욥기 38장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 41절
- 1 Ary teo anatin’ ny tafio-drivotra Jehovah dia namaly an’ i Joba ka nanao hoe:
- 2 Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin’ ny teny tsy misy fahalalana?
- 3 Misikìna ary tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka valio:
- 4 Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao.
- 5 Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy?
- 6 Teo amin’ inona no nanorenana ny vodi-andriny, ary iza no nametraka ny vato fehizorony,
- 7 Raha niara-nihira ny kintan’ ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’ Andriamanitra?
- 8 Ary iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina, raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka izy,
- 9 Raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho ary ny aizim-pito ho fonony,
- 10 Ary nandidy ny ho fetrany sady nanisy hidy sy varavarana
- 11 Ka nanao hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra, ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao?
- 12 Hatrizay niainanao moa mba efa nandidy ny maraina va ianao? Efa notoroanao ny fitoerany va ny fipoak’ andro,
- 13 Mba horaisiny ny sisin’ ny tany. Ka hakopakopany hiala ny ratsy fanahy?
- 14 Ary hiova tahaka ny tanimanga tombohin-kase ny endriny, ka hiseho tahaka ny lamba misoratra ny tarehiny,
- 15 Ary hosakanana ny fahazavan’ ny ratsy fanahy, ka ho tapaka ny sandry naingaina.
- 16 Moa efa niditra hatrany amin’ ny loharanon-dranomasina va ianao, ary efa nandehandeha tany amin’ ny fanambanin’ ny lalina?
- 17 Moa efa naharihary taminao va ny vavahadin’ ny fahafatesana? Ary efa hitanao va ny vavahadin’ ny aloky ny fahafatesana?
- 18 Moa efa voadinikao ny hatrany amin’ ny fahalalahan’ ny tany? Ambarao ary, raha fantatrao izany rehetra izany.
- 19 Aiza ary no lalana ho any amin’ ny fonenan’ ny mazava? Ary aiza no fitoeran’ ny maizina?
- 20 Mba hitondranao izany ho amin’ ny faran’ ny alehany, ary ho fantatrao ny lalana ho any an-tranony.
- 21 Eny, fantatrao mantsy izany, satria efa teraka ianao tamin’ izay, ary maro ny isan’ ny andronao!
- 22 Moa efa niditra tany amin’ ny firaketana ny oram-panala va ianao? Ary efa hitanao va ny firaketana ny havandra,
- 23 Izay voatahiriko ho amin’ ny andro fahoriana, dia ny andro misy ady sy tafika?
- 24 Aiza moa no lalana izarazarana ny mazava sy ielezan’ ny rivotra avy any atsinanana ho etỳ ambonin’ ny tany?
- 25 Iza moa no nihady lalan-drano ho an’ ny ranonorana mirotsaka be, sy lalan-kaleha ho an’ ny helatry ny kotrokorana,
- 26 Handatsaka ranonorana ambonin’ ny tany izay tsy itoeran’ olona, dia any amin’ ny efitra tsy misy mponina,
- 27 Mba hahavonto ny efitra sy ny tany foana, ary hampitsimoka ny ahitra vao mitsiry?
- 28 Manan-dray va ny ranonorana? Ary iza kosa no miteraka ny ranon’ ando?
- 29 Kibon’ iza moa no nihavian’ ny ranomandry? Ary ny vongam-panala avy amin’ ny lanitra, iza no niteraka azy?
- 30 Tonga mafy toy ny vato ny rano, Ary mitambatra ny fanambonin’ ny lalina.
- 31 Mahavona ny kofehin’ ny Ikotokelimiadilaona va ianao, ary mahavaha ny Telonohorefy?
- 32 Mahavoaka ny Mazarota amin’ ny fotoany va ianao? Ary mahatondra ny Bera mbamin’ ny zanany va ianao?
- 33 Fantatrao va ny lalàn’ ny lanitra? Ary manendry ny fanapahan’ ireny ny tany va ianao?
- 34 Mahasandratra ny feonao ho amin’ ny rahona matevina va ianao, Mba hanafotra anao ny rano mandriaka?
- 35 Mahay mandefa ny helatra va ianao, ka ho avy ireo hilaza aminao hoe: Indreto izahay?
- 36 Iza moa no nanao ny rahona matevina ho fitoeram-pahendrena, Ary irery miseho erỳ an-danitra ho fampisehoana ny fahalalana?
- 37 Iza moa no manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy manify? Ary iza no mahatankina ny fitoeran-dranon’ ny lanitra,
- 38 Hitambaran’ ny vovoka ho dilatra sy hivonganany ho bainga?
- 39 Mahay mihaza toha ho an’ ny liom-bavy va ianao, sy mahafaka ny fahalianan’ ny liona tanora,
- 40 Raha mamitsaka ao amin’ ny fitoerany izy ary manotrika ao amin’ ny kirihitrala?
- 41 Iza moa no manome hanina ny goaika, raha mitaraina amin’ Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina?
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗