역대상 4장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 역대상 (1 Chronicles) · 43절
- 1 Ny zanakalahin’ i Joda dia Fareza sy Hezrona sy Karmy sy Hora ary Sobala.
- 2 Ary Reaia, zanakalahin’ i Sobala, niteraka an’ i Jahata; ary Jahata niteraka an’ i Ahomay sy Lahada. Ireo no fokon’ ny Zoraïta.
- 3 Ary izao no avy amin’ ny rain’ i Etama: Jezirela sy Jisma ary Jidbasy, ary Hazelelpony no anaran’ ny anabaviny,
- 4 ary Penoela, rain’ i Gedora, sy Ezera, rain’ i Hosa. Ireo no zanak’ i Hora, lahimatoan’ i Efrata, razamben’ ny any Betlehema.
- 5 Ary Asora, razamben’ ny any Tekoa, namporafy, dia Hela sy Nara.
- 6 Ary Nara niteraka an’ i Ahozama sy Hafera sy Temeny ary Hahastary. Ireo no zanakalahin’ i Nara.
- 7 Ary ny zanakalahin’ i Hela dia Zareta sy Jizara ary Etnana.
- 8 Ary Hakoza niteraka an’ i Anoba sy Zobeba ary ny fokon’ i Aharela, zanakalahin’ i Haroma.
- 9 Ary Jabeza dia nalaza noho ny rahalahiny; ary ny reniny nanao ny anarany hoe Jabeza, fa hoy izy: Ory aho, raha niteraka azy.
- 10 Ary Jabeza niantso an’ Andriamanitry ny Isiraely hoe: Enga anie ka hotahinao tokoa aho, ka hohalalahinao ny fari-taniko, ary ho amiko ny tananao, ka harovanao amin’ ny ratsy aho, mba tsy hampahory ahy izany. Ary dia nomen’ Andriamanitra azy ny nangatahiny.
- 11 Ary Keloba, rahalahin’ i Soha, niteraka an’ i Mehira, rain’ i Estona;
- 12 ary Estona niteraka an’ i Betirafa sy Pasea ary Tehina, rain’ Ir-nahasa. Ireo dia mponina tao Reka.
- 13 Ary ny zanakalahin’ i Kenaza dia Otniela sy Seraia; ary ny zanakalahin’ i Otniela dia Hatata.
- 14 Ary Meonotahy niteraka an’ i Ofra; ary Seraia niteraka an’ i Joaba, razamben’ ny ao an-dohasahan’ ny mpiasa; fa mpiasa ireo.
- 15 Ary ny zanakalahin’ i Kaleba, zanakalahin’ i Jefone, dia Iro sy Elaha sy Nama; ary ny zanakalahin’ i Elaha dia Kenaza.
- 16 Ary ny zanakalahin’ i Jehalalila dia Zifa sy Zifaha sy Tiria ary Asarela.
- 17 Ary ny zanakalahin’ i Ezra dia Jatera sy Mareda sy Efera ary Jalona; ary izy niteraka an’ i Miriama sy Samay ary Jisba, razamben’ ny any Estemoa.
- 18 Ary Jehodia vadiny niteraka an’ i Jareda, razamben’ ny any Gedora, sy Hebera, razamben’ ny any Soko, ary Jakotiela, razamben’ ny any Zanoa. Ireo no zanakalahin’ i Bitia, zanakavavin’ i Farao, izay novadin’ i Mareda.
- 19 Ary ny zanakalahin’ i Hodia vadiny, izay anabavin’ i Nahama, dia ny razamben’ ny an’ i Keila Garmita sy Estemoa Makatita.
- 20 Ary ny zanakalahin’ i Simona dia Amnona sy Rina sy Ben-hanana ary Tilona. Ary ny zanakalahin’ i Jisy dia Zoheta sy Ben-zoheta.
- 21 Ary ny zanakalahin’ i Sela, zanak’ i Joda, dia Era, rain’ i Leka, sy Lada, rain’ i Maresa, sy ny fokon’ ny mpanao rongony fotsy madinika amin’ ny ankohonan’ i Asbea;
- 22 ary Jokima sy ny mponina tao Kozeba ary Joasy sy Sarafa, izay samy nanapaka tany Moaba, ary Jasobi-lehema. Ary efa ela izany zavatra izany.
- 23 Ireo no mpanefy vilany sy mponina tany Netaima sy Gadera; tany no nitoerany tamin’ ny mpanjaka hanao ny asany.
- 24 Ny zanakalahin’ i Simeona dia Nemoela sy Jamina sy Jariba sy Zera ary Saoly,
- 25 dia Saloma no zanakalahin’ i Saoly, Mibsama no zanakalahin’ i Saloma, Misma no zanakalahin’ i Mibsama.
- 26 Ary ny zanakalahin’ i Misma dia Hamoela, ary Zakora no zanakalahin’ i Hamoela, Simey no zanakalahin’ i Zakora.
- 27 Ary Simey nanan-janaka enina ambin’ ny folo lahy sy enim-bavy; fa ny rahalahiny tsy nanan-janaka maro, sady tsy nihamaro tahaka ny taranak’ i Joda ny fokony rehetra.
- 28 Ary izy nonina tao Beri-sheba sy Molada sy Hazara-soala
- 29 sy Bila sy Ezema sy Tolada
- 30 sy Betoela sy Horma sy Ziklaga
- 31 sy Beti-markabota sy Hazora-sosima sy Beti-biry ary Saraima. Ireo no tanàna nonenany mandra-panjakan’ i Davida.
- 32 Ary ny zana-bohiny dia Etama sy Aina sy Rimona sy Tokena ary Asana, tanana dimy ireo,
- 33 ary ny zana-bohiny rehetra koa izay manodina izany tanàna izany hatrany Bala. Ireo no fonenany sady nanana fitantaram-pirazanana manokana izy.
- 34 Ary Mesobaba sy Jamleka sy Josa, zanak’ i Amazia,
- 35 ary Joela sy Jeho, zanak’ i Josibia, zanak’ i Seraia, zanak’ i Asiela,
- 36 ary Elioenay sy Jakoba sy Jesohaia sy Asaia sy Adiela sy Jesimiela sy Benaia
- 37 sy Ziza, zanak’ i Sify, zanak’ i Alona, zanak’ i Jedaia, zanak’ i Simry, zanak’ i Semaia;
- 38 ireo voalaza anarana ireo dia samy lohany tamin’ ny fotony avy; ary efa nihamaro indrindra ny fianakaviany.
- 39 Ary nankany amin’ ny fidirana ho any Gedora izy, dia hatramin’ ny ilany atsinanana amin’ ny lohasaha, hitady ahitra ho an’ ny ondriny aman’ osiny.
- 40 Ary nahita ahitra maitso sady tsara izy, ary malalaka ny tany sady nandry fahizay; nefa ny taranak’ i Hama no nonina tany taloha.
- 41 Ary ireo voasoratra anarana ireo dia tonga tao tamin’ ny andron’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, ka namely ny lay sy ny fonenana hitany tao sy nandringana azy rehetra mandraka ankehitriny, dia nonina nisolo azy; fa nisy ahitra ho an’ ny ondriny aman’ osiny tany.
- 42 Ary nisy lehilahy dimam-jato tamin’ ny taranak’ i Simeona nankany amin’ ny tendrombohitra Seïra ka nanana an’ i Peletia sy Nearia sy Refaia ary Oziela, zanakalahin’ i Jisy, ho mpifehy azy.
- 43 Ary namely ny sisa afaka tamin’ ny Amalekita izy, ka dia monina ao mandraka androany.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗