욥기 26장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 14절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Dia namaly Joba ka nanao hoe: | But Job answered and said, |
| 2 | Endrey! nanohana ny tsy manan-kery ianao sy nampahatanjaka ny sandry malemy! | How hast thou helped him that is without power? how savest thou the arm that hath no strength? |
| 3 | Ary nanolo-tsaina ny tsy hendry sy nampahafantatra izay fahendrena betsaka! | How hast thou counselled him that hath no wisdom? and how hast thou plentifully declared the thing as it is? |
| 4 | Iza no nandaharanao teny? Ary fanahin’ izay no nivoaka avy tao aminao? | To whom hast thou uttered words? and whose spirit came from thee? |
| 5 | Ny matoatoa dia ampanaintainina Any ambanin’ ny rano sy any ambanin’ ny mponina any. | Dead things are formed from under the waters, and the inhabitants thereof. |
| 6 | Ny fiainan-tsi-hita miharihary eo anatrehany, ary ny fandringanana dia tsy mirakotra. | Hell is naked before him, and destruction hath no covering. |
| 7 | Mamelatra ny lanitra avaratra ho eny ambonin’ ny habakabaka Izy ary manantona ny tany amin’ ny tsy misy. | He stretcheth out the north over the empty place, and hangeth the earth upon nothing. |
| 8 | Fonosiny amin’ ireo rahony matevina ny rano, nefa ny fanambanin’ ny rahona tsy mety triatra. | He bindeth up the waters in his thick clouds; and the cloud is not rent under them. |
| 9 | Manakona ny seza fiandrianany tsy ho hitantsika Izy amin’ ny amelarany ny rahony hanarona azy. | He holdeth back the face of his throne, and spreadeth his cloud upon it. |
| 10 | Asiany faritra manodidina eny ambonin’ ny rano. Hatramin’ izay ihaonan’ ny mazava sy ny maizina. | He hath compassed the waters with bounds, until the day and night come to an end. |
| 11 | Ny andrin’ ny lanitra nihozongozona sady ankona amin’ ny teny mafy ataony. | The pillars of heaven tremble and are astonished at his reproof. |
| 12 | Ny heriny no entiny mampanonja ny ranomasina, ary ny fahendreny no anorotoroany an-dRahaba; | He divideth the sea with his power, and by his understanding he smiteth through the proud. |
| 13 | Ny fanahiny no mahatsara tarehy ny lanitra; Ny tànany no nitomboka ny menarana mandositra. | By his spirit he hath garnished the heavens; his hand hath formed the crooked serpent. |
| 14 | Indro, ireny dia vao ny sisintsisin’ ny alehany ihany aza, ary siosion-teny mamelovelo no andrenesantsika Azy; Fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany? | Lo, these are parts of his ways: but how little a portion is heard of him? but the thunder of his power who can understand? |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL