욥기 36장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 33절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary mbola nandroso niteny ihany Eliho ka nanao hoe: | Elihu also proceeded, and said, |
| 2 | Mahareta kely amiko, dia hambarako aminao, fa mbola misy teny holazaina hanamarina an’ Andriamanitra. | Suffer me a little, and I will shew thee that I have yet to speak on God’s behalf. |
| 3 | Halaiko avy lavitra ny fahalalako, ka hanamarina ny Mpanao ahy aho. | I will fetch my knowledge from afar, and will ascribe righteousness to my Maker. |
| 4 | Fa tsy lainga tsy akory ny teniko; Lehilahy tanteraka amin’ ny fahalalana no eto aminao. | For truly my words shall not be false: he that is perfect in knowledge is with thee. |
| 5 | Indro, lehibe Andriamanitra, kanefa tsy mba mamingavinga, lehibe amin’ ny herin’ ny fahalalana Izy. | Behold, God is mighty, and despiseth not any: he is mighty in strength and wisdom. |
| 6 | Tsy mitsimbina ny ain’ ny ratsy fanahy Izy, fa manome rariny ho an’ ny ory. | He preserveth not the life of the wicked: but giveth right to the poor. |
| 7 | Tsy mampiala ny masony amin’ ny marina Izy; Eo amin’ ny mpanjaka ambonin’ ny seza fiandrianany no am-pitoerany azy ho mandrakizay, ka dia tafasandratra. | He withdraweth not his eyes from the righteous: but with kings are they on the throne; yea, he doth establish them for ever, and they are exalted. |
| 8 | Ary raha voafatotra amin’ ny gadra izy sy voafehy amin’ ny tadin’ ny fahoriana. | And if they be bound in fetters, and be holden in cords of affliction; |
| 9 | Dia ambarany azy ny asany sy ny fahotany, fa efa nanandra-tena izy ireny. | Then he sheweth them their work, and their transgressions that they have exceeded. |
| 10 | Dia manokatra ny sofiny hihaino fananarana Izy ka mandidy azy hibebaka hiala amin’ ny ratsy. | He openeth also their ear to discipline, and commandeth that they return from iniquity. |
| 11 | Raha mihaino ka manaiky Azy Izy, dia lany amin’ ny fiadanana ny androny, ary ny taonany amin’ ny fahafinaretana | If they obey and serve him, they shall spend their days in prosperity, and their years in pleasures. |
| 12 | Fa raha tsy mihaino kosa izy, dia ho voan’ ny fiadiana ka ho faty tsy amim-pahalalana. | But if they obey not, they shall perish by the sword, and they shall die without knowledge. |
| 13 | Fa ny mpihatsaravelatsihy dia mirakitra fahatezerana; Tsy mitaraina izy, na dia afatony aza; | But the hypocrites in heart heap up wrath: they cry not when he bindeth them. |
| 14 | Ka dia maty raha mbola tanora izy, eny, afaka ny ainy eo amin’ ny olom-betaveta, | They die in youth, and their life is among the unclean. |
| 15 | Fa ny fahorian’ ny ory kosa no entin’ Andriamanitra mamonjy azy, Ary ny manjo azy no entiny manokatra ny sofiny. | He delivereth the poor in his affliction, and openeth their ears in oppression. |
| 16 | Ary na dia ianao aza dia ampialainy amin’ ny fahaterena ho amin’ ny malalaka izay tsy misy mahatery; Ary ny matavy indrindra no aroso ho eo ambonin’ ny latabatrao. | Even so would he have removed thee out of the strait into a broad place, where there is no straitness; and that which should be set on thy table should be full of fatness. |
| 17 | Nefa raha fatra-pikikitra amin’ ny adin’ ny ratsy fanahy ianao, dia hihazona anao ny ady sy ny fanamelohana; | But thou hast fulfilled the judgment of the wicked: judgment and justice take hold on thee. |
| 18 | Aoka tsy hamporisika anao hiteny ratsy ny fahatezerana, ary aoka tsy hampivily hevitra anao ny halehiben’ ny avotra. | Because there is wrath, beware lest he take thee away with his stroke: then a great ransom cannot deliver thee. |
| 19 | Moa hahatonga anao ho ao amin’ izay tsy misy fahoriana va ny fitarainanao na izay rehetra tratry ny fahatanjahana? | Will he esteem thy riches? no, not gold, nor all the forces of strength. |
| 20 | Aza irinao ny hihavian’ ny alina, izay ampialana ny olona amin’ ny fitoerany. | Desire not the night, when people are cut off in their place. |
| 21 | Tandremo, aza mivily ho amin’ ny ratsy; Fa saingy ozoim-pahoriana ianao, dia mifidy izany. | Take heed, regard not iniquity: for this hast thou chosen rather than affliction. |
| 22 | Indro, Andriamanitra miasa amin’ ny heriny mampiseho ny fisandratany; Iza no mba mpampianatra tahaka Azy? | Behold, God exalteth by his power: who teacheth like him? |
| 23 | Iza no efa nandidy Azy ny amin’ izay lalan-kalehany? Ary iza no efa nilaza taminy hoe: Efa nanao ratsy Hianao? | Who hath enjoined him his way? or who can say, Thou hast wrought iniquity? |
| 24 | Tsarovy ny hankalaza ny asany, Izay efa nataon’ ny olona an-kira. | Remember that thou magnify his work, which men behold. |
| 25 | Fa faly mahita izany ny olona rehetra; Ary jeren’ ny zanak’ olombelona eny lavitra eny izany. | Every man may see it; man may behold it afar off. |
| 26 | Indro, lehibe Andriamanitra, ka tsy takatry ny saintsika Izy; Ary tsy hita isa ny taonany. | Behold, God is great, and we know him not, neither can the number of his years be searched out. |
| 27 | Fa mampisavoana ny rano Izy, dia milatsaka ho ranonorana aman-javona izany, | For he maketh small the drops of water: they pour down rain according to the vapour thereof: |
| 28 | Izay aidin’ ny rahona ka alatsany amin’ ny olona maro be. | Which the clouds do drop and distil upon man abundantly. |
| 29 | Ary koa, iza moa no mahalala ny amin’ ny fivelatry ny rahona sy ny fikotrokotroka ao an-dainy? | Also can any understand the spreadings of the clouds, or the noise of his tabernacle? |
| 30 | Indro, mamelatra ny fahazavany eo amboniny Izy ary manao ny fanambanin’ ny ranomasina ho firakofany. | Behold, he spreadeth his light upon it, and covereth the bottom of the sea. |
| 31 | Fa ireny zavatra ireny no itsarany ny firenena sady anomezany hanina betsaka. | For by them judgeth he the people; he giveth meat in abundance. |
| 32 | Mifono fahazavana ny tànany, ary baikoiny iny mba hahavoa ny fahavalony; | With clouds he covereth the light; and commandeth it not to shine by the cloud that cometh betwixt. |
| 33 | Ny fikotrokotrony dia manambara Azy, ary ny omby aman’ ondry koa aza milaza ny hihaviany. | The noise thereof sheweth concerning it, the cattle also concerning the vapour. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL