요한복음 7장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 요한복음 (John) · 53절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary rehefa afaka izany, dia nandeha tany Galilia Jesosy; fa nalain-kandeha tany Jodia Izy, satria nitady hahafaty Azy ny Jiosy. | After these things Jesus walked in Galilee: for he would not walk in Jewry, because the Jews sought to kill him. |
| 2 | Ary efa akaiky ny andro firavoravoan’ ny Jiosy, dia ny amin’ ny Tabernakely, | Now the Jews’ feast of tabernacles was at hand. |
| 3 | ka hoy ny rahalahiny taminy: Mialà eto, ka mandehana ho any Jodia, mba ho hitan’ ny mpianatrao koa ny asa izay ataonao; | His brethren therefore said unto him, Depart hence, and go into Judea, that thy disciples also may see the works that thou doest. |
| 4 | fa tsy misy olona manao zavatra amin’ ny takona, nefa ny tenany mitady ho hita miharihary; raha manao izany zavatra izany Hianao, dia misehoa amin’ izao tontolo izao. | For there is no man that doeth any thing in secret, and he himself seeketh to be known openly. If thou do these things, shew thyself to the world. |
| 5 | Fa na dia ny rahalahiny aza tsy nino Azy. | For neither did his brethren believe in him. |
| 6 | Dia hoy Jesosy taminy: Tsy mbola tonga ny fotoako; fa ny fotoanareo dia vonona lalandava. | Then Jesus said unto them, My time is not yet come: but your time is alway ready. |
| 7 | Tsy mahazo mankahala anareo izao tontolo izao; fa Izaho no halany, satria milaza fa ratsy ny asany. | The world cannot hate you; but me it hateth, because I testify of it, that the works thereof are evil. |
| 8 | Miakara ho amin’ ny andro firavoravoana ianareo; fa Izaho tsy mbola miakatra ho amin’ ity andro firavoravoana ity; satria tsy mbola tonga ny fotoako. | Go ye up unto this feast: I go not up yet unto this feast; for my time is not yet full come. |
| 9 | Ary rehefa nilaza izany teny izany taminy Izy, dia mbola nitoetra tany Galilia ihany. | When he had said these words unto them, he abode still in Galilee. |
| 10 | Fa rehefa lasa niakatra ho amin’ ny andro firavoravoana ny rahalahiny, dia niakatra koa Izy, nefa tsy mba nisehoseho, fa toa niafinafina. | But when his brethren were gone up, then went he also up unto the feast, not openly, but as it were in secret. |
| 11 | Ary ny Jiosy dia nitady Azy tamin’ ny andro firavoravoana ka nanao hoe: Aiza Izy? | Then the Jews sought him at the feast, and said, Where is he? |
| 12 | Ary nitakoritsika Azy be ihany ny vahoaka. Hoy ny sasany: Tsara fanahy Izy; fa hoy kosa ny sasany; Tsia; fa mamitaka ny vahoaka Izy. | And there was much murmuring among the people concerning him: for some said, He is a good man: others said, Nay; but he deceiveth the people. |
| 13 | Nefa tsy nisy sahy niresaka Azy miharihary noho ny fahatahorany ny Jiosy. | Howbeit no man spake openly of him for fear of the Jews. |
| 14 | Ary rehefa nisasaka ny andro firavoravoana, dia niakatra teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy ka nampianatra. | Now about the midst of the feast Jesus went up into the temple, and taught. |
| 15 | Dia gaga ny Jiosy ka nanao hoe: Ahoana no nahaizan’ ilehity soratra, nefa tsy mba nianatra Izy? | And the Jews marvelled, saying, How knoweth this man letters, having never learned? |
| 16 | Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’ izay naniraka Ahy. | Jesus answered them, and said, My doctrine is not mine, but his that sent me. |
| 17 | Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ ny fampianarana izy, na avy amin’ Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho. | If any man will do his will, he shall know of the doctrine, whether it be of God, or whether I speak of myself. |
| 18 | Izay miteny ho azy dia mitady ny voninahitry ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr’ izay naniraka azy no marina, ary tsy misy tsi-fahamarinana ao aminy. | He that speaketh of himself seeketh his own glory: but he that seeketh his glory that sent him, the same is true, and no unrighteousness is in him. |
| 19 | Tsy Mosesy va no nanome anareo ny lalàna? nefa tsy misy eo aminareo mankatò ny lalàna. Nahoana ianareo no mitady hamono Ahy? | Did not Moses give you the law, and yet none of you keepeth the law? Why go ye about to kill me? |
| 20 | Ny vahoaka namaly hoe: Manana demonia Hianao; iza no mitady hamono Anao? | The people answered and said, Thou hast a devil: who goeth about to kill thee? |
| 21 | Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Asa iray loha ihany no nataoko, ka gaga avokoa ianareo rehetra. | Jesus answered and said unto them, I have done one work, and ye all marvel. |
| 22 | Izao no nanomezan’ i Mosesy anareo ny famorana: tsy noho izy avy tamin’ i Mosesy, fa noho izy avy tamin’ ny razana, ka na dia amin’ ny Sabata aza dia mamora olona ihany ianareo. | Moses therefore gave unto you circumcision; (not because it is of Moses, but of the fathers;) and ye on the sabbath day circumcise a man. |
| 23 | Raha amin’ ny Sabata aza no amorana olona, mba tsy hahafoana ny lalàn’ i Mosesy, dia tezitra amiko va ianareo, satria nisy olona anankiray nataoko sitrana avokoa ny tenany rehetra tamin’ ny Sabata. | If a man on the sabbath day receive circumcision, that the law of Moses should not be broken; are ye angry at me, because I have made a man every whit whole on the sabbath day? |
| 24 | Aza mitsara araka ny miseho, fa mba mitsarà marina. | Judge not according to the appearance, but judge righteous judgment. |
| 25 | Ary ny mponina sasany tany Jerosalema dia nanao hoe: Tsy Ilehity va Ilay tadiaviny hovonoina? | Then said some of them of Jerusalem, Is not this he, whom they seek to kill? |
| 26 | Ary indro Izy miteny miharihary, nefa tsy misy miteny Azy akory. Sao efa fantatry ny mpanapaka anie fa Io no Kristy? | But, lo, he speaketh boldly, and they say nothing unto him. Do the rulers know indeed that this is the very Christ? |
| 27 | Nefa fantatsika izay nihavian’ ilehio, fa raha avy Kristy, tsy misy mahalala izay hihaviany. | Howbeit we know this man whence he is: but when Christ cometh, no man knoweth whence he is. |
| 28 | Dia niantso teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy, raha nampianatra, ka nanao hoe: Izaho dia fantatrareo, sady fantatrareo koa izay nihaviako; ary tsy avy ho Ahy Aho, fa marina ny naniraka Ahy, Izay tsy fantatrareo. | Then cried Jesus in the temple as he taught, saying, Ye both know me, and ye know whence I am: and I am not come of myself, but he that sent me is true, whom ye know not. |
| 29 | Izaho mahalala Azy; fa Izy no nihaviako, ka Izy no naniraka Ahy. | But I know him: for I am from him, and he hath sent me. |
| 30 | Dia nitady hisambotra Azy ny olona; kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy, satria tsy mbola tonga ny fotoany. | Then they sought to take him: but no man laid hands on him, because his hour was not yet come. |
| 31 | Ary maro ny vahoaka no nino Azy ka nanao hoe: Raha tonga Kristy, moa hanao famantarana maro mihoatra noho ny nataon’ ity Lehilahy ity va Izy? | And many of the people believed on him, and said, When Christ cometh, will he do more miracles than these which this man hath done? |
| 32 | Ny Fariseo nandre ny vahoaka nitakoritsika izany zavatra izany ny aminy; ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo dia naniraka mpiandry raharaha mba hisambotra Azy. | The Pharisees heard that the people murmured such things concerning him; and the Pharisees and the chief priests sent officers to take him. |
| 33 | Dia hoy Jesosy: Kely foana no itoerako aminareo, dia hankany amin’ izay naniraka Ahy Aho. | Then said Jesus unto them, Yet a little while am I with you, and then I go unto him that sent me. |
| 34 | Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako dia tsy azonareo haleha. | Ye shall seek me, and shall not find me: and where I am, thither ye cannot come. |
| 35 | Dia niresaka hoe ny Jiosy: Hankaiza moa no halehan’ ilehity, no tsy ho hitantsika? Hankany amin’ izay miely any amin’ ny Grika va Izy ka hampianatra ny Grika? | Then said the Jews among themselves, Whither will he go, that we shall not find him? will he go unto the dispersed among the Gentiles, and teach the Gentiles? |
| 36 | Ahoana re izao teny nolazainy izao hoe: Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako tsy azonareo haleha? | What manner of saying is this that he said, Ye shall seek me, and shall not find me: and where I am, thither ye cannot come? |
| 37 | Ary tamin’ ny andro farany, izay andro lehibe tamin’ ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. | In the last day, that great day of the feast, Jesus stood and cried, saying, If any man thirst, let him come unto me, and drink. |
| 38 | Izay mino Ahy, dia hisy onin’ ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan’ ny Soratra Masìna. | He that believeth on me, as the scripture hath said, out of his belly shall flow rivers of living water. |
| 39 | Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin’ ny mino Azy, no nolazainy tamin’ izany; fa ny Fanahy tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin’ ny voninahiny. | (But this spake he of the Spirit, which they that believe on him should receive: for the Holy Ghost was not yet given; because that Jesus was not yet glorified.) |
| 40 | Ary ny sasany tamin’ ny vahoaka, raha nandre izany teny izany, dia nanao hoe: Ity tokoa no Ilay Mpaminany. | Many of the people therefore, when they heard this saying, said, Of a truth this is the Prophet. |
| 41 | Hoy ny sasany: Ity no Kristy. Fa hoy kosa ny sasany: Avy any Galilia va no ihavian’ i Kristy? | Others said, This is the Christ. But some said, Shall Christ come out of Galilee? |
| 42 | Tsy voalazan’ ny Soratra Masìna va fa Kristy dia avy amin’ ny taranak’ i Davida, sady avy ao Betlehema, vohitra nonenan’ i Davida? | Hath not the scripture said, That Christ cometh of the seed of David, and out of the town of Bethlehem, where David was? |
| 43 | Dia nisara-tsaina ny amin’ i Jesosy ny vahoaka. | So there was a division among the people because of him. |
| 44 | Ary ny sasany nitady hisambotra Azy; kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy. | And some of them would have taken him; but no man laid hands on him. |
| 45 | Ary ny mpiandry raharaha nankeo amin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo, ka hoy izy ireo taminy: Nahoana ianareo no tsy nitondra Azy? | Then came the officers to the chief priests and Pharisees; and they said unto them, Why have ye not brought him? |
| 46 | Ny mpiandry raharaha namaly hoe: Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany. | The officers answered, Never man spake like this man. |
| 47 | Ary ny Fariseo namaly azy hoe: Hianareo koa va voafitaka? | Then answered them the Pharisees, Are ye also deceived? |
| 48 | Moa misy mpanapaka na Fariseo mba nino Azy? | Have any of the rulers or of the Pharisees believed on him? |
| 49 | Fa voaozona ireto vahoaka ireto, izay tsy mahalala ny lalàna. | But this people who knoweth not the law are cursed. |
| 50 | Ary Nikodemosy, anankiray teo aminy, dia ilay nankeo amin’ i Jesosy teo aloha, dia nanao taminy hoe: | Nicodemus saith unto them, (he that came to Jesus by night, being one of them,) |
| 51 | Moa manameloka olona va ny lalàntsika, raha tsy mbola mihaino azy aloha ka mahafantatra izay nataony? | Doth our law judge any man, before it hear him, and know what he doeth? |
| 52 | Izy ireo namaly ka nanao taminy hoe: Hianao koa angaha mba avy any Galilia? Diniho, dia ho hitanao fa tsy mba misy mpaminany avy any Galilia. | They answered and said unto him, Art thou also of Galilee? Search, and look: for out of Galilee ariseth no prophet. |
| 53 | [Dia samy lasa nody ho any an-tranony avy izy rehetra; | And every man went unto his own house. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL