahatoky tsy mba tia lazalaza. | A talebearer revealeth secrets: but he that is of a faithful spirit concealeth the matter. |
| 14 | Raha tsy misy mpitondra, dia rava ny firenena; Fa handry fahizay, raha maro ny mpanolo-tsaina. | Where no counsel is, the people fall: but in the multitude of counsellors there is safety. |
| 15 | Hahita loza tokoa ny mianto-bahiny: Fa mitoetra tsy manana ahiahy ny tsy tia antoka. | He that is surety for a stranger shall smart for it: and he that hateth suretiship is sure. |
| 16 | Ny vehivavy tsara tarehy mahazo dera; Ary ny mpanao an-keriny mahazo harena. | A gracious woman retaineth honour: and strong men retain riches. |
| 17 | Ny olona mamindra fo dia mahazo soa ho an’ ny tenany; Fa ny lozabe dia todin’ ny halozany. | The merciful man doeth good to his own soul: but he that is cruel troubleth his own flesh. |
| 18 | Ny ratsy fanahy dia mahazo valiny tsy mahasoa; Fa izay mamafy fahamarinana no mahazo izay tena tambiny tokoa. | The wicked worketh a deceitful work: but to him that soweth righteousness shall be a sure reward. |
| 19 | Ny tena fahamarinana dia mamantana any amin’ ny fiainana; Fa izay fatra-panaraka ny ratsy dia iharan’ ny fahafatesana. | As righteousness tendeth to life: so he that pursueth evil pursueth it to his own death. |
| 20 | Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny meloka am-po; Fa ankasitrahany kosa izay mandeha tsy misy tsiny. | They that are of a froward heart are abomination to the Lord: but such as are upright in their way are his delight. |
| 21 | Azo itompoana tokoa fa tsy maintsy hampijalina ny ratsy fanahy; Fa ny taranaky ny marina no hovonjena. | Though hand join in hand, the wicked shall not be unpunished: but the seed of the righteous shall be delivered. |
| 22 | Toy ny kavim-bolamena eo amin’ ny oron-kisoa Ny vehivavy tsara tarehy tsy manam-pahendrena. | As a jewel of gold in a swine’s snout, so is a fair woman which is without discretion. |
| 23 | Ny soa ihany no irin’ ny marina; Fa fahatezerana no fanantenan’ ny ratsy fanahy. | The desire of the righteous is only good: but the expectation of the wicked is wrath. |
| 24 | Misy mahafoy, nefa mitombo fananana ihany; Ary misy fatra-pahihitra loatra, nefa tonga malahelo ihany. | There is that scattereth, and yet increaseth; and there is that withholdeth more than is meet, but it tendeth to poverty. |
| 25 | Izay manisy soa olona hohatavezina; Ary izay mandena dia mba holemana kosa. | The liberal soul shall be made fat: and he that watereth shall be watered also himself. |
| 26 | Izay tsy mamoaka ny variny dia ozonin’ ny olona; Fa saotra no ho amin’ ny lohan’ izay mivarotra. | He that withholdeth corn, the people shall curse him: but blessing shall be upon the head of him that selleth it. |
| 27 | Izay fatra-pikatsaka ny tsara no mitady ny mahafinaritra; Fa izay mitady ny ratsy dia hiharan’ izany. | He that diligently seeketh good procureth favour: but he that seeketh mischief, it shall come unto him. |
| 28 | Izay matoky ny hareny dia ho lavo; Fa ny marina ho tahaka ny ravina maitso. | He that trusteth in his riches shall fall: but the righteous shall flourish as a branch. |
| 29 | Izay mampidi-doza amin’ ny ankohonany dia mandova ny rivotra; Ary ny adala dia tonga mpanompon’ ny hendry. | He that troubleth his own house shall inherit the wind: and the fool shall be servant to the wise of heart. |
| 30 | Ny vokatry ny marina dia hazon’ aina, Ary ny hendry dia mahataona olona. | The fruit of the righteous is a tree of life; and he that winneth souls is wise. |
| 31 | Indro, ny marina aza dia valiana etỳ an-tany, Koa mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota! | Behold, the righteous shall be recompensed in the earth: much more the wicked and the sinner. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL