욥기 21장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 34절
- 1 Dia namaly Joba ka nanao hoe:
- 2 Mihainoa dia mihainoa ny teniko, Ary aoka izany no ho fampiononanareo ahy.
- 3 Mandefera amiko ianareo, fa mba hiteny kosa aho izao; Ary rehefa tapitra ny teniko, dia mandatsalatsà ihany indray ianareo.
- 4 Raha ny amiko, moa ny ataon’ ny olona va no itarainako? Ary raha izany, nahoana no hahalefitra ny fanahiko?
- 5 Jereo aho, dia aoka ho talanjona ianareo, ary mitampena vava.
- 6 Eny, raha mahatsiaro izany aho, dia raiki-tahotra, sady toran-kovitra ny tenako:
- 7 Nahoana no velona ny ratsy fanahy ka sady tratrantitra no be hery?
- 8 Ny zanany koa mitomoetra tsara eo anatrehany, ary ny zafiny eo anoloany.
- 9 Ny ankohonany miadana ka tsy manan-tahotra, ary ny tsorakazon’ Andriamanitra tsy mamely azy.
- 10 Ny ombilahiny mampiteraka ka mahavanona; Ny ombivaviny miteraka ka tsy mamotsotra.
- 11 Mamoaka ny zanany madinika toy ny ondry aman’ osy izy, ka mikoriana ny zanany.
- 12 Mihoby mitondra ampongatapaka sy lokanga izy ary mifaly amin’ ny feon-tsodina.
- 13 Mandany ny androny amin’ ny fahafinaretana izy; Amin’ ny indray mipi-maso monja no idinany any amin’ ny fiainan-tsi-hita.
- 14 Kanefa anie ireo no manao amin’ Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Fa tsy mba irinay ny hahalala ny lalanao.
- 15 Zinona izay Tsitoha, no hotompoinay? Ary inona no soa ho azonay, raha mivavaka aminy?
- 16 Indro, tsy avy amin’ ny tenany ihany ny fahafinaretany! Ho lavitra ahy anie ny fisainan’ ny ratsy fanahy!
- 17 Indraindray foana no mba maty ny jiron’ ny ratsy fanahy, sy tonga ny loza manjo azy. Ary amelaran’ Andriamanitra fandrika ireny noho ny fahatezerany,
- 18 Ka tonga tahaka ny mololo voatetika indaosin’ ny rivotra izy sy tahaka ny akofa entin’ ny tafio-drivotra.
- 19 Andriamanitra, hoy ianareo, mbola hampijaly ny zanany noho ny helodrainy! Tsia; fa ny tenan’ ireny ihany no aoka hovaliany, mba hahalalany.
- 20 Aoka ny masony ihany no hahita ny loza manjo azy, ary aoka ny tenany ihany no hisotro ny fahatezeran’ ny Tsitoha.
- 21 Fa mampaninona azy moa ny amin’ ny taranany mandimby azy, raha tapaka ny isan’ ny androny?
- 22 Moa Andriamanitra va no hampianarim-pahalalana, nefa Izy no mitsara ny any an-danitra aza?
- 23 Maty ny anankiray, raha tsy mbola mihena ny fahatanjahany, sady miadana tokoa ka tsy manana ahiahy;
- 24 Feno ronono ny fitoeran-drononony, ary vonton-tsoka ny taolany.
- 25 Ary ny anankiray maty amin’ ny fahorian’ ny fanahiny kosa ka tsy mba nanandrana soa akory.
- 26 Samy mandry ao amin’ ny vovoka izy roa tonta, ka feno olitra ny tenany.
- 27 Indro, fantatro ny hevitrareo sy ny saim-petsy amelezanareo ahy;
- 28 Fa hoy ianareo: Aiza ny tranon’ ny mpitohatoha? Ary aiza ny lay fitoeran’ ny ratsy fanahy?
- 29 Kanefa tsy mba nanontany tamin’ ny mpandeha amin’ ny tany lavitra va ianareo? Ary tsy heverinareo va ny zava-mahagaga, ambaran’ Ireo hoe:
- 30 Amin’ ny andro hahitan-doza dia voaaro ihany ny ratsy fanahy, ary amin’ ny andro fahatezerana dia enti-miala izy?
- 31 Iza no hanambara ny lalany eo anatrehany? Ary raha misy zavatra nataony, iza no sahy hamaly azy?
- 32 Ary ho entina ho eny an-tany fandevonana izy ka mbola hitazana ao am-pasana;
- 33 Ho mamy aminy ny bainga any an-dohasaha, ary ny olona rehetra hanaraka azy, toy ny nandehanan’ ny maro tany alohany.
- 34 Endrey! ity ianareo mba mampionona ahy foana! Ary ny famalianareo anefa, raha voasana tsara, dia lainga ihany!
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗