욥기 41장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 26절
- 1 Indro, foana ny fihendrena azy; Tsy mahakivy va na dia ny fijery azy aza?
- 2 Tsy misy sahy manao vi-very hanaitra azy; Koa iza kosa no mahajanona eo anatrehako?
- 3 Iza no nanome Ahy aloha mba hamaliako azy? Ny eny ambanin’ ny lanitra rehetra dia Ahy avokoa.
- 4 Tsy mbola hangina Aho ny amin’ ny momba ny tenany sy ny heriny ary ny fahatsaran’ ny endriny.
- 5 Iza no mahasonga ny fitafiany anoloany? Na iza no sahy hiditra ao amin’ ny nifiny roa sosona?
- 6 Iza no mahasokatra ny varavaran’ ny tavany? Mahatsiravina ny nifiny manodidina!
- 7 Reharehany ny faharaoraon’ ny kirany, mihidy avokoa toy ny voapetaka mafy amin’ ny tombo-kase ireo;
- 8 Mikirindro ireo, ka tsy azon’ ny rivotra idirana eo anelanelany.
- 9 Mifanindry lany ireo sady mifaniditra ka tsy azo sarahina,
- 10 Ny fieviny dia mampamirapiratra fahazavana, ary ny masony dia tahaka ny hodimason’ ny maraina.
- 11 Lelafo no mivoaka avy amin’ ny vavany; Kilalaon’ afo no mipariaka avy aminy.
- 12 Ny vavorony dia ivoahan’ ny setroka, tahaka ny avy amin’ ny vilany mangotraka, na amin’ ny fahandroana.
- 13 Ny fofonainy mampirehitra arina, ary misy lelafo mivoaka avy amin’ ny vavany.
- 14 Ny vozony no itoeran’ ny hery; Ary mibitaka eo alohany ny fampahatahorana.
- 15 Mivalombalona ny hotraka amin’ ny tenany; Mafy ireny ka tsy azo endahana.
- 16 Mafy tahaka ny vato ny fony; Eny, mafy tahaka ny vato fikosoham-bary.
- 17 Raha mitsangana izy, dia raiki-tahotra ny mahery; Eny, toran-kovitra ireo ka tsy mahavoa.
- 18 Raha misy mamely azy amin’ ny sabatra dia tsy mahalaitra, na amin’ ny lefom-pohy, na ny firombaka, na ny zana-tsipìka.
- 19 Ataony toy ny mololo ny vy, ary toy ny hazo momoka ny varahina.
- 20 Tsy mampandositra azy ny zana-tsipìka; Ataony ho toy ny vodivary ny vaton’ antsamotady.
- 21 Ataony ho toy ny vodivary koa ny langilangy; Ihomehezany ny fanetsehana ny lefona.
- 22 Ny takibany dia tahaka ny tavim-bilany maranitra; Mamelatra fivelezam-bary maranitra eo amin’ ny fotaka izy.
- 23 Mampandevy ny lalina ho tahaka ny ao am-bilany izy; Manao ny ranomasina ho tahaka ny vilany misy menaka manitra izy.
- 24 Mampahazava ny lalany eo aoriany izy. Ataon’ ny olona ho toy ny volo fotsy ny lalina.
- 25 Tsy misy tahaka azy eny ambonin’ ny tany, izay voaforona tsy hahalala tahotra.
- 26 Ny avo rehetra jereny avokoa; Mpanjakan’ ny bibi-dia rehetra izy
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗