욥기 21장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 34절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Dia namaly Joba ka nanao hoe: | But Job answered and said, |
| 2 | Mihainoa dia mihainoa ny teniko, Ary aoka izany no ho fampiononanareo ahy. | Hear diligently my speech, and let this be your consolations. |
| 3 | Mandefera amiko ianareo, fa mba hiteny kosa aho izao; Ary rehefa tapitra ny teniko, dia mandatsalatsà ihany indray ianareo. | Suffer me that I may speak; and after that I have spoken, mock on. |
| 4 | Raha ny amiko, moa ny ataon’ ny olona va no itarainako? Ary raha izany, nahoana no hahalefitra ny fanahiko? | As for me, is my complaint to man? and if it were so, why should not my spirit be troubled? |
| 5 | Jereo aho, dia aoka ho talanjona ianareo, ary mitampena vava. | Mark me, and be astonished, and lay your hand upon your mouth. |
| 6 | Eny, raha mahatsiaro izany aho, dia raiki-tahotra, sady toran-kovitra ny tenako: | Even when I remember I am afraid, and trembling taketh hold on my flesh. |
| 7 | Nahoana no velona ny ratsy fanahy ka sady tratrantitra no be hery? | Wherefore do the wicked live, become old, yea, are mighty in power? |
| 8 | Ny zanany koa mitomoetra tsara eo anatrehany, ary ny zafiny eo anoloany. | Their seed is established in their sight with them, and their offspring before their eyes. |
| 9 | Ny ankohonany miadana ka tsy manan-tahotra, ary ny tsorakazon’ Andriamanitra tsy mamely azy. | Their houses are safe from fear, neither is the rod of God upon them. |
| 10 | Ny ombilahiny mampiteraka ka mahavanona; Ny ombivaviny miteraka ka tsy mamotsotra. | Their bull gendereth, and faileth not; their cow calveth, and casteth not her calf. |
| 11 | Mamoaka ny zanany madinika toy ny ondry aman’ osy izy, ka mikoriana ny zanany. | They send forth their little ones like a flock, and their children dance. |
| 12 | Mihoby mitondra ampongatapaka sy lokanga izy ary mifaly amin’ ny feon-tsodina. | They take the timbrel and harp, and rejoice at the sound of the organ. |
| 13 | Mandany ny androny amin’ ny fahafinaretana izy; Amin’ ny indray mipi-maso monja no idinany any amin’ ny fiainan-tsi-hita. | They spend their days in wealth, and in a moment go down to the grave. |
| 14 | Kanefa anie ireo no manao amin’ Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Fa tsy mba irinay ny hahalala ny lalanao. | Therefore they say unto God, Depart from us; for we desire not the knowledge of thy ways. |
| 15 | Zinona izay Tsitoha, no hotompoinay? Ary inona no soa ho azonay, raha mivavaka aminy? | What is the Almighty, that we should serve him? and what profit should we have, if we pray unto him? |
| 16 | Indro, tsy avy amin’ ny tenany ihany ny fahafinaretany! Ho lavitra ahy anie ny fisainan’ ny ratsy fanahy! | Lo, their good is not in their hand: the counsel of the wicked is far from me. |
| 17 | Indraindray foana no mba maty ny jiron’ ny ratsy fanahy, sy tonga ny loza manjo azy. Ary amelaran’ Andriamanitra fandrika ireny noho ny fahatezerany, | How oft is the candle of the wicked put out! and how oft cometh their destruction upon them! God distributeth sorrows in his anger. |
| 18 | Ka tonga tahaka ny mololo voatetika indaosin’ ny rivotra izy sy tahaka ny akofa entin’ ny tafio-drivotra. | They are as stubble before the wind, and as chaff that the storm carrieth away. |
| 19 | Andriamanitra, hoy ianareo, mbola hampijaly ny zanany noho ny helodrainy! Tsia; fa ny tenan’ ireny ihany no aoka hovaliany, mba hahalalany. | God layeth up his iniquity for his children: he rewardeth him, and he shall know it. |
| 20 | Aoka ny masony ihany no hahita ny loza manjo azy, ary aoka ny tenany ihany no hisotro ny fahatezeran’ ny Tsitoha. | His eyes shall see his destruction, and he shall drink of the wrath of the Almighty. |
| 21 | Fa mampaninona azy moa ny amin’ ny taranany mandimby azy, raha tapaka ny isan’ ny androny? | For what pleasure hath he in his house after him, when the number of his months is cut off in the midst? |
| 22 | Moa Andriamanitra va no hampianarim-pahalalana, nefa Izy no mitsara ny any an-danitra aza? | Shall any teach God knowledge? seeing he judgeth those that are high. |
| 23 | Maty ny anankiray, raha tsy mbola mihena ny fahatanjahany, sady miadana tokoa ka tsy manana ahiahy; | One dieth in his full strength, being wholly at ease and quiet. |
| 24 | Feno ronono ny fitoeran-drononony, ary vonton-tsoka ny taolany. | His breasts are full of milk, and his bones are moistened with marrow. |
| 25 | Ary ny anankiray maty amin’ ny fahorian’ ny fanahiny kosa ka tsy mba nanandrana soa akory. | And another dieth in the bitterness of his soul, and never eateth with pleasure. |
| 26 | Samy mandry ao amin’ ny vovoka izy roa tonta, ka feno olitra ny tenany. | They shall lie down alike in the dust, and the worms shall cover them. |
| 27 | Indro, fantatro ny hevitrareo sy ny saim-petsy amelezanareo ahy; | Behold, I know your thoughts, and the devices which ye wrongfully imagine against me. |
| 28 | Fa hoy ianareo: Aiza ny tranon’ ny mpitohatoha? Ary aiza ny lay fitoeran’ ny ratsy fanahy? | For ye say, Where is the house of the prince? and where are the dwelling places of the wicked? |
| 29 | Kanefa tsy mba nanontany tamin’ ny mpandeha amin’ ny tany lavitra va ianareo? Ary tsy heverinareo va ny zava-mahagaga, ambaran’ Ireo hoe: | Have ye not asked them that go by the way? and do ye not know their tokens, |
| 30 | Amin’ ny andro hahitan-doza dia voaaro ihany ny ratsy fanahy, ary amin’ ny andro fahatezerana dia enti-miala izy? | That the wicked is reserved to the day of destruction? they shall be brought forth to the day of wrath. |
| 31 | Iza no hanambara ny lalany eo anatrehany? Ary raha misy zavatra nataony, iza no sahy hamaly azy? | Who shall declare his way to his face? and who shall repay him what he hath done? |
| 32 | Ary ho entina ho eny an-tany fandevonana izy ka mbola hitazana ao am-pasana; | Yet shall he be brought to the grave, and shall remain in the tomb. |
| 33 | Ho mamy aminy ny bainga any an-dohasaha, ary ny olona rehetra hanaraka azy, toy ny nandehanan’ ny maro tany alohany. | The clods of the valley shall be sweet unto him, and every man shall draw after him, as there are innumerable before him. |
| 34 | Endrey! ity ianareo mba mampionona ahy foana! Ary ny famalianareo anefa, raha voasana tsara, dia lainga ihany! | How then comfort ye me in vain, seeing in your answers there remaineth falsehood? |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL