욥기 19장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 29절
- 1 Dia namaly Joba ka nanao hoe:
- 2 Mandra-pahoviana no hampalahelovanareo ny fanahiko sy hanorotoroanareo ahy amin’ ny fiteny?
- 3 Efa im-polo izay no nanaratsianareo ahy; Tsy misoroka izay hampahory ahy ianareo.
- 4 Ary raha diso tokoa aho, dia izaho ihany no andrian’ ny fa hadisoako.
- 5 Raha mirehareha amiko kosa ianareo ka mampiaiky ahy ho nanao izay mahamenatra,
- 6 Dia aoka ho fantatrareo fa Andriamanitra no efa nampitanondrika ahy ka efa naningotra ahy tamin’ ny fandrika haratony.
- 7 Indro, miantso mafy aho hoe: Loza! nefa tsy misy mamaly ahy; Mitaraina aho, nefa tsy mahita rariny.
- 8 Ny lalako dia nofefeny, ka tsy afa-mandroso aho; ary nasiany maizina teo amin’ ny lalana alehako.
- 9 Ny voninahitro nalany tamiko, ary nesoriny ny satro-boninahitra teo an-dohako.
- 10 Efa nandrava ahy manodidina Izy, ka efa ho faty aho; Ary efa nofongorany tahaka ny hazo ny fanantenako.
- 11 Dia nampirehetiny tamiko ny fahatezerany, ka nataony ho fahavalony aho.
- 12 Miara-mandroso ny antokon’ ny miaramilany ary manandratra tovon-tany hamelezany ahy izy ka mitoby manodidina ny laiko.
- 13 Ny rahalahiko efa nampanalaviriny ahy; Ary ny olona nahazatra ahy efa nihafahafa tamiko avokoa.
- 14 Efa tsy misy eto intsony ny havako, ary ny sakaizako efa nanadino ahy.
- 15 Ny vahiny izay mitoetra ao an-tranoko sy ny ankizivaviko aza samy manao ahy ho olon-kafa; Tonga olon-ko azy eo imasony aho.
- 16 Antsoiko ny mpanompoko, nefa tsy namaly ahy izy; Mifona aminy amin’ ny vavako aho.
- 17 Ny fofonaiko mahaloiloy ny vadiko, ary maharikoriko ny zanak’ ineny aho.
- 18 Eny, ny ankizilahy madinika aza mamingavinga ahy; Raha te-hitsangana aho, dia miteny mamely ahy ireny.
- 19 Na dia izay nifankazatra tamiko indrindra aza dia manao ahy ho zava-betaveta, ary izay olon-tiako dia mivadika ho fahavaloko.
- 20 Ny taolako miraikitra amin’ ny hoditro sy ny nofoko, ary ny akanjo-nifiko ihany no hany sisa azoko enti-mandositra.
- 21 Mamindrà fo amiko, mamindrà fo amiko ianareo, ry sakaizako ô; fa ny tànan’ Andriamanitra efa mikasika ahy.
- 22 Nahoana no manenjika ahy tahaka an’ Andriamanitra koa ianareo ka tsy mety afa-po amin’ ny nofoko?
- 23 Enga anie ka ho voasoratra ny teniko! Enga anie ka ho voatomboka eo amin’ ny boky ireny!
- 24 Enga anie ka ho voasoratra amin’ ny vy fanoratana sady voasy firaka eo amin’ ny vatolampy ho mandrakizay izy!
- 25 Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ ny vovoka Izy.
- 26 Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin’ ny nofoko aho, dia hahita an’ Andriamanitra;
- 27 Eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko ato anatiko.
- 28 Raha hoy ianareo: Andeha hanenjika azy fatratra isika. Fa hita ao anatiny ny fototry ny mahameloka azy.
- 29 Dia matahora ny sabatra ianareo; Fa ny fahatezerana dia heloka mendrika ny hovalian-tsabatra, mba ho fantatrareo fa misy fitsarana.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗