욥기 20장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 29절
- 1 Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe:
- 2 Noho izany dia mamaly ahy ny eritreritro, eny, noho ny fihetsiketsiky ny saiko.
- 3 Reko lalandava ny anatra mampahamenatra ahy; Ary ny fanahiko mamaly ahy avy amin’ ny fahalalako.
- 4 Tsy fantatrao va fa hatramin’ ny ela, eny, hatrizay nampitoerana ny olona tetỳ ambonin’ ny tany,
- 5 Dia vetivety foana ny firavoravoan’ ny ratsy fanahy, ary indray mipi-maso monja ny fifalian’ ny mpihatsaravelatsihy?
- 6 Fa na dia mipaka amin’ ny lanitra aza ny hahavony, ka mitehika amin’ ny rahona ny lohany,
- 7 Dia ho very mandrakizay toy ny dikiny ihany izy; Izay nahita azy dia hanao hoe: Aiza izy?
- 8 Manidina tahaka ny nofy izy ka tsy ho hita; Eny, ampandosirina tahaka ny tsindrimandry amin’ ny alina izy.
- 9 Ny maso izay mijery, dia indray mitopy ihany no ahitany azy; Ary dia tsy hahita azy intsony ny fitoerany.
- 10 Ny zanany hitambitamby amin’ ny malahelo, ary ny tànany ihany no hampody ny hareny.
- 11 Ny taolany dia feno ny herin’ ny fahatanorana, Nefa hiara-mandry aminy eo amin’ ny vovoka izany.
- 12 Na dia mamy ao am-bavany aza ny ratsy, ka afeniny ao ambanin’ ny lelany,
- 13 Ary tsitsiny ka tsy foiny, fa tehiriziny ao amin’ ny lanilaniny ihany,
- 14 Dia miova ny haniny ao an-kibony, ka aferon’ ny vipera no ao anatiny.
- 15 Harena no nateliny, nefa aloany indray; Loaran’ Andriamanitra hiala ao an-kibony izany.
- 16 Ny poizin’ ny vipera no hotsentsefiny; Hahafaty azy ny lelan’ ny menarana.
- 17 Tsy ho faly mahita renirano izy, dia ony sy riaky ny tantely sy ronono.
- 18 Tsy azony atelina izay nikelezany aina, fa tsy maintsy hampodiny; Na dia be aza ny hareny, dia tsy ho araka izany ny hafaliany.
- 19 Fa nampahory sy nahafoy ny reraka izy ka naka trano an-keriny, fa tsy hahatontosa azy.
- 20 Satria tsy mahalala mionona ny kibony, dia tsy hahavonjy ny tenany mbamin’ ny tiany indrindra izy.
- 21 Tsy misy tsy tratry ny fieremany; Ka dia tsy haharitra ny fiadanany.
- 22 Ho poriporitra izy, na dia mihoa-pampana aza ny fananany; Ny tanan’ ny ory no hamely azy.
- 23 Halefan’ Andriamanitra ny fahatezerany mirehitra hameno ny kibony; Eny, halatsany aminy toy ny ranonorana izany ho hanina ho azy.
- 24 Raha mandositra ny vy fiadiana izy, dia hahavoa azy miboroaka ny tsipìka varahina;
- 25 Tsoahany izany, ka mivoaka avy amin’ ny tenany; Eny, ny manelatselatra dia mivoaka avy amin’ ny aferony; Lasa izy azon’ ny fahatahorana mafy.
- 26 Ny aizim-pito no voarakitra ho amin’ ny raki-malalany; Afo tsy tsofina no handoro azy sady handevona izay sisa ao amin’ ny lainy.
- 27 Hambaran’ ny lanitra ny helony, Ary ny tany hitsangana hiampanga azy,
- 28 Ho lasa ny harena tafiditra ao an-tranony; Eny, ho levona izany amin’ ny andro fahatezerany.
- 29 Izany no anjaran’ ny ratsy fanahy avy amin’ Andriamanitra, sy lova voatendrin’ Andriamanitra ho azy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗