역대상 3장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 역대상 (1 Chronicles) · 24절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary izao no zanakalahin’ i Davida, izay naterany tao Hebrona: Amnona, zanak’ i Ahinoama Jezirelita, no lahimatoa; ary Daniela, zanak’ i Abigaila Karmelita, no lahiaivo; | Now these were the sons of David, which were born unto him in Hebron; the firstborn Amnon, of Ahinoam the Jezreelitess; the second Daniel, of Abigail the Carmelitess: |
| 2 | Absaloma, zanak’ i Maka, zanakavavin’ i Talmay, mpanjakan’ i Gesora, no fahatelo; Adonia, zanak’ i Hagita, no fahefatra; | The third, Absalom the son of Maachah the daughter of Talmai king of Geshur: the fourth, Adonijah the son of Haggith: |
| 3 | Sefatia, zanak’ i Abitala, no fahadimy; Jitreama, zanak’ i Egla vadiny, no fahenina. | The fifth, Shephatiah of Abital: the sixth, Ithream by Eglah his wife. |
| 4 | Ireo enina ireo no naterany tao Hebrona; fa tao no nanjakany fito taona sy enim-bolana; ary tany Jerosalema kosa no nanjakany telo amby telo-polo taona. | These six were born unto him in Hebron; and there he reigned seven years and six months: and in Jerusalem he reigned thirty and three years. |
| 5 | Ary izao no naterany tany Jerosalema: Simea sy Sobaba sy Natana ary Solomona (ireo efa-dahy ireo no naterak’ i Batsoa, zanakavavin’ i Amiela) | And these were born unto him in Jerusalem; Shimea, and Shobab, and Nathan, and Solomon, four, of Bath–shua the daughter of Ammiel: |
| 6 | sy Jibara sy Elisama sy Elifeleta | Ibhar also, and Elishama, and Eliphelet, |
| 7 | sy Noga sy Nafega sy Jafia | And Nogah, and Nepheg, and Japhia, |
| 8 | sy Elisama sy Eliada ary Elifeleta; dia sivy kosa ireo. | And Elishama, and Eliada, and Eliphelet, nine. |
| 9 | Ireo rehetra ireo no zanakalahin’ i Davida, afa-tsy ny zanaky ny vaditsindranony sy Tamara, anabavin’ ireo. | These were all the sons of David, beside the sons of the concubines, and Tamar their sister. |
| 10 | Ary ny zanakalahin’ i Solomona dia Rehoboama, Abia no zanakalahin-dRehoboama, Asa no zanakalahin’ i Abia, Josafata no zanakalahin’ i Asa, | And Solomon’s son was Rehoboam, Abia his son, Asa his son, Jehoshaphat his son, |
| 11 | Jehorama no zanakalahin’ i Josafata, Ahazia no zanakalahin’ i Jehorama. Joasy no zanakalahin’ i Ahazia, | Joram his son, Ahaziah his son, Joash his son, |
| 12 | Amazia no zanakalahin’ i Joasy, Azaria no zanakalahin’ Amazia, Jotama no zanakalahin i Azaria, | Amaziah his son, Azariah his son, Jotham his son, |
| 13 | Ahaza no zanakalahin’ i Jotama Hezekia no zanakalahin’ i Ahaza, Manase no zanakalahin’ i Hezetia, | Ahaz his son, Hezekiah his son, Manasseh his son, |
| 14 | Amona no zanakalahin’ i Manase, Josia no zanakalahin’ i Amona. | Amon his son, Josiah his son. |
| 15 | Ary izao no zanakalahin’ i Josia: Johanana, lahimatoa, Joiakima, lahiaivo, Zedekia, fahatelo, Saloma, faralahy. | And the sons of Josiah were, the firstborn Johanan, the second Jehoiakim, the third Zedekiah, the fourth Shallum. |
| 16 | Ary ny zanakalahin’ i Joiakima dia Jekonia, ary Zedekia no zanak’ i Jekonia. | And the sons of Jehoiakim: Jeconiah his son, Zedekiah his son. |
| 17 | Ary ny zanakalahin’ Jekonia dia Asira, Sealtiela no zanak’ i Asira, | And the sons of Jeconiah; Assir, Salathiel his son, |
| 18 | ary Malkirama koa sy Pedaia sy Senazara sy Jekamia sy Hosama ary Nedabia. | Malchiram also, and Pedaiah, and Shenazar, Jecamiah, Hoshama, and Nedabiah. |
| 19 | Ary ny zanakalahin’ i Pedaia dia Zerobabela sy simey. Ary ny zanakalahin’ i Zerobabela dia Mesolama sy Hanania ary Selomita, anabaviny, | And the sons of Pedaiah were, Zerubbabel, and Shimei: and the sons of Zerubbabel; Meshullam, and Hananiah, and Shelomith their sister: |
| 20 | ary Hasoba sy Ohela sy Berekia sy Hasadia ary Josaba-heseda; dimy izy. | And Hashubah, and Ohel, and Berechiah, and Hasadiah, Jushab–hesed, five. |
| 21 | Ary ny zanakalahin’ i Hanania dia Pelatia sy Jisaia sy ny zanakalahin’ i Rafaia sy ny zanakalahin’ i Arnana sy ny zanakalahin’ i Obadia ary ny zanakalahin’ i Sekania. | And the sons of Hananiah; Pelatiah, and Jesaiah: the sons of Rephaiah, the sons of Arnan, the sons of Obadiah, the sons of Shechaniah. |
| 22 | Ary ny zanakalahin’ i Sekania dia Semaia. Ary ny zanakalahin’ i Semaia dia Hatosy sy Jigala sy Baria sy Nearia ary Safata; enina izy. | And the sons of Shechaniah; Shemaiah: and the sons of Shemaiah; Hattush, and Igeal, and Bariah, and Neariah, and Shaphat, six. |
| 23 | Ary ny zanakalahin’ i Nearia dia Elioenay sy Hezekia ary Azrikama; telo izy. | And the sons of Neariah; Elioenai, and Hezekiah, and Azrikam, three. |
| 24 | Ary ny zanakalahin’ i Elioenay dia Hodaia sy Eliasiba sy Pelaia sy Akoba sy Johanana sy Delaia ary Anany; fito izy. | And the sons of Elioenai were, Hodaiah, and Eliashib, and Pelaiah, and Akkub, and Johanan, and Dalaiah, and Anani, seven. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL