욥기 39장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 30절
- 1 Fantatrao va ny fotoana fiterahan’ ny osi-dia any amin’ ny harambato? Voahevitrao va ny fiterahan’ ny dieravavy?
- 2 Mahisa ny andro ahatanterahany va ianao? Ary fantatrao va ny fotoana fiterahany?
- 3 Miondrika izy ka teraka, sady alefany ny faharariany.
- 4 Donga ny zanany, mihalehibe any an-efitra ireny; Mivoaka izy ka tsy mety miverina intsony.
- 5 Iza moa no nandefa ny boriki-dia ho karenjy? Ary iza no namaha ny fatoran’ ny boriki-dia,
- 6 Izay nomeko ny tani’ hay ho fitoerany ary ny tanin-tsira ho fonenany?
- 7 Ihomehezany ny fitabatabana ao an-tanàna; Tsy ahoany akory ny fiantsoantson’ ny mpampandeha;
- 8 Any an-tendrombohitra rehetra any no fihinanany, ary mitady ny zava-maitso rehetra izy.
- 9 Mba mety manompo anao va ny ombimanga na handry ao am-pahitrao amin’ ny alina?
- 10 Mahafatotra ny ombimanga amin’ ny mahazaka ho ao am-bavasanao va ianao? Na mety manaraka anao handravona bainga any an-dohasaha va izy?
- 11 Azonao itokiana va izy satria lehibe ny heriny? Ary havelanao hataony va ny asanao?
- 12 Azonao itokiana hitondra ny varinao mody va izy sy hanangona izany ho eo am-pamoloanao?
- 13 Mikopakopaka noho ny fifaliana ny elatry ny ostritsa; Nefa mahalemy fanahy azy va ny elany sy ny volony?
- 14 Tsia, fa mandao ny atodiny ao amin’ ny tany izy ka mamela azy ho afanain’ ny vovoka,
- 15 Ary tsy ahiny izay ho voaporitry ny tongotra ireo. Na ho voahitsaky ny bibi-dia.
- 16 Tsy tia ny zanany izy fa ataony hoatra ny tsy azy ireny; Efa very foana izay nisasarany, nefa tsy ahoany akory izany;
- 17 Fa efa nampanadinoin’ Andriamanitra ny fahendrena izy, ary Tsy nomeny anjara fahalalana.
- 18 Raha mikopakopak’ elatra toa hanidina izy, dia ihomehezany ny soavaly sy ny mpitaingina azy.
- 19 Moa manome hery ny soavaly va ianao, na manarona vombo mihofahofa ny vozony?
- 20 Mahay mampitsipika azy tahaka ny valala va ianao? Mahatsiravina ny hamafin’ ny fiefonefony!
- 21 Mihehy ao amin’ ny lohasaha izy ka mifalifaly noho ny heriny; Mandroso hanetra ny ady izy.
- 22 Mihomehy ny tahotra izy, fa tsy mety mivadi-po. Ary tsy mianotra amin’ ny sabatra.
- 23 Mifioka eny amboniny ny zana-tsipìka sy ny lefona manelatselatra ary ny lefom-pohy.
- 24 Miriotra mafy amin’ ny fahavinirana sy ny fahatezerana izy ka tsy mety mijanona intsony, rehefa maneno ny anjomara.
- 25 Na oviana na oviana no anenoan’ ny anjomara dia mihiaka izy. Ary manimbolo ny ady izy, raha mbola lavitra, dia ny akoralava sy ny fitabataban’ ny manamboninahitra.
- 26 Ny fahendrenao va no mampanidina ny hitsikitsika sy mampamelatra ny elany hianatsimo?
- 27 Noho ny didinao va no iakaran’ ny voromahery sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy?
- 28 Eny amin’ ny harambato no itoerany sy anaovany ny akaniny, dia eo an-tampon’ ny harambato sy ao amin’ ny fiarovana.
- 29 Any no itazanany remby; Mahatsinjo lavitra ny masony.
- 30 Mitsentsitra rà ny zanany, ary izay itoeran’ ny faty dia any izy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗