욥기 40장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 32절
- 1 Ary Jehovah mbola namaly an’ i Joba nanao hoe:
- 2 Hiady amin’ ny Tsitoha va io mpanadidy Azy io? Aoka ny mananatra an’ Andriamanitra no hamaly!
- 3 Ary Joba dia namaly an’ i Jehovah ka nanao hoe:
- 4 Indro, tsinontsinona, aho ka inona no azoko avaly Anao? Hitampim-bava aho izao.
- 5 Efa niteny indray mandeha aho, ka tsy hamaly intsony; Eny, indroa aza, fa tsy hanampy teny intsony aho.
- 6 Dia namaly an’ i Joba teo amin’ ny tafio-drivotra Jehovah ka nanao hoe:
- 7 Misikìna tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka ampahafantaro Aho:
- 8 Hanaisotra ny rariny amiko va ianao? Hanameloka Ahy va ianao, mba hanamarina ny tenanao kosa?
- 9 Manan-tsandry tahaka ny an’ Andriamanitra va ianao? Ary mahay mampikotrokotro-peo tahaka ny Azy va ianao?
- 10 Miravaha fahalehibiazana sy tabiha ianao, ary mitafia famirapiratana sy voninahitra;
- 11 Alefaso ny fahatezeranao mirehitra; Ary jereo ny avonavona rehetra, ka ampietreo.
- 12 Eny, jereo ny avonavona rehetra, ka aongàny; Ary apotrahy eo amin’ ny fitoerany ihany ny ratsy fanahy.
- 13 Asitriho ao amin’ ny vovoka avokoa izy rehetra; Sarony ao amin’ ny fiafenana ny tavany.
- 14 Fa Izaho kosa dia hidera anao, Satria mahavonjy anao ny tananao ankavanana.
- 15 He! jereo ange ny behemota, izay nataoko tahaka ny nanaovako anao ihany: Mihinana ahitra tahaka ny omby izy.
- 16 Indro, eo amin’ ny valahany ny heriny, ary eo amin’ ny ozatra amin’ ny kibony ny tanjany.
- 17 Henjaniny ny rambony ho tahaka ny hazo sedera; Mifaniditriditra ny ozatra amin’ ny feny
- 18 Ny taolany dia tahaka ny fantsom-barahina, eny, tahaka ny anja-by ny taolany.
- 19 Voalohany amin’ ny asan’ Andriamanitra izy; Ny Mpanao azy no nanome sabatra azy.
- 20 Mamoaka hanina ho azy ny tendrombohitra, izay ilalaovan’ ny bibi-dia rehetra;
- 21 Eo ambanin’ ny hazo lota no andriany, any am-pierena anaty zozoro sy fotaka.
- 22 Manalokaloka azy ny hazo lota; Ary ny hazomalahelo eny amoron’ ny ony no manodidina azy
- 23 Indro, na dia maria aza ny ony, tsy manahy izy; Matoky izy, na dia misy Jordana migorodana amin’ ny vavany aza.
- 24 Moa misy mahasambotra azy va, raha mihiratra ny masony? Raha azon’ ny fandrika izy, misy mahatsindrona ny orony va?
- 25 Mahasarika ny mamba amin’ ny farango va ianao, na mahafatotra ny lelany amin’ ny mahazaka?
- 26 Mahisy tady zozoro amin’ ny orony va ianao, na mahaboroaka ny valanoranony amin’ ny fintana?
- 27 Hifon-jato amin’ arivo aminao va izy, na hanao teny malefaka aminao?
- 28 Hanao fanekena aminao va izy? Azonao alaina ho andevonao mandrakizay va izy?
- 29 Hilalao azy tahaka ny filalao voron-kely va ianao? Ary hamatotra azy ho an’ ny zazavavy ao aminao va ianao?
- 30 Hataon’ ny mpaka hazandrano varotra va izy, ka hotsinjarainy amin’ ny mpandranto?
- 31 Mahafeno lefom-pohy ny hodiny va ianao, na firombaka amin’ ny lohany?
- 32 Atehefo aminy ange ny tananao; Raha tsaroanao ny ady, dia tsy hanindroa intsony ianao.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗