욥기 27장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 23절
- 1 Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:
- 2 Raha velona koa Andriamanitra, Izay efa nandà tsy hanome ahy ny rariny, sy ny Tsitoha, Izay efa nampangidy ny aiko.
- 3 Fa mbola ato anatiko ihany ny aiko, ary eo am-bavoroko ny Fanahin’ Andriamanitra.
- 4 Dia tsy hanao teny tsy marina ny molotro, ary tsy hanonom-pitaka ny lelako.
- 5 Sanatria raha hanaiky ny anareo ho marina aho! Mandra-pialan’ ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho.
- 6 Ny fahamarinako dia hazoniko mafy ka tsy ho foiko; Ny foko tsy manome tsiny ahy akory na dia ny amin’ ny androko iray monja aza.
- 7 Aoka ho hita fa ratsy fanahy ny fahavaloko, ary tsy marina izay mitsangana hanohitra ahy.
- 8 Fa inona no fanantenan’ ny mpihatsaravelatsihy, raha maito ny ainy, ka tsoahan’ Andriamanitra ny fanahiny?
- 9 Hihaino ny fitarainany va Andriamanitra, raha ozoim-pahoriana izy?
- 10 Ho azony hiravoravoana va ny Tsitoha? Hahazo miantso an’ Andriamanitra mandrakariva va izy?
- 11 Hampianatra anareo ny amin’ ny tànan’ Andriamanitra aho, ary tsy hisorona anareo aho ny amin’ ny hevitry ny Tsitoha.
- 12 Indreo, ianareo rehetra samy efa nahita izany; Koa nahoana ianareo no manao hevi-poana?
- 13 Izao no anjaran’ ny ratsy fanahy avy amin’ Andriamanitra, sy lovan’ ny lozabe raisiny avy amin’ ny Tsitoha:
- 14 Na dia mihamaro aza ny zanany, dia ho an’ ny sabatra ihany ireny. Ary ny zaza aterany tsy ho voky hanina;
- 15 Ny ankohonany sisa dia hasitrik’ Ifahafatesana, ary tsy hisaona azy ny mpitondratenany;
- 16 Na dia mahary volafotsy hoatra ny vovoka aza izy ary mahangona fitafiana hoatra ny fotaka,
- 17 Eny, manangona ihany izy, nefa ny marina no hitafy izany, ary ny tsy manan-tsiny no hizara ny volafotsy;
- 18 Manao ny tranony tahaka ny an’ ny lolofotsy izy, ary tahaka ny trano rantsan-kazo ataon’ ny mpiandry voly;
- 19 Ao avokoa ihany ny hareny, raha vao mandry izy; Nefa nony ahirany ny masony, dia tsy ao intsony ireny.
- 20 Ny fampahatahorana mahatratra azy tahaka ny riaka: Nony alina paohin’ ny tafio-drivotra izy;
- 21 Ny rivotra avy any atsinanana mampiainga sy mahalasa azy ka mipaoka azy hiala amin’ ny fitoerany;
- 22 Asian’ Andriamanitra izy ka tsy iantrany, ary mandositra dia mandositra ho afaka amin’ ny tànany izy;
- 23 Tehafin’ ny olona tanana izy sady isitrisirany ka ampialainy amin’ ny fonenany.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗