로그인

역대상 2장 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 역대상 (1 Chronicles) · 55절

  1. 1 Izao no zanakalahin’ Isiraely: Robena sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara sy Zebolona
  2. 2 sy Dana sy Josefa sy Benjamina sy Naftaly sy Gada ary Asera.
  3. 3 Ny zanakalahin’ i Joda dia Era sy Onana ary Sela; ireo telo ireo no naterak’ i Batsoa Kananita taminy. Ary ratsy fanahy teo imason’ i Jehovah Era, lahimatoan’ i Joda, dia nahafaty azy Jehovah.
  4. 4 Ary Tamara vinantoni-vavy niteraka an’ i Fareza sy Zera taminy. Dimy no zanakalahin’ i Joda rehetra.
  5. 5 Ny zanakalahin’ i Fareza dia Hezrona sy Hamola.
  6. 6 Ary ny zanakalahin’ i Zera dia Zimry sy Etana sy Hemana sy Kalkola ary Dara; dimy lahy no isany.
  7. 7 Ary ny zanakalahin’ i Karmy dia Akara, izay nampidi-doza tamin’ ny Isiraely, dia ilay nandika ny didy ny amin’ ny zavatra voaozona.
  8. 8 Ary ny zanakalahin’ i Etana dia Azaria.
  9. 9 Ary ny zanakalahin’ i Hezrona izay naterany dia Jeramela sy Rama ary Kelobay;
  10. 10 ary Rama niteraka an’ i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an’ i Nasona, lohan’ ny taranak’ i Joda;
  11. 11 ary Nasona niteraka an’ i Salma; ary Salma niteraka an’ i Boaza;
  12. 12 ary Boaza niteraka an’ i Obeda; ary Obeda niteraka an’ i Jese;
  13. 13 ary Jese niteraka an’ i Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, sy Simea, fahatelo,
  14. 14 sy Netanela, fahefatra, sy Raday, fahadimy,
  15. 15 sy Ozema, fahenina, ary Davida, faralahy;
  16. 16 Zeroba sy Abigaila no anabaviny; ary telo ny zanakalahin’ i Zeroia, dia Abisay sy Joaba ary Asahela;
  17. 17 ary Abigaila niteraka an’ i Amasa; ary Jitra Isimaelita no rain’ i Amasa.
  18. 18 Ary Kaleba, zanakalahin’ i Hezrona, niteraka tamin’ i Azoba vadiny sy tamin’ i Jeriota. Izao no zanakalahin’ i Azoba: Jasera sy Sobaba ary Ardona.
  19. 19 Ary nony maty Azoba, dia Efrata no nalain’ i Kaleba ho vadiny, ary izy niteraka an’ i Hora taminy;
  20. 20 ary Hora niteraka an’ i Ory; ary Ory niteraka an’ i Bezalila.
  21. 21 Ary nony afaka izany, Hezrona niray tamin’ ny zanakavavin’ i Makira, rain’ i Gileada, izay novadiny rehefa enim-polo taona izy, dia niteraka an’ i Segoba taminy ravehivavy;
  22. 22 ary Segoba niteraka an’ i Jaïra, izay nanana tanàna madinika telo amby roa-polo tany amin’ ny tany Gileada.
  23. 23 Ary nalain’ i Gesora sy Arama tamin’ ny Jairita ny tanàna madinika an’ i Jaïra mbamin’ i Kenata sy ny zana-bohiny, dia tanàna enim-polo izany. Ireo rehetra ireo no an’ ny zanak’ i Makira, rain’ i Gileada.
  24. 24 Ary nony maty Hezrona tany Kaleba-efrata, Abia, vadin’ i Hezrona, dia niteraka an’ i Asora, razamben’ ny any Tekoa, taminy.
  25. 25 Ary ny zanakalahin’ i Jeramela, lahimatoan’ i Hezrona, dia Rama, lahimatoa, sy Bona sy Orena sy Ozema ary Ahia.
  26. 26 Jeramela nanana vady hafa koa atao hoe Atara; izy no renin’ i Onama.
  27. 27 Ary ny zanakalahin’ i Rama, lahimatoan’ i Jeramela, dia Maza sy Jamina ary Ekera.
  28. 28 Ary ny zanakalahin’ i Onama dia Samay sy Jada. Ary ny zanakalahin’ i Samay dia Nadaba sy Abisora.
  29. 29 Ary ny anaran’ ny vadin’ i Abisora dia Abihaila; ary izy niteraka an’ i Abana sy Molida taminy.
  30. 30 Ary ny zanakalahin’ i Nadaba dia Saleda sy Apaima; fa maty momba Saleda.
  31. 31 Ary ny zanakalahin’ i Apaima dia Jisy Ary ny zanakalahin’ i Jisy dia Sesana. Ary ny zanakalahin’ i Sesana dia Ahelay.
  32. 32 Ary ny zanakalahin’ i Jada, rahalahin’ i Samay, dia Jatera sy Jonatana; nefa maty momba Jatera.
  33. 33 Ary ny zanakalahin’ i Jonatana dia Paleta sy Zaza. Ireo no zanakalahin’ i Jeramela.
  34. 34 Ary Sesana tsy nanana zanakalahy, fa vavy avokoa. Ary Sesana nanana mpanompo Egyptiana, Jara no anarany.
  35. 35 Ary ny zananivavy nomen’ i Sesana ho vadin’ i Jara mpanompony; ary izy niteraka an’ i Atahy taminy.
  36. 36 Ary Atahy niteraka an’ i Natana; ary Natana niteraka an’ i Zabada;
  37. 37 ary Zabada niteraka an’ i Efiala; ary Efiala niteraka an’ i Obeda;
  38. 38 ary Obeda niteraka an’ i Jeho; ary Jeho niteraka an’ i Azaria;
  39. 39 ary Azaria niteraka an’ i Haleza; ary Haleza niteraka an’ i Elasa;
  40. 40 ary Elasa niteraka an’ i Sismay; ary Sismay niteraka an’ i Saloma;
  41. 41 ary Saloma niteraka an’ i Jekamia; ary Jekamia niteraka an’ i Elisama.
  42. 42 Ary ny zanakalahin’ i Kaleba, rahalahin’ i Jeramela, dia Mesa, lahimatoa, razamben’ ny any Zifa, sy ny zanakalahin’ i Maresa, razamben’ ny any Hebrona.
  43. 43 Ary ny zanakalahin’ i Hebrona dia Kora sy Tapoa sy Rakema ary Sema.
  44. 44 Ary Sema niteraka an’ i Rahama, rain’ i Jorkeama, ary Rakema niteraka an’ i Samay;
  45. 45 ary ny zanakalahin’ i Samay dia Maona, ary Maona no razamben’ ny any Beti-zora;
  46. 46 ary Efaha, vaditsindranon’ i Kaleba, niteraka an’ i Harana sy Moza sy Gazeza; ary Harana niteraka an’ i Gazeza.
  47. 47 Ary ny zanakalahin’ i Jeday dia Ragema sy Jotama sy Gesana sy Paleta sy Efaha ary Safa.
  48. 48 Maka, vaditsindranon’ i Kaleba, niteraka an’ i Sabera sy Tirana.
  49. 49 Izy koa niteraka an’ i Safa, razamben’ ny any Madmana, sy Seva, razamben’ ny any Makbena sady razamben’ ny any Gibea; ary ny zanakavavin’ i Kaleba dia Aksa.
  50. 50 Izao no zanakalahin’ i Kaleba, zanak’ i Hora, lahimatoan’ i Efrata: Sobala, razamben’ ny any Kiriata-Jearima,
  51. 51 Salma, razamben’ ny any Betlehema, Harefa, razamben’ ny any Beti-gadera.
  52. 52 Ary Sobala, razamben’ ny any Kiriata Zarima, nanan-janakalahy, dia Haroe sy Hatsi-hamenokota
  53. 53 ary ny fokon’ i Kiriata-Jearima koa, dia ny Jitrita sy ny Potita sy ny Somatita ary ny Misraïta; avy tamin’ ireo no nihavian’ ny Zoraïta sy ny Estaolita.
  54. 54 Ny zanakalahin’ i Salma dia Betlehema sy ny Netofatita sy Atrota-beti-joaba ary Hatsi-hamanatita sy ny Zoraïta
  55. 55 ary ny fokon’ ny mpanoratra izay nonina tany Jabeza, dia ny Tiratita sy ny Simeatita ary ny Sokatita. Ireo no Kenita avy tamin’ i Hamata, rain’ ny taranak’ i Rekaba.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗