에스겔 25장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 에스겔 (Ezekiel) · 17절
- 1 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
- 2 Ry zanak’ olona, manandrifia ny Amonita, ary maminania ny hamelezana azy,
- 3 ka ataovy aminy hoe: Mihainoa ny tenin’ i Jehovah Tompo: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo; Noho ny nanaovanao hoe: Hià! sakoa izay! raha nolotoina ny fitoerako masìna, Ary noravana ny tanin’ ny Isiraely, Sady lasan-ko babo ny taranak’ i Joda,
- 4 Dia indro kosa, hatolotro ho fananan’ ny zanaky ny atsinanana ianao, Ka haoriny ao aminao ny tobiny, ary hataony ao aminao ny fonenany; Ireny no hihinana ny vokatrao sy hisotro ny ronononao.
- 5 Ary Raba dia hataoko tany fitoeran’ ny rameva, ary ny taranak’ i Amona ho tany fandrian’ ny ondry aman’ osy; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
- 6 Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nitehafanao tanana sy ny nitotoanao tamin’ ny tongotrao ary ny nifalian’ ny fonao tamin’ ny fanaovana tsinontsinona ny tanin’ ny Isiraely,
- 7 Dia, indro, hahinjitro aminao ny tanako, ka hatolotro ho babon’ ny jentilisa ianao; Ary hofongorako tsy ho vanon-ko firenena intsony ianao, ka hataoko lany ritra tsy ho amin’ ny tany; Eny, haringako ianao, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
- 8 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovan’ i Moaba sy Seïra hoe: Indro, ny taranak’ i Joda efa tonga tahaka ny firenena rehetra izao,
- 9 Dia, indro, hotatahako kosa ny tanin’ ny Moaba, hatrany amin’ ny tanànany rehetra, izay ravaky ny tany, dia Beti-jesimota sy Bala-meona ary Kiriataima,
- 10 Ho an’ ny zanaky ny atsinanana koa tahaka ny taranak’ i Amona’ ihany, eny, hatolotro ho fananan’ ireny izy, mba tsy hotsarovana ao amin’ ny firenena intsony ny taranak’ i Amona.
- 11 Ary hotanterahiko ny fitsarana an’ i Moaba; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
- 12 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny namelezan’ i Edoma ny taranak’ i Joda tamin’ ny namaliany azy ary ny nanotany indrindra sy ny namaliany azy,
- 13 Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Hahinjitro amin’ i Edoma ny tanako, ka haringako ny olona sy ny biby ao aminy; Ary hataoko lao hatrany Temana izy sy ho lavon’ ny sabatra hatrany Dedana.
- 14 Ary ny tanan’ ny Isiraely oloko no ho entiko mamaly an’ i Edoma, ka hanao aminy araka ny fahatezerako sy ny fahavinirako ireo; Ka dia ho fantany ny famaliako, hoy Jehovah Tompo.
- 15 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny famaliana nataon’ ny Filistina, eny, noho ny namaliany ratsy tamin’ ny nanaovany tsinontsinona azy, ka nandringana noho ny fandrafiany hatry ny fony ela,
- 16 Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hahinjitro amin’ ny Filisitna ny tanako, ka haringako ny keretita, ary horavako izay sisa any amoron-dranomasina;
- 17 Ary famaizana mirehitra no ho entiko manao famaliana lehibe aminy; ka dia ho fantatra-fa Izaho no Jehovah, rehefa hataoko mihatra aminy ny famaliako.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗