욥기 39장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 30절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Fantatrao va ny fotoana fiterahan’ ny osi-dia any amin’ ny harambato? Voahevitrao va ny fiterahan’ ny dieravavy? | Knowest thou the time when the wild goats of the rock bring forth? or canst thou mark when the hinds do calve? |
| 2 | Mahisa ny andro ahatanterahany va ianao? Ary fantatrao va ny fotoana fiterahany? | Canst thou number the months that they fulfil? or knowest thou the time when they bring forth? |
| 3 | Miondrika izy ka teraka, sady alefany ny faharariany. | They bow themselves, they bring forth their young ones, they cast out their sorrows. |
| 4 | Donga ny zanany, mihalehibe any an-efitra ireny; Mivoaka izy ka tsy mety miverina intsony. | Their young ones are in good liking, they grow up with corn; they go forth, and return not unto them. |
| 5 | Iza moa no nandefa ny boriki-dia ho karenjy? Ary iza no namaha ny fatoran’ ny boriki-dia, | Who hath sent out the wild ass free? or who hath loosed the bands of the wild ass? |
| 6 | Izay nomeko ny tani’ hay ho fitoerany ary ny tanin-tsira ho fonenany? | Whose house I have made the wilderness, and the barren land his dwellings. |
| 7 | Ihomehezany ny fitabatabana ao an-tanàna; Tsy ahoany akory ny fiantsoantson’ ny mpampandeha; | He scorneth the multitude of the city, neither regardeth he the crying of the driver. |
| 8 | Any an-tendrombohitra rehetra any no fihinanany, ary mitady ny zava-maitso rehetra izy. | The range of the mountains is his pasture, and he searcheth after every green thing. |
| 9 | Mba mety manompo anao va ny ombimanga na handry ao am-pahitrao amin’ ny alina? | Will the unicorn be willing to serve thee, or abide by thy crib? |
| 10 | Mahafatotra ny ombimanga amin’ ny mahazaka ho ao am-bavasanao va ianao? Na mety manaraka anao handravona bainga any an-dohasaha va izy? | Canst thou bind the unicorn with his band in the furrow? or will he harrow the valleys after thee? |
| 11 | Azonao itokiana va izy satria lehibe ny heriny? Ary havelanao hataony va ny asanao? | Wilt thou trust him, because his strength is great? or wilt thou leave thy labour to him? |
| 12 | Azonao itokiana hitondra ny varinao mody va izy sy hanangona izany ho eo am-pamoloanao? | Wilt thou believe him, that he will bring home thy seed, and gather it into thy barn? |
| 13 | Mikopakopaka noho ny fifaliana ny elatry ny ostritsa; Nefa mahalemy fanahy azy va ny elany sy ny volony? | Gavest thou the goodly wings unto the peacocks? or wings and feathers unto the ostrich? |
| 14 | Tsia, fa mandao ny atodiny ao amin’ ny tany izy ka mamela azy ho afanain’ ny vovoka, | Which leaveth her eggs in the earth, and warmeth them in dust, |
| 15 | Ary tsy ahiny izay ho voaporitry ny tongotra ireo. Na ho voahitsaky ny bibi-dia. | And forgetteth that the foot may crush them, or that the wild beast may break them. |
| 16 | Tsy tia ny zanany izy fa ataony hoatra ny tsy azy ireny; Efa very foana izay nisasarany, nefa tsy ahoany akory izany; | She is hardened against her young ones, as though they were not hers: her labour is in vain without fear; |
| 17 | Fa efa nampanadinoin’ Andriamanitra ny fahendrena izy, ary Tsy nomeny anjara fahalalana. | Because God hath deprived her of wisdom, neither hath he imparted to her understanding. |
| 18 | Raha mikopakopak’ elatra toa hanidina izy, dia ihomehezany ny soavaly sy ny mpitaingina azy. | What time she lifteth up herself on high, she scorneth the horse and his rider. |
| 19 | Moa manome hery ny soavaly va ianao, na manarona vombo mihofahofa ny vozony? | Hast thou given the horse strength? hast thou clothed his neck with thunder? |
| 20 | Mahay mampitsipika azy tahaka ny valala va ianao? Mahatsiravina ny hamafin’ ny fiefonefony! | Canst thou make him afraid as a grasshopper? the glory of his nostrils is terrible. |
| 21 | Mihehy ao amin’ ny lohasaha izy ka mifalifaly noho ny heriny; Mandroso hanetra ny ady izy. | He paweth in the valley, and rejoiceth in his strength: he goeth on to meet the armed men. |
| 22 | Mihomehy ny tahotra izy, fa tsy mety mivadi-po. Ary tsy mianotra amin’ ny sabatra. | He mocketh at fear, and is not affrighted; neither turneth he back from the sword. |
| 23 | Mifioka eny amboniny ny zana-tsipìka sy ny lefona manelatselatra ary ny lefom-pohy. | The quiver rattleth against him, the glittering spear and the shield. |
| 24 | Miriotra mafy amin’ ny fahavinirana sy ny fahatezerana izy ka tsy mety mijanona intsony, rehefa maneno ny anjomara. | He swalloweth the ground with fierceness and rage: neither believeth he that it is the sound of the trumpet. |
| 25 | Na oviana na oviana no anenoan’ ny anjomara dia mihiaka izy. Ary manimbolo ny ady izy, raha mbola lavitra, dia ny akoralava sy ny fitabataban’ ny manamboninahitra. | He saith among the trumpets, Ha, ha; and he smelleth the battle afar off, the thunder of the captains, and the shouting. |
| 26 | Ny fahendrenao va no mampanidina ny hitsikitsika sy mampamelatra ny elany hianatsimo? | Doth the hawk fly by thy wisdom, and stretch her wings toward the south? |
| 27 | Noho ny didinao va no iakaran’ ny voromahery sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy? | Doth the eagle mount up at thy command, and make her nest on high? |
| 28 | Eny amin’ ny harambato no itoerany sy anaovany ny akaniny, dia eo an-tampon’ ny harambato sy ao amin’ ny fiarovana. | She dwelleth and abideth on the rock, upon the crag of the rock, and the strong place. |
| 29 | Any no itazanany remby; Mahatsinjo lavitra ny masony. | From thence she seeketh the prey, and her eyes behold afar off. |
| 30 | Mitsentsitra rà ny zanany, ary izay itoeran’ ny faty dia any izy. | Her young ones also suck up blood: and where the slain are, there is she. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL