욥기 40장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 32절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary Jehovah mbola namaly an’ i Joba nanao hoe: | Moreover the Lord answered Job, and said, |
| 2 | Hiady amin’ ny Tsitoha va io mpanadidy Azy io? Aoka ny mananatra an’ Andriamanitra no hamaly! | Shall he that contendeth with the Almighty instruct him? he that reproveth God, let him answer it. |
| 3 | Ary Joba dia namaly an’ i Jehovah ka nanao hoe: | Then Job answered the Lord, and said, |
| 4 | Indro, tsinontsinona, aho ka inona no azoko avaly Anao? Hitampim-bava aho izao. | Behold, I am vile; what shall I answer thee? I will lay mine hand upon my mouth. |
| 5 | Efa niteny indray mandeha aho, ka tsy hamaly intsony; Eny, indroa aza, fa tsy hanampy teny intsony aho. | Once have I spoken; but I will not answer: yea, twice; but I will proceed no further. |
| 6 | Dia namaly an’ i Joba teo amin’ ny tafio-drivotra Jehovah ka nanao hoe: | Then answered the Lord unto Job out of the whirlwind, and said, |
| 7 | Misikìna tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka ampahafantaro Aho: | Gird up thy loins now like a man: I will demand of thee, and declare thou unto me. |
| 8 | Hanaisotra ny rariny amiko va ianao? Hanameloka Ahy va ianao, mba hanamarina ny tenanao kosa? | Wilt thou also disannul my judgment? wilt thou condemn me, that thou mayest be righteous? |
| 9 | Manan-tsandry tahaka ny an’ Andriamanitra va ianao? Ary mahay mampikotrokotro-peo tahaka ny Azy va ianao? | Hast thou an arm like God? or canst thou thunder with a voice like him? |
| 10 | Miravaha fahalehibiazana sy tabiha ianao, ary mitafia famirapiratana sy voninahitra; | Deck thyself now with majesty and excellency; and array thyself with glory and beauty. |
| 11 | Alefaso ny fahatezeranao mirehitra; Ary jereo ny avonavona rehetra, ka ampietreo. | Cast abroad the rage of thy wrath: and behold every one that is proud, and abase him. |
| 12 | Eny, jereo ny avonavona rehetra, ka aongàny; Ary apotrahy eo amin’ ny fitoerany ihany ny ratsy fanahy. | Look on every one that is proud, and bring him low; and tread down the wicked in their place. |
| 13 | Asitriho ao amin’ ny vovoka avokoa izy rehetra; Sarony ao amin’ ny fiafenana ny tavany. | Hide them in the dust together; and bind their faces in secret. |
| 14 | Fa Izaho kosa dia hidera anao, Satria mahavonjy anao ny tananao ankavanana. | Then will I also confess unto thee that thine own right hand can save thee. |
| 15 | He! jereo ange ny behemota, izay nataoko tahaka ny nanaovako anao ihany: Mihinana ahitra tahaka ny omby izy. | Behold now behemoth, which I made with thee; he eateth grass as an ox. |
| 16 | Indro, eo amin’ ny valahany ny heriny, ary eo amin’ ny ozatra amin’ ny kibony ny tanjany. | Lo now, his strength is in his loins, and his force is in the navel of his belly. |
| 17 | Henjaniny ny rambony ho tahaka ny hazo sedera; Mifaniditriditra ny ozatra amin’ ny feny | He moveth his tail like a cedar: the sinews of his stones are wrapped together. |
| 18 | Ny taolany dia tahaka ny fantsom-barahina, eny, tahaka ny anja-by ny taolany. | His bones are as strong pieces of brass; his bones are like bars of iron. |
| 19 | Voalohany amin’ ny asan’ Andriamanitra izy; Ny Mpanao azy no nanome sabatra azy. | He is the chief of the ways of God: he that made him can make his sword to approach unto him. |
| 20 | Mamoaka hanina ho azy ny tendrombohitra, izay ilalaovan’ ny bibi-dia rehetra; | Surely the mountains bring him forth food, where all the beasts of the field play. |
| 21 | Eo ambanin’ ny hazo lota no andriany, any am-pierena anaty zozoro sy fotaka. | He lieth under the shady trees, in the covert of the reed, and fens. |
| 22 | Manalokaloka azy ny hazo lota; Ary ny hazomalahelo eny amoron’ ny ony no manodidina azy | The shady trees cover him with their shadow; the willows of the brook compass him about. |
| 23 | Indro, na dia maria aza ny ony, tsy manahy izy; Matoky izy, na dia misy Jordana migorodana amin’ ny vavany aza. | Behold, he drinketh up a river, and hasteth not: he trusteth that he can draw up Jordan into his mouth. |
| 24 | Moa misy mahasambotra azy va, raha mihiratra ny masony? Raha azon’ ny fandrika izy, misy mahatsindrona ny orony va? | He taketh it with his eyes: his nose pierceth through snares. |
| 25 | Mahasarika ny mamba amin’ ny farango va ianao, na mahafatotra ny lelany amin’ ny mahazaka? | — |
| 26 | Mahisy tady zozoro amin’ ny orony va ianao, na mahaboroaka ny valanoranony amin’ ny fintana? | — |
| 27 | Hifon-jato amin’ arivo aminao va izy, na hanao teny malefaka aminao? | — |
| 28 | Hanao fanekena aminao va izy? Azonao alaina ho andevonao mandrakizay va izy? | — |
| 29 | Hilalao azy tahaka ny filalao voron-kely va ianao? Ary hamatotra azy ho an’ ny zazavavy ao aminao va ianao? | — |
| 30 | Hataon’ ny mpaka hazandrano varotra va izy, ka hotsinjarainy amin’ ny mpandranto? | — |
| 31 | Mahafeno lefom-pohy ny hodiny va ianao, na firombaka amin’ ny lohany? | — |
| 32 | Atehefo aminy ange ny tananao; Raha tsaroanao ny ady, dia tsy hanindroa intsony ianao. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL