에스겔 26장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 에스겔 (Ezekiel) · 21절
- 1 Ary tamin’ ny andro voalohany amin’ ny volana tamin’ ny taona fahiraika ambin’ ny folo dia tonga tamiko ny tenin’ Jehovah nanao hoe: zananivavy.
- 2 Ry zanak’ olona, noho ny nandatsan’ i Tyro an’ i Jerosalema hoe: Hià! sakoa izay! rava ilay vavahadin’ ny firenena! Mba hifindra amiko kosa izao, ka ho feno aho, fa izy kosa ho foana,
- 3 Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hamely anao Aho, ry Tyro, ka hampiakatra ny firenena maro hiady aminao, tahaka ny fampiakatry ny ranomasina ny onjany.
- 4 Ary horavan’ ireo ny mandan’ i Tyro, sady harodany ny tilikambony; Dia hofafako hiala aminy ny vovo-taniny, ka hataoko tahaka ny vatolampy mangadihady izy.
- 5 Ho famelarana harato eo amin’ ny ranomasina izy; Fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo, ka dia ho babon’ ny-firenena izy.
- 6 Ary ny zana-bohiny eny an-tanety dia hovonoina amin’ ny sabatra; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
- 7 Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, ho entiko avy any avaratra ho any Tyro Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, andrianan’ ny andriana, mitondra soavaly sy kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary vahoaka betsaka.
- 8 Ny zana-bohitrao any an-tanety dia hovonoiny amin’ ny sabatra; ary hanandratra tilikambo sy tovon-tany sady hanangana ampinga lehibe hamelezany anao izy.
- 9 Ary hametraka lohondry vy fandravana eo akaikin’ ny mandanao izy, sady horavany amin’ ny fiadiany ny tilikambonao.
- 10 Ho feno ny vovo-taniny ianao noho ny habetsahan’ ny soavaliny; hihorohoro ny mandanao noho ny fikorodondrodon’ ny mpitaingin-tsoavaly sy ny kodia sy ny kalesy, raha miditra eo amin’ ny vavahadinao tahaka ny olona miditra amin’ ny tanàna izay voabanga izy.
- 11 Ny kitron-tsoavaliny no hanitsakitsahany ny lalambenao rehetra; ny olonao dia hovonoiny amin’ ny sabatra, ary ny tsangambatonao mafy dia hianjera amin’ ny tany.
- 12 Hobaboiny ny hirenao, horobainy ny rantonao, harodany ny mandanao, horavany ny tranonao mahafinantra; ary ny vatonao sy ny hazonao sy ny vovokao dia hataony any amin’ ny rano.
- 13 Ary hatsahatro ny feon’ ny hiranao, sady tsy ho re intsony ny fanenon’ ny lokanganao.
- 14 Dia hataoko toy ny vatolampy mangadihady ianao ka ho famelarana harato sady tsy haorina intsony; fa Izaho Jehovah no niteny, hoy Jehovah Tompo.
- 15 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo amin’ i Tyro: Tsy hihorohoro va ny moron-dranomasina noho ny fikotrokotroky ny firodananao, raha mitrona ny voatrabaka, ary misy vonoana eo ampovoanao?
- 16 Dia hidina hiala amin’ ny seza fiandrianany ireo andrianan’ ny ranomasina rehetra ka hiala akanjo sy hanaisotra ny fitadiany misoratsoratra; Hovotra no hitafiany, ka hipetraka amin’ ny tany izy; ary hangovitra isaky ny indray mipi-maso izy ka ho gaga anao.
- 17 Ary hanao hira fahalahelovana ny aminao izy ka hanao aminao hoe: Indrisy! rava ianao, ry ilay nonenan’ ny avy any an-dranomasina! Dia ilay tanàna malaza izay nahery teo amin’ ny ranomasina, dia izy mbamin’ ny mponina ao, izay nampahatahotra ny mponina rehetra eo aminy!
- 18 Ankehitriny dia raiki-tahotra ny amoron-dranomasina amin’ ny andro hianjeranao; Eny, toran-kovitra ny nosy any an-dranomasina noho ny haharavanao.
- 19 Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Raha hataoko tanàna lao tahaka ireo tanàna haolo ianao, ary hampiakariko aminao ny rano lalina, ka hosaronan’ ny rano be ianao,
- 20 Dia hampidiniko hiaraka amin’ izay mivarina any an-davaka ianao, Hankany amin’ ny razana, ka hamponeniko any ambanin’ ny tany ianao, dia any amin’ ny fonenana efa lao hatramin’ ny ela, hiaraka amin’ izay mivarina any an-davaka, mba tsy honenana intsony; ary hasiako voninahitra eo amin’ ny velona;
- 21 Dia hataoko fampitahorana ianao, ka tsy ho eo intsony; Eny, hotadiavina ianao, nefa tsy ho hita intsony mandrakizay, hoy Jehovah Tompo.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗