잠언 10장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 32절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ohabolan’ i Solomona. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny. | The proverbs of Solomon. A wise son maketh a glad father: but a foolish son is the heaviness of his mother. |
| 2 | Ny harena azo amin’ ny tsy marina dia tsy mahasoa na inona na inona; Fa ny fahamarinana no mamonjy amin’ ny fahafatesana. | Treasures of wickedness profit nothing: but righteousness delivereth from death. |
| 3 | Tsy avelan’ i Jehovah ho mosarena ny fanahin’ ny marina; Fa foanany ny fanirian’ ny ratsy fanahy. | The Lord will not suffer the soul of the righteous to famish: but he casteth away the substance of the wicked. |
| 4 | Ho tonga malahelo ny miraviravy tanana amin’ ny asany; Fa mampanan-karena ny tanan’ ny mazoto. | He becometh poor that dealeth with a slack hand: but the hand of the diligent maketh rich. |
| 5 | Izay manangona amin’ ny fararano no zanaka hendry; Fa izay sondrian-tory amin’ ny taom-pijinjana no zanaka mampahamenatra. | He that gathereth in summer is a wise son: but he that sleepeth in harvest is a son that causeth shame. |
| 6 | Fitahiana no ho ao amin’ ny lohan’ ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan’ ny ratsy fanahy. | Blessings are upon the head of the just: but violence covereth the mouth of the wicked. |
| 7 | Hankasitrahana ny fahatsiarovana ny marina; Fa ho lò ny anaran’ ny ratsy fanahy. | The memory of the just is blessed: but the name of the wicked shall rot. |
| 8 | Izay hendry am-po no handray ny didy; Fa ho lavo ny adala maro vava. | The wise in heart will receive commandments: but a prating fool shall fall. |
| 9 | Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha matoky; Fa izay maniasia amin’ ny alehany dia fantatra. | He that walketh uprightly walketh surely: but he that perverteth his ways shall be known. |
| 10 | Izay mami-maso manome alahelo; Fa ho lavo ny adala maro vava. | He that winketh with the eye causeth sorrow: but a prating fool shall fall. |
| 11 | Loharanon’ aina ny vavan’ ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan’ ny ratsy fanahy. | The mouth of a righteous man is a well of life: but violence covereth the mouth of the wicked. |
| 12 | Ny fankahalana dia manetsika ady; Fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra. | Hatred stirreth up strifes: but love covereth all sins. |
| 13 | Amin’ ny molotry ny manan-tsaina no ahitam-pahendrena; Fa tsorakazo no ho amin’ ny lamosin’ ny tsy ampy saina. | In the lips of him that hath understanding wisdom is found: but a rod is for the back of him that is void of understanding. |
| 14 | Ny hendry mirakitra fahalalana; Fa ny vavan’ ny adala eo akaikin’ ny fandringanana. | Wise men lay up knowledge: but the mouth of the foolish is near destruction. |
| 15 | Ny haren’ ny manan-karena no vohiny mafy; Fa ny tsi-fananan’ ny ory no fandringanana azy. | The rich man’s wealth is his strong city: the destruction of the poor is their poverty. |
| 16 | Ho fiainana ny asan’ ny marina; Fa ho ota ny fitomboan’ ny haren’ ny ratsy fanahy. | The labour of the righteous tendeth to life: the fruit of the wicked to sin. |
| 17 | Izay mino anatra dia ho tonga eo amin’ ny lalan’ ny fiainana; Fa mivily izay mandà anatra. | He is in the way of life that keepeth instruction: but he that refuseth reproof erreth. |
| 18 | Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga, Ary izay mampiely endrikendrika dia adala. | He that hideth hatred with lying lips, and he that uttereth a slander, is a fool. |
| 19 | Ny teny maro tsy ilaozan’ izay ota; Fa izay mahatana ny molony no hendry. | In the multitude of words there wanteth not sin: but he that refraineth his lips is wise. |
| 20 | Volafotsy voafantina ny lelan’ ny marina; Fa ny fon’ ny ratsy fanahy tsy misy vidiny. | The tongue of the just is as choice silver: the heart of the wicked is little worth. |
| 21 | Ny molotry ny marina mamelona ny maro; Fa maty ny adala noho ny tsi-fananany fahalalana. | The lips of the righteous feed many: but fools die for want of wisdom. |
| 22 | Ny fitahian’ i Jehovah no mampanan-karena, Ary tsy azon’ ny fisasarana ampiana izany. | The blessing of the Lord, it maketh rich, and he addeth no sorrow with it. |
| 23 | Toa laolaon’ ny adala ny fanaovan-dratsy Fa raha ny manan-tsaina, dia fahendrena kosa. | It is as sport to a fool to do mischief: but a man of understanding hath wisdom. |
| 24 | Ny tahotry ny ratsy fanahy hihatra aminy; Fa ny irin’ ny marina no homena azy. | The fear of the wicked, it shall come upon him: but the desire of the righteous shall be granted. |
| 25 | Rehefa mipaoka ny tafio-drivotra, dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy; Fa ny marina voaorina ho mandrakizay. | As the whirlwind passeth, so is the wicked no more: but the righteous is an everlasting foundation. |
| 26 | Toy ny vinaingitra amin’ ny nify sy ny setroka amin’ ny maso. Dia mba toy izany koa ny malaina amin’ izay maniraka azy. | As vinegar to the teeth, and as smoke to the eyes, so is the sluggard to them that send him. |
| 27 | Ny fahatahorana an’ i Jehovah no mahela velona; Fa ny taonan’ ny ratsy fanahy hohafohezina. | The fear of the Lord prolongeth days: but the years of the wicked shall be shortened. |
| 28 | Ny fanantenan’ ny marina dia fifaliana; Fa ny fanantenan’ ny ratsy fanahy ho foana. | The hope of the righteous shall be gladness: but the expectation of the wicked shall perish. |
| 29 | Ny lalan’ i Jehovah dia fiarovana mafy ho an’ izay tsy misy tsiny, Fa fandringanana kosa ho an’ ny mpanao ratsy. | The way of the Lord is strength to the upright: but destruction shall be to the workers of iniquity. |
| 30 | Ny marina tsy hangozohozo mandrakizay; Fa ny ratsy fanahy tsy honina amin’ ny tany. | The righteous shall never be removed: but the wicked shall not inhabit the earth. |
| 31 | Eo amin’ ny vavan’ ny marina no itsimohan’ ny fahendrena; Fa ny lela fandainga hofongorana. | The mouth of the just bringeth forth wisdom: but the froward tongue shall be cut out. |
| 32 | Ny molotry ny marina mahalala izay ankasitrahana; Fa ny vavan’ ny ratsy fanahy dia feno fitaka. | The lips of the righteous know what is acceptable: but the mouth of the wicked speaketh frowardness. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL