욥기 26장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 14절
- 1 Dia namaly Joba ka nanao hoe:
- 2 Endrey! nanohana ny tsy manan-kery ianao sy nampahatanjaka ny sandry malemy!
- 3 Ary nanolo-tsaina ny tsy hendry sy nampahafantatra izay fahendrena betsaka!
- 4 Iza no nandaharanao teny? Ary fanahin’ izay no nivoaka avy tao aminao?
- 5 Ny matoatoa dia ampanaintainina Any ambanin’ ny rano sy any ambanin’ ny mponina any.
- 6 Ny fiainan-tsi-hita miharihary eo anatrehany, ary ny fandringanana dia tsy mirakotra.
- 7 Mamelatra ny lanitra avaratra ho eny ambonin’ ny habakabaka Izy ary manantona ny tany amin’ ny tsy misy.
- 8 Fonosiny amin’ ireo rahony matevina ny rano, nefa ny fanambanin’ ny rahona tsy mety triatra.
- 9 Manakona ny seza fiandrianany tsy ho hitantsika Izy amin’ ny amelarany ny rahony hanarona azy.
- 10 Asiany faritra manodidina eny ambonin’ ny rano. Hatramin’ izay ihaonan’ ny mazava sy ny maizina.
- 11 Ny andrin’ ny lanitra nihozongozona sady ankona amin’ ny teny mafy ataony.
- 12 Ny heriny no entiny mampanonja ny ranomasina, ary ny fahendreny no anorotoroany an-dRahaba;
- 13 Ny fanahiny no mahatsara tarehy ny lanitra; Ny tànany no nitomboka ny menarana mandositra.
- 14 Indro, ireny dia vao ny sisintsisin’ ny alehany ihany aza, ary siosion-teny mamelovelo no andrenesantsika Azy; Fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany?
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗