로그인

역대상 3장 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 역대상 (1 Chronicles) · 24절

  1. 1 Ary izao no zanakalahin’ i Davida, izay naterany tao Hebrona: Amnona, zanak’ i Ahinoama Jezirelita, no lahimatoa; ary Daniela, zanak’ i Abigaila Karmelita, no lahiaivo;
  2. 2 Absaloma, zanak’ i Maka, zanakavavin’ i Talmay, mpanjakan’ i Gesora, no fahatelo; Adonia, zanak’ i Hagita, no fahefatra;
  3. 3 Sefatia, zanak’ i Abitala, no fahadimy; Jitreama, zanak’ i Egla vadiny, no fahenina.
  4. 4 Ireo enina ireo no naterany tao Hebrona; fa tao no nanjakany fito taona sy enim-bolana; ary tany Jerosalema kosa no nanjakany telo amby telo-polo taona.
  5. 5 Ary izao no naterany tany Jerosalema: Simea sy Sobaba sy Natana ary Solomona (ireo efa-dahy ireo no naterak’ i Batsoa, zanakavavin’ i Amiela)
  6. 6 sy Jibara sy Elisama sy Elifeleta
  7. 7 sy Noga sy Nafega sy Jafia
  8. 8 sy Elisama sy Eliada ary Elifeleta; dia sivy kosa ireo.
  9. 9 Ireo rehetra ireo no zanakalahin’ i Davida, afa-tsy ny zanaky ny vaditsindranony sy Tamara, anabavin’ ireo.
  10. 10 Ary ny zanakalahin’ i Solomona dia Rehoboama, Abia no zanakalahin-dRehoboama, Asa no zanakalahin’ i Abia, Josafata no zanakalahin’ i Asa,
  11. 11 Jehorama no zanakalahin’ i Josafata, Ahazia no zanakalahin’ i Jehorama. Joasy no zanakalahin’ i Ahazia,
  12. 12 Amazia no zanakalahin’ i Joasy, Azaria no zanakalahin’ Amazia, Jotama no zanakalahin i Azaria,
  13. 13 Ahaza no zanakalahin’ i Jotama Hezekia no zanakalahin’ i Ahaza, Manase no zanakalahin’ i Hezetia,
  14. 14 Amona no zanakalahin’ i Manase, Josia no zanakalahin’ i Amona.
  15. 15 Ary izao no zanakalahin’ i Josia: Johanana, lahimatoa, Joiakima, lahiaivo, Zedekia, fahatelo, Saloma, faralahy.
  16. 16 Ary ny zanakalahin’ i Joiakima dia Jekonia, ary Zedekia no zanak’ i Jekonia.
  17. 17 Ary ny zanakalahin’ Jekonia dia Asira, Sealtiela no zanak’ i Asira,
  18. 18 ary Malkirama koa sy Pedaia sy Senazara sy Jekamia sy Hosama ary Nedabia.
  19. 19 Ary ny zanakalahin’ i Pedaia dia Zerobabela sy simey. Ary ny zanakalahin’ i Zerobabela dia Mesolama sy Hanania ary Selomita, anabaviny,
  20. 20 ary Hasoba sy Ohela sy Berekia sy Hasadia ary Josaba-heseda; dimy izy.
  21. 21 Ary ny zanakalahin’ i Hanania dia Pelatia sy Jisaia sy ny zanakalahin’ i Rafaia sy ny zanakalahin’ i Arnana sy ny zanakalahin’ i Obadia ary ny zanakalahin’ i Sekania.
  22. 22 Ary ny zanakalahin’ i Sekania dia Semaia. Ary ny zanakalahin’ i Semaia dia Hatosy sy Jigala sy Baria sy Nearia ary Safata; enina izy.
  23. 23 Ary ny zanakalahin’ i Nearia dia Elioenay sy Hezekia ary Azrikama; telo izy.
  24. 24 Ary ny zanakalahin’ i Elioenay dia Hodaia sy Eliasiba sy Pelaia sy Akoba sy Johanana sy Delaia ary Anany; fito izy.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗