욥기 38장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 41절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary teo anatin’ ny tafio-drivotra Jehovah dia namaly an’ i Joba ka nanao hoe: | Then the Lord answered Job out of the whirlwind, and said, |
| 2 | Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin’ ny teny tsy misy fahalalana? | Who is this that darkeneth counsel by words without knowledge? |
| 3 | Misikìna ary tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka valio: | Gird up now thy loins like a man; for I will demand of thee, and answer thou me. |
| 4 | Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao. | Where wast thou when I laid the foundations of the earth? declare, if thou hast understanding. |
| 5 | Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy? | Who hath laid the measures thereof, if thou knowest? or who hath stretched the line upon it? |
| 6 | Teo amin’ inona no nanorenana ny vodi-andriny, ary iza no nametraka ny vato fehizorony, | Whereupon are the foundations thereof fastened? or who laid the corner stone thereof; |
| 7 | Raha niara-nihira ny kintan’ ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’ Andriamanitra? | When the morning stars sang together, and all the sons of God shouted for joy? |
| 8 | Ary iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina, raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka izy, | Or who shut up the sea with doors, when it brake forth, as if it had issued out of the womb? |
| 9 | Raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho ary ny aizim-pito ho fonony, | When I made the cloud the garment thereof, and thick darkness a swaddlingband for it, |
| 10 | Ary nandidy ny ho fetrany sady nanisy hidy sy varavarana | And brake up for it my decreed place, and set bars and doors, |
| 11 | Ka nanao hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra, ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao? | And said, Hitherto shalt thou come, but no further: and here shall thy proud waves be stayed? |
| 12 | Hatrizay niainanao moa mba efa nandidy ny maraina va ianao? Efa notoroanao ny fitoerany va ny fipoak’ andro, | Hast thou commanded the morning since thy days; and caused the dayspring to know his place; |
| 13 | Mba horaisiny ny sisin’ ny tany. Ka hakopakopany hiala ny ratsy fanahy? | That it might take hold of the ends of the earth, that the wicked might be shaken out of it? |
| 14 | Ary hiova tahaka ny tanimanga tombohin-kase ny endriny, ka hiseho tahaka ny lamba misoratra ny tarehiny, | It is turned as clay to the seal; and they stand as a garment. |
| 15 | Ary hosakanana ny fahazavan’ ny ratsy fanahy, ka ho tapaka ny sandry naingaina. | And from the wicked their light is withholden, and the high arm shall be broken. |
| 16 | Moa efa niditra hatrany amin’ ny loharanon-dranomasina va ianao, ary efa nandehandeha tany amin’ ny fanambanin’ ny lalina? | Hast thou entered into the springs of the sea? or hast thou walked in the search of the depth? |
| 17 | Moa efa naharihary taminao va ny vavahadin’ ny fahafatesana? Ary efa hitanao va ny vavahadin’ ny aloky ny fahafatesana? | Have the gates of death been opened unto thee? or hast thou seen the doors of the shadow of death? |
| 18 | Moa efa voadinikao ny hatrany amin’ ny fahalalahan’ ny tany? Ambarao ary, raha fantatrao izany rehetra izany. | Hast thou perceived the breadth of the earth? declare if thou knowest it all. |
| 19 | Aiza ary no lalana ho any amin’ ny fonenan’ ny mazava? Ary aiza no fitoeran’ ny maizina? | Where is the way where light dwelleth? and as for darkness, where is the place thereof, |
| 20 | Mba hitondranao izany ho amin’ ny faran’ ny alehany, ary ho fantatrao ny lalana ho any an-tranony. | That thou shouldest take it to the bound thereof, and that thou shouldest know the paths to the house thereof? |
| 21 | Eny, fantatrao mantsy izany, satria efa teraka ianao tamin’ izay, ary maro ny isan’ ny andronao! | Knowest thou it, because thou wast then born? or because the number of thy days is great? |
| 22 | Moa efa niditra tany amin’ ny firaketana ny oram-panala va ianao? Ary efa hitanao va ny firaketana ny havandra, | Hast thou entered into the treasures of the snow? or hast thou seen the treasures of the hail, |
| 23 | Izay voatahiriko ho amin’ ny andro fahoriana, dia ny andro misy ady sy tafika? | Which I have reserved against the time of trouble, against the day of battle and war? |
| 24 | Aiza moa no lalana izarazarana ny mazava sy ielezan’ ny rivotra avy any atsinanana ho etỳ ambonin’ ny tany? | By what way is the light parted, which scattereth the east wind upon the earth? |
| 25 | Iza moa no nihady lalan-drano ho an’ ny ranonorana mirotsaka be, sy lalan-kaleha ho an’ ny helatry ny kotrokorana, | Who hath divided a watercourse for the overflowing of waters, or a way for the lightning of thunder; |
| 26 | Handatsaka ranonorana ambonin’ ny tany izay tsy itoeran’ olona, dia any amin’ ny efitra tsy misy mponina, | To cause it to rain on the earth, where no man is; on the wilderness, wherein there is no man; |
| 27 | Mba hahavonto ny efitra sy ny tany foana, ary hampitsimoka ny ahitra vao mitsiry? | To satisfy the desolate and waste ground; and to cause the bud of the tender herb to spring forth? |
| 28 | Manan-dray va ny ranonorana? Ary iza kosa no miteraka ny ranon’ ando? | Hath the rain a father? or who hath begotten the drops of dew? |
| 29 | Kibon’ iza moa no nihavian’ ny ranomandry? Ary ny vongam-panala avy amin’ ny lanitra, iza no niteraka azy? | Out of whose womb came the ice? and the hoary frost of heaven, who hath gendered it? |
| 30 | Tonga mafy toy ny vato ny rano, Ary mitambatra ny fanambonin’ ny lalina. | The waters are hid as with a stone, and the face of the deep is frozen. |
| 31 | Mahavona ny kofehin’ ny Ikotokelimiadilaona va ianao, ary mahavaha ny Telonohorefy? | Canst thou bind the sweet influences of Pleiades, or loose the bands of Orion? |
| 32 | Mahavoaka ny Mazarota amin’ ny fotoany va ianao? Ary mahatondra ny Bera mbamin’ ny zanany va ianao? | Canst thou bring forth Mazzaroth in his season? or canst thou guide Arcturus with his sons? |
| 33 | Fantatrao va ny lalàn’ ny lanitra? Ary manendry ny fanapahan’ ireny ny tany va ianao? | Knowest thou the ordinances of heaven? canst thou set the dominion thereof in the earth? |
| 34 | Mahasandratra ny feonao ho amin’ ny rahona matevina va ianao, Mba hanafotra anao ny rano mandriaka? | Canst thou lift up thy voice to the clouds, that abundance of waters may cover thee? |
| 35 | Mahay mandefa ny helatra va ianao, ka ho avy ireo hilaza aminao hoe: Indreto izahay? | Canst thou send lightnings, that they may go, and say unto thee, Here we are? |
| 36 | Iza moa no nanao ny rahona matevina ho fitoeram-pahendrena, Ary irery miseho erỳ an-danitra ho fampisehoana ny fahalalana? | Who hath put wisdom in the inward parts? or who hath given understanding to the heart? |
| 37 | Iza moa no manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy manify? Ary iza no mahatankina ny fitoeran-dranon’ ny lanitra, | Who can number the clouds in wisdom? or who can stay the bottles of heaven, |
| 38 | Hitambaran’ ny vovoka ho dilatra sy hivonganany ho bainga? | When the dust groweth into hardness, and the clods cleave fast together? |
| 39 | Mahay mihaza toha ho an’ ny liom-bavy va ianao, sy mahafaka ny fahalianan’ ny liona tanora, | Wilt thou hunt the prey for the lion? or fill the appetite of the young lions, |
| 40 | Raha mamitsaka ao amin’ ny fitoerany izy ary manotrika ao amin’ ny kirihitrala? | When they couch in their dens, and abide in the covert to lie in wait? |
| 41 | Iza moa no manome hanina ny goaika, raha mitaraina amin’ Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina? | Who provideth for the raven his food? when his young ones cry unto God, they wander for lack of meat. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL