요한복음 7장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 요한복음 (John) · 53절
- 1 Ary rehefa afaka izany, dia nandeha tany Galilia Jesosy; fa nalain-kandeha tany Jodia Izy, satria nitady hahafaty Azy ny Jiosy.
- 2 Ary efa akaiky ny andro firavoravoan’ ny Jiosy, dia ny amin’ ny Tabernakely,
- 3 ka hoy ny rahalahiny taminy: Mialà eto, ka mandehana ho any Jodia, mba ho hitan’ ny mpianatrao koa ny asa izay ataonao;
- 4 fa tsy misy olona manao zavatra amin’ ny takona, nefa ny tenany mitady ho hita miharihary; raha manao izany zavatra izany Hianao, dia misehoa amin’ izao tontolo izao.
- 5 Fa na dia ny rahalahiny aza tsy nino Azy.
- 6 Dia hoy Jesosy taminy: Tsy mbola tonga ny fotoako; fa ny fotoanareo dia vonona lalandava.
- 7 Tsy mahazo mankahala anareo izao tontolo izao; fa Izaho no halany, satria milaza fa ratsy ny asany.
- 8 Miakara ho amin’ ny andro firavoravoana ianareo; fa Izaho tsy mbola miakatra ho amin’ ity andro firavoravoana ity; satria tsy mbola tonga ny fotoako.
- 9 Ary rehefa nilaza izany teny izany taminy Izy, dia mbola nitoetra tany Galilia ihany.
- 10 Fa rehefa lasa niakatra ho amin’ ny andro firavoravoana ny rahalahiny, dia niakatra koa Izy, nefa tsy mba nisehoseho, fa toa niafinafina.
- 11 Ary ny Jiosy dia nitady Azy tamin’ ny andro firavoravoana ka nanao hoe: Aiza Izy?
- 12 Ary nitakoritsika Azy be ihany ny vahoaka. Hoy ny sasany: Tsara fanahy Izy; fa hoy kosa ny sasany; Tsia; fa mamitaka ny vahoaka Izy.
- 13 Nefa tsy nisy sahy niresaka Azy miharihary noho ny fahatahorany ny Jiosy.
- 14 Ary rehefa nisasaka ny andro firavoravoana, dia niakatra teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy ka nampianatra.
- 15 Dia gaga ny Jiosy ka nanao hoe: Ahoana no nahaizan’ ilehity soratra, nefa tsy mba nianatra Izy?
- 16 Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’ izay naniraka Ahy.
- 17 Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ ny fampianarana izy, na avy amin’ Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho.
- 18 Izay miteny ho azy dia mitady ny voninahitry ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr’ izay naniraka azy no marina, ary tsy misy tsi-fahamarinana ao aminy.
- 19 Tsy Mosesy va no nanome anareo ny lalàna? nefa tsy misy eo aminareo mankatò ny lalàna. Nahoana ianareo no mitady hamono Ahy?
- 20 Ny vahoaka namaly hoe: Manana demonia Hianao; iza no mitady hamono Anao?
- 21 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Asa iray loha ihany no nataoko, ka gaga avokoa ianareo rehetra.
- 22 Izao no nanomezan’ i Mosesy anareo ny famorana: tsy noho izy avy tamin’ i Mosesy, fa noho izy avy tamin’ ny razana, ka na dia amin’ ny Sabata aza dia mamora olona ihany ianareo.
- 23 Raha amin’ ny Sabata aza no amorana olona, mba tsy hahafoana ny lalàn’ i Mosesy, dia tezitra amiko va ianareo, satria nisy olona anankiray nataoko sitrana avokoa ny tenany rehetra tamin’ ny Sabata.
- 24 Aza mitsara araka ny miseho, fa mba mitsarà marina.
- 25 Ary ny mponina sasany tany Jerosalema dia nanao hoe: Tsy Ilehity va Ilay tadiaviny hovonoina?
- 26 Ary indro Izy miteny miharihary, nefa tsy misy miteny Azy akory. Sao efa fantatry ny mpanapaka anie fa Io no Kristy?
- 27 Nefa fantatsika izay nihavian’ ilehio, fa raha avy Kristy, tsy misy mahalala izay hihaviany.
- 28 Dia niantso teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy, raha nampianatra, ka nanao hoe: Izaho dia fantatrareo, sady fantatrareo koa izay nihaviako; ary tsy avy ho Ahy Aho, fa marina ny naniraka Ahy, Izay tsy fantatrareo.
- 29 Izaho mahalala Azy; fa Izy no nihaviako, ka Izy no naniraka Ahy.
- 30 Dia nitady hisambotra Azy ny olona; kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.
- 31 Ary maro ny vahoaka no nino Azy ka nanao hoe: Raha tonga Kristy, moa hanao famantarana maro mihoatra noho ny nataon’ ity Lehilahy ity va Izy?
- 32 Ny Fariseo nandre ny vahoaka nitakoritsika izany zavatra izany ny aminy; ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo dia naniraka mpiandry raharaha mba hisambotra Azy.
- 33 Dia hoy Jesosy: Kely foana no itoerako aminareo, dia hankany amin’ izay naniraka Ahy Aho.
- 34 Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako dia tsy azonareo haleha.
- 35 Dia niresaka hoe ny Jiosy: Hankaiza moa no halehan’ ilehity, no tsy ho hitantsika? Hankany amin’ izay miely any amin’ ny Grika va Izy ka hampianatra ny Grika?
- 36 Ahoana re izao teny nolazainy izao hoe: Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako tsy azonareo haleha?
- 37 Ary tamin’ ny andro farany, izay andro lehibe tamin’ ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.
- 38 Izay mino Ahy, dia hisy onin’ ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan’ ny Soratra Masìna.
- 39 Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin’ ny mino Azy, no nolazainy tamin’ izany; fa ny Fanahy tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin’ ny voninahiny.
- 40 Ary ny sasany tamin’ ny vahoaka, raha nandre izany teny izany, dia nanao hoe: Ity tokoa no Ilay Mpaminany.
- 41 Hoy ny sasany: Ity no Kristy. Fa hoy kosa ny sasany: Avy any Galilia va no ihavian’ i Kristy?
- 42 Tsy voalazan’ ny Soratra Masìna va fa Kristy dia avy amin’ ny taranak’ i Davida, sady avy ao Betlehema, vohitra nonenan’ i Davida?
- 43 Dia nisara-tsaina ny amin’ i Jesosy ny vahoaka.
- 44 Ary ny sasany nitady hisambotra Azy; kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy.
- 45 Ary ny mpiandry raharaha nankeo amin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo, ka hoy izy ireo taminy: Nahoana ianareo no tsy nitondra Azy?
- 46 Ny mpiandry raharaha namaly hoe: Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany.
- 47 Ary ny Fariseo namaly azy hoe: Hianareo koa va voafitaka?
- 48 Moa misy mpanapaka na Fariseo mba nino Azy?
- 49 Fa voaozona ireto vahoaka ireto, izay tsy mahalala ny lalàna.
- 50 Ary Nikodemosy, anankiray teo aminy, dia ilay nankeo amin’ i Jesosy teo aloha, dia nanao taminy hoe:
- 51 Moa manameloka olona va ny lalàntsika, raha tsy mbola mihaino azy aloha ka mahafantatra izay nataony?
- 52 Izy ireo namaly ka nanao taminy hoe: Hianao koa angaha mba avy any Galilia? Diniho, dia ho hitanao fa tsy mba misy mpaminany avy any Galilia.
- 53 [Dia samy lasa nody ho any an-tranony avy izy rehetra;
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗