욥기 25장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 6절
- 1 Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe.
- 2 Fanapahana sy fampahatahorana no ao aminy, manao fihavanana any amin’ ny avo Izy.
- 3 Azo isaina va ny miaramilany? Ary fahazavan’ iza no tsy ihoaran’ ny Azy?
- 4 Ary aiza no hahamarina ny zanak’ olombelona eo anatrehan’ Andriamanitra? Ary aiza no hadio izay tera-behivavy?
- 5 Indro, ny volana aza tsy mangarangarana, ary ny kintana aza tsy madio eo imasony;
- 6 Koa mainka fa ny olombelona, izay kankana, ary ny zanak’ olombelona, izay olitra.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗