욥기 22장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 30절
- 1 Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
- 2 Mahasoa an’ Andriamanitra va ny olona? Tsia, fa mahasoa ny tenany ihany ny olon-kendry.
- 3 Mampaninona ny Tsitoha moa, raha marina ianao, sa misy tombony ho Azy, raha ataonao tsy misy diso ny alehanao?
- 4 Moa ny fahatahoranao Azy va no ananarany anao, sy ifanatrehany aminao amin’ ny fitsarana?
- 5 Tsy be va ny faharatsianao, sady tsy hita isa ny helokao?
- 6 Fa efa naka tsatòka tsy ahoan-tsy ahoana tamin’ ny rahalahinao ianao ka nanendaka ny akanjon’ ny mahantra.
- 7 Tsy nanome rano hosotroin’ ny mangetaheta ianao sady tsy nahafoy hanina ho an’ ny noana.
- 8 Fa ny olona sandriana ihany no nanana ny tany; Ary ny manan-kaja ihany no nitoetra teo.
- 9 Efa nampialainao maina ny mpitondratena. Ary tapahina ny sandrin’ ny kamboty.
- 10 Koa noho izany dia misy fandrika manodidina anao, ary ny fahatahorana dia mampihorohoro anao tampoka;
- 11 Moa tsy ianao va ny maizina Sy ny rano mandriaka mandifotra anao?
- 12 Tsy avo tahaka ny lanitra va Andriamanitra? Jereo ny hahavon’ ny kintana, endrey ny hahavony!
- 13 Nefa hoy ianao: Ataon’ Andriamanitra ahoana no fahafantatra? Mahay mitsara ary ankoatry ny rahona maizina va Izy?
- 14 Ny rahona matevina manakona Azy, ka tsy mahita Izy; Ary mandehandeha eny amin’ ny lanitra Izy.
- 15 Moa hizotra amin’ ny lalana izay nalehan’ ny olona fahagola va ianao? Dia ilay nalehan’ ny olona ratsy fanahy.
- 16 Izay nesorina alohan’ ny androny, ka nindaosin’ ny riaka ny fanorenany,
- 17 Dia ireo izay manao tamin’ Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Ary inona no azon’ ny Tsitoha atao ho anay?
- 18 Kanefa Izy no efa nameno zava-tsoa ny tranony ho lavitra ahy anie ny fisainan’ ny ratsy fanahy!
- 19 Ny marina mahita ka mifaly, Ary ny tsy manan-tsiny mihomehy ireny hoe:
- 20 Marina tokoa fa efa rava ny fahavalontsika, ary ny hareny betsaka efa levon’ ny afo.
- 21 Mifankazara amin’ ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan’ ny soa aminao.
- 22 Masìna ianao, mandraisa fampianarana avy amin’ ny vavany, ary alatsaho ao am-ponao ny teniny.
- 23 Raha miverina aminy ianao, dia haorina tsara, eny, raha ampanalavirinao ny lainao ny heloka.
- 24 Ario eny amin’ ny vovoka ny akoram-bolamena sy ny akoram-bolafotsy, eny, ario eny amin’ ny vato eny an-dohasahan-driaka ny volamena avy any Ofira;
- 25 Fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao sy akoram-bolafotsinao, Ary ho volafotsy mamirapiratra ho anao.
- 26 Fa amin’ izany dia hiravoravo amin’ ny Tsitoha ianao ka hanandratra ny tavanao amin’ Andriamanitra.
- 27 Raha mifona aminy ianao, dia hihaino anao Izy; Ary ny voadinao dia hefainao.
- 28 Ary raha misy kasainao hatao, dia hotanterahina aminao, ary hamirapiratra amin’ ny lalanao ny mazava.
- 29 Raha misy mietry, dia hataonao hoe: Misandrata; fa ny manetry tena hovonjeny.
- 30 Hanafaka ny olona meloka Izy, eny, ny fahadiovan’ ny tananao no hamonjena azy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗