요한복음 6장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 요한복음 (John) · 71절
- 1 Rehefa afaka izany, dia niala Jesosy ka lasa nita ny Ranomasin’ i Galilia, dia ny Ranomasin’ i Tiberiasy izany.
- 2 Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy noho ny nahitany ny famantarana izay efa nataony tamin’ ny marary.
- 3 Ary Jesosy niakatra tao an-tendrombohitra, dia nipetraka tao mbamin’ ny mpianany.
- 4 Fa efa akaiky ny Paska, ilay andro firavoravoan’ ny Jiosy.
- 5 Ary Jesosy nanopy ny masony ka nahita fa nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia hoy Izy tamin’ i Filipo: Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ ireo?
- 6 Izany no nataony mba hizahany toetra azy; fa izy nahalala ihany izay efa hataony.
- 7 Filipo namaly Azy hoe: Na dia mofo vidina denaria roan-jato aza tsy ampy azy rehetra hananany kely avy.
- 8 Ny mpianany anankiray, dia Andrea, rahalahin’ i Simona Petera, nilaza taminy hoe:
- 9 Misy zazalahy manana mofo vary hordea dimy sy hazandrano madinika roa, fa ho ampy inona moa izany amin’ izao olona betsaka izao?
- 10 Fa hoy Jesosy: Asaovy mipetraka ny olona. Ary nisy ahitra be teo. Ka dia nipetraka ny lehilahy, tokony ho dimy arivo no isany.
- 11 Dia nandray ny mofo Jesosy; ary rehefa nisaotra, dia nizara izany tamin’ izay nipetraka hihinana Izy; ary ny hazandrano koa araka izay nilainy.
- 12 Ary rehefa voky ny olona, dia hoy Jesosy tamin’ ny mpianany: Angony ny sisa tsy lany, mba tsy hisy ho very.
- 13 Dia nangoniny, ka nahafeno harona roa ambin’ ny folo ny sombintsombin’ ny mofo vary hordea dimy, izay ambiny tsy lanin’ ny nihinana.
- 14 Ary hoy ireny olona ireny, rehefa nahita ny famantarana izay nataon’ i Jesosy: Ity tokoa no Ilay Mpaminany Izay ho tonga amin’ izao tontolo izao.
- 15 Ary rehefa fantatr’ i Jesosy fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hataony mpanjaka, dia niala ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.
- 16 Ary rehefa hariva ny andro, dia nidina ho any amin’ ny ranomasina ny mpianany.
- 17 Ary niondrana an-tsambokely izy, dia nita ny ranomasina nankany Kapernaomy. Ary efa maizina ny andro tamin’ izay, nefa Jesosy tsy mbola tonga tany aminy.
- 18 Ary ny ranomasina nanonja, fa mafy ny fifofofofon’ ny rivotra.
- 19 Ary rehefa nivoy tokony ho dimy amby roa-polo na telo-polo stadio izy, dia nahita an’ i Jesosy nitsangantsangana eny ambonin’ ny ranomasina ka nanakaiky ny sambokely; dia natahotra izy.
- 20 Fa hoy Jesosy taminy: Izaho ihany; aza matahotra.
- 21 Dia ta-handray Azy ho eo an-tsambokely izy; ary niaraka tamin’ izay ny sambokely dia tonga tamin’ ny tany izay nalehany.
- 22 Nony ampitson’ iny ny vahoaka izay nijanona teny am-pitan’ ny ranomasina dia nahita fa tsy nisy sambokely hafa teo afa-tsy iray ihany, ary Jesosy tsy mba niara-niondrana an-tsambokely tamin’ ny mpianany, fa ny mpianany ihany no nandeha,
- 23 kanefa nisy sambokely hafa avy tany Tiberiasy tonga teo akaikin’ ilay tany nihinanany ny mofo, rehefa nisaotra ny Tompo,―
- 24 koa nony hitan’ ny vahoaka fa tsy teo Jesosy, na ny mpianany, dia niondrana an-tsambokely izy ka nankany Kapernaomy hitady an’ i Jesosy.
- 25 Ary rehefa nahita Azy teny am-pitan’ ny ranomasina izy, dia hoy izy taminy: Raby ô, oviana no tonga teto Hianao?
- 26 Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Mitady Ahy ianareo, nefa tsy noho ny nahitanareo famantarana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky.
- 27 Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen’ ny Zanak’ olona anareo; fa Izy no nasian’ Andriamanitra Ray tombo-kase.
- 28 Dia hoy ireo taminy: Inona no hataonay mba hiasanay ny asan’ Andriamanitra?
- 29 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izao no asan’ Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny.
- 30 Dia hoy ireo taminy: Inona ary no famantarana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona moa no asa ataonao?
- 31 Ny razantsika nihinana ny mana tany an-efitra, araka ny voasoratra hoe: Mofo avy tany an-danitra no nomeny azy hohaniny.
- 32 Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Tsy Mosesy no nanome anareo ny mofo avy tany an-danitra; fa ny Raiko no manome anareo ny tena mofo avy any an-danitra.
- 33 Fa ny mofon’ Andriamanitra dia Ilay midìna avy any an-danitra ka manome fiainana ho an’ izao tontolo izao.
- 34 Ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany.
- 35 Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon’ aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony.
- 36 Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino.
- 37 Izay rehetra omen’ ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy.
- 38 Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’ izay naniraka Ahy.
- 39 Ary izao no sitrapon’ izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin’ ny andro farany izy.
- 40 Fa izao no sitrapon’ ny Raiko, dia ny hahazoan’ izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany.
- 41 Dia nimonomonona tamin’ i Jesosy ny Jiosy, satria Izy nanao hoe: Izaho no mofo izay nidina avy tany an-danitra.
- 42 Dia hoy ireo: Tsy Ilehio va no Jesosy, Zanak’ i Josefa, Izay fantatsika ny rainy aman-dreniny? Ahoana no dia anaovany ankehitriny hoe: ho nidina avy tany an-danitra?
- 43 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Aza mimonomonona ianareo.
- 44 Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany.
- 45 Voasoratra ao amin’ ny mpaminany hoe: Ary izy rehetra dia hampianarin’ Andriamanitra. Izay rehetra mandre ka mianatra amin’ ny Ray no manatona Ahy.
- 46 Nefa tsy nisy nahita ny Ray, afa-tsy Izay avy amin’ Andriamanitra: Izy no nahita ny Ray.
- 47 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino no manana fiainana mandrakizay.
- 48 Izaho no mofon’ aina.
- 49 Ny razanareo nihinana ny mana tany an-efitra, nefa maty ihany.
- 50 Ity no mofo izay midìna avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana azy.
- 51 Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’ izao tontolo izao.
- 52 Dia nifanditra ny Jiosy ka nanao hoe: Hataon’ ilehio ahoana re no fanome ny nofony hohanintsika?
- 53 Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon’ ny Zanak’ olona sy misotro ny ràny ianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo.
- 54 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany.
- 55 Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro.
- 56 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy.
- 57 Ary tahaka ny nanirahan’ ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin’ ny Ray, dia tahaka izany koa izay mihinana Ahy no ho velona amiko.
- 58 Ity no mofo izay nidina avy tany an-danitra; tsy tahaka ny razana izay nihinana, nefa maty ihany; fa izay mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay.
- 59 Izany teny izany no nolazainy tao amin’ ny synagoga, raha nampianatra tao Kapernaomy Izy.
- 60 Koa maro tamin’ ny mpianany, nony nandre, dia nanao hoe: Sarotra izany teny izany, iza no mahahaino izany?
- 61 Ary fantatr’ i Jesosy tao am-pony fa nimonomonona tamin’ izany ny mpianany, ka dia hoy Izy taminy: Mahatafintohina anareo va izay?
- 62 Mainka raha mahita ny Zanak’ olona miakatra ho any amin’ izay nitoerany taloha ianareo.
- 63 Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana.
- 64 Fa misy ny sasany aminareo izay tsy mino. Fa fantatr’ i Jesosy hatramin’ ny voalohany izay tsy nino sy izay hamadika Azy.
- 65 Ary hoy Izy: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen’ ny Ray azy izany.
- 66 Hatramin’ izany dia maro tamin’ ny mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony.
- 67 Dia hoy Jesosy tamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy: Hianareo koa va mba te-hiala?
- 68 Simona Petera namaly Azy hoe: Tompo ô, hankany amin’ iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ ny fiainana mandrakizay.
- 69 Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin’ Andriamanitra.
- 70 Jesosy namaly azy hoe: Tsy Izaho va no nifidy anareo roa ambin’ ny folo lahy, nefa ny anankiray aminareo aza dia devoly?
- 71 Fa Izy nilaza an’ i Jodasy, zanak’ i Simona Iskariota; fa izy no ilay efa hamadika Azy, nefa isan’ ny roa ambin’ ny folo lahy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗