욥기 20장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 29절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe: | Then answered Zophar the Naamathite, and said, |
| 2 | Noho izany dia mamaly ahy ny eritreritro, eny, noho ny fihetsiketsiky ny saiko. | Therefore do my thoughts cause me to answer, and for this I make haste. |
| 3 | Reko lalandava ny anatra mampahamenatra ahy; Ary ny fanahiko mamaly ahy avy amin’ ny fahalalako. | I have heard the check of my reproach, and the spirit of my understanding causeth me to answer. |
| 4 | Tsy fantatrao va fa hatramin’ ny ela, eny, hatrizay nampitoerana ny olona tetỳ ambonin’ ny tany, | Knowest thou not this of old, since man was placed upon earth, |
| 5 | Dia vetivety foana ny firavoravoan’ ny ratsy fanahy, ary indray mipi-maso monja ny fifalian’ ny mpihatsaravelatsihy? | That the triumphing of the wicked is short, and the joy of the hypocrite but for a moment? |
| 6 | Fa na dia mipaka amin’ ny lanitra aza ny hahavony, ka mitehika amin’ ny rahona ny lohany, | Though his excellency mount up to the heavens, and his head reach unto the clouds; |
| 7 | Dia ho very mandrakizay toy ny dikiny ihany izy; Izay nahita azy dia hanao hoe: Aiza izy? | Yet he shall perish for ever like his own dung: they which have seen him shall say, Where is he? |
| 8 | Manidina tahaka ny nofy izy ka tsy ho hita; Eny, ampandosirina tahaka ny tsindrimandry amin’ ny alina izy. | He shall fly away as a dream, and shall not be found: yea, he shall be chased away as a vision of the night. |
| 9 | Ny maso izay mijery, dia indray mitopy ihany no ahitany azy; Ary dia tsy hahita azy intsony ny fitoerany. | The eye also which saw him shall see him no more; neither shall his place any more behold him. |
| 10 | Ny zanany hitambitamby amin’ ny malahelo, ary ny tànany ihany no hampody ny hareny. | His children shall seek to please the poor, and his hands shall restore their goods. |
| 11 | Ny taolany dia feno ny herin’ ny fahatanorana, Nefa hiara-mandry aminy eo amin’ ny vovoka izany. | His bones are full of the sin of his youth, which shall lie down with him in the dust. |
| 12 | Na dia mamy ao am-bavany aza ny ratsy, ka afeniny ao ambanin’ ny lelany, | Though wickedness be sweet in his mouth, though he hide it under his tongue; |
| 13 | Ary tsitsiny ka tsy foiny, fa tehiriziny ao amin’ ny lanilaniny ihany, | Though he spare it, and forsake it not; but keep it still within his mouth: |
| 14 | Dia miova ny haniny ao an-kibony, ka aferon’ ny vipera no ao anatiny. | Yet his meat in his bowels is turned, it is the gall of asps within him. |
| 15 | Harena no nateliny, nefa aloany indray; Loaran’ Andriamanitra hiala ao an-kibony izany. | He hath swallowed down riches, and he shall vomit them up again: God shall cast them out of his belly. |
| 16 | Ny poizin’ ny vipera no hotsentsefiny; Hahafaty azy ny lelan’ ny menarana. | He shall suck the poison of asps: the viper’s tongue shall slay him. |
| 17 | Tsy ho faly mahita renirano izy, dia ony sy riaky ny tantely sy ronono. | He shall not see the rivers, the floods, the brooks of honey and butter. |
| 18 | Tsy azony atelina izay nikelezany aina, fa tsy maintsy hampodiny; Na dia be aza ny hareny, dia tsy ho araka izany ny hafaliany. | That which he laboured for shall he restore, and shall not swallow it down: according to his substance shall the restitution be, and he shall not rejoice therein. |
| 19 | Fa nampahory sy nahafoy ny reraka izy ka naka trano an-keriny, fa tsy hahatontosa azy. | Because he hath oppressed and hath forsaken the poor; because he hath violently taken away an house which he builded not; |
| 20 | Satria tsy mahalala mionona ny kibony, dia tsy hahavonjy ny tenany mbamin’ ny tiany indrindra izy. | Surely he shall not feel quietness in his belly, he shall not save of that which he desired. |
| 21 | Tsy misy tsy tratry ny fieremany; Ka dia tsy haharitra ny fiadanany. | There shall none of his meat be left; therefore shall no man look for his goods. |
| 22 | Ho poriporitra izy, na dia mihoa-pampana aza ny fananany; Ny tanan’ ny ory no hamely azy. | In the fulness of his sufficiency he shall be in straits: every hand of the wicked shall come upon him. |
| 23 | Halefan’ Andriamanitra ny fahatezerany mirehitra hameno ny kibony; Eny, halatsany aminy toy ny ranonorana izany ho hanina ho azy. | When he is about to fill his belly, God shall cast the fury of his wrath upon him, and shall rain it upon him while he is eating. |
| 24 | Raha mandositra ny vy fiadiana izy, dia hahavoa azy miboroaka ny tsipìka varahina; | He shall flee from the iron weapon, and the bow of steel shall strike him through. |
| 25 | Tsoahany izany, ka mivoaka avy amin’ ny tenany; Eny, ny manelatselatra dia mivoaka avy amin’ ny aferony; Lasa izy azon’ ny fahatahorana mafy. | It is drawn, and cometh out of the body; yea, the glittering sword cometh out of his gall: terrors are upon him. |
| 26 | Ny aizim-pito no voarakitra ho amin’ ny raki-malalany; Afo tsy tsofina no handoro azy sady handevona izay sisa ao amin’ ny lainy. | All darkness shall be hid in his secret places: a fire not blown shall consume him; it shall go ill with him that is left in his tabernacle. |
| 27 | Hambaran’ ny lanitra ny helony, Ary ny tany hitsangana hiampanga azy, | The heaven shall reveal his iniquity; and the earth shall rise up against him. |
| 28 | Ho lasa ny harena tafiditra ao an-tranony; Eny, ho levona izany amin’ ny andro fahatezerany. | The increase of his house shall depart, and his goods shall flow away in the day of his wrath. |
| 29 | Izany no anjaran’ ny ratsy fanahy avy amin’ Andriamanitra, sy lova voatendrin’ Andriamanitra ho azy. | This is the portion of a wicked man from God, and the heritage appointed unto him by God. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL