욥기 37장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 24절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Eny, izany no mampitepotepo ny foko ka mampiemponempona azy hiala amin’ ny fitoerany. | At this also my heart trembleth, and is moved out of his place. |
| 2 | Mihainoa dia mihainoa ny fikotrokotroky ny feony sy ny rohona izay mivoaka avy amin’ ny vavany. | Hear attentively the noise of his voice, and the sound that goeth out of his mouth. |
| 3 | Mandefa izany ho eny ambanin’ ny lanitra rehetra Izy, ary ny helatra hatramin’ ny faran’ ny tany. | He directeth it under the whole heaven, and his lightning unto the ends of the earth. |
| 4 | Manarakaraka izany, dia misy feo mirohondrohona; Mampikotrokotroka ny feon’ ny fahalehibiazany Izy, ka rehefa re ny feony, dia tsy sakanany ny helatra. | After it a voice roareth: he thundereth with the voice of his excellency; and he will not stay them when his voice is heard. |
| 5 | Mahagaga ny fikotrokotrok’ Andriamanitra amin’ ny feony; Manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy. | God thundereth marvellously with his voice; great things doeth he, which we cannot comprehend. |
| 6 | Fa ny oram-panala baikoiny hoe: Milatsaha eny ambonin’ ny tany ianao; Ary toy izany koa ny ranonorana mivatravatra, eny, dia ny ranonorany mivatravatra mafy. | For he saith to the snow, Be thou on the earth; likewise to the small rain, and to the great rain of his strength. |
| 7 | Mampiohona ny tanan’ ny olona rehetra Izy, mba samy hahalala izany ny olona rehetra izay nataony; | He sealeth up the hand of every man; that all men may know his work. |
| 8 | Ary miditra ao am-piereny koa ny bibidia ka mamitsaka ao an-davany. | Then the beasts go into dens, and remain in their places. |
| 9 | Avy any atsimo ny tadio, ary entin’ ny rivotra avy any avaratra ny hatsiaka. | Out of the south cometh the whirlwind: and cold out of the north. |
| 10 | Ny fofonain’ Andriamanitra mahamisy ranomandry, ka voageja ny rano malalaka. | By the breath of God frost is given: and the breadth of the waters is straitened. |
| 11 | Ny rahona matevina tambesarany rano, ary ny rahon’ ny helatra dia ampieleziny; | Also by watering he wearieth the thick cloud: he scattereth his bright cloud: |
| 12 | Dia mihodinkodina araka ny fitarihany azy ireo hanatanteraka izay rehetra andidiany azy eny ambonin’ ny tany eran’ izao tontolo izao, | And it is turned round about by his counsels: that they may do whatsoever he commandeth them upon the face of the world in the earth. |
| 13 | Na alatsany ho famaizana raha tokony ho an’ ny taniny izany na ho famindram-po kosa. | He causeth it to come, whether for correction, or for his land, or for mercy. |
| 14 | Mihainoa izany, ry Joba; Mijanona, ka mba diniho ny fahagagana ataon’ Andriamanitra. | Hearken unto this, O Job: stand still, and consider the wondrous works of God. |
| 15 | Fantatrao va ny fanamboaran’ Andriamanitra ireny sy ny fampitselatselany ny helatry ny rahony? | Dost thou know when God disposed them, and caused the light of his cloud to shine? |
| 16 | Fantatrao va ny fihevahevan’ ny rahona matevina, dia ny fahagagana avon’ Ilay tanteraka amin’ ny fahalalana? | Dost thou know the balancings of the clouds, the wondrous works of him which is perfect in knowledge? |
| 17 | Hianao izay mahatsiaro ny fitafianao ho mafana, raha migaingaina ny andro azon’ ny rivotra avy any atsimo, | How thy garments are warm, when he quieteth the earth by the south wind? |
| 18 | Moa ianao niara-nanao taminy va, raha namelatra ny habakabaka Izy, izay mitoetra mafy toy ny zavatra manganohano natao an-idina? | Hast thou with him spread out the sky, which is strong, and as a molten looking glass? |
| 19 | Mba ampianaro anay ary izay holazainay aminy; Fa tsy hitanay izay halahatray noho ny aizina, | Teach us what we shall say unto him; for we cannot order our speech by reason of darkness. |
| 20 | Holazaina aminy va, raha miteny aho? Moa misy olona maniry ho levona tokoa va? | Shall it be told him that I speak? if a man speak, surely he shall be swallowed up. |
| 21 | Tsy hita ankehitriny ny mazava, Izay mamirapiratra any amin’ ny rahona: Nefa raha mandalo ny rivotra, dia mampisava azy ihany izany. | And now men see not the bright light which is in the clouds: but the wind passeth, and cleanseth them. |
| 22 | Avy any avaratra no ihavian’ ny mazava mitarehim-bolamena; Ao amin’ Andriamanitra ny voninahitra mahatahotra. | Fair weather cometh out of the north: with God is terrible majesty. |
| 23 | Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin’ ny hery sy ny fitsarana mbamin’ ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory. | Touching the Almighty, we cannot find him out: he is excellent in power, and in judgment, and in plenty of justice: he will not afflict. |
| 24 | Koa izany no atahoran’ ny olona Azy; Tsy mety mijery izay manao azy ho hendry Izy. | Men do therefore fear him: he respecteth not any that are wise of heart. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL