에스겔 25장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 에스겔 (Ezekiel) · 17절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe: | The word of the Lord came again unto me, saying, |
| 2 | Ry zanak’ olona, manandrifia ny Amonita, ary maminania ny hamelezana azy, | Son of man, set thy face against the Ammonites, and prophesy against them; |
| 3 | ka ataovy aminy hoe: Mihainoa ny tenin’ i Jehovah Tompo: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo; Noho ny nanaovanao hoe: Hià! sakoa izay! raha nolotoina ny fitoerako masìna, Ary noravana ny tanin’ ny Isiraely, Sady lasan-ko babo ny taranak’ i Joda, | And say unto the Ammonites, Hear the word of the Lord God; Thus saith the Lord God; Because thou saidst, Aha, against my sanctuary, when it was profaned; and against the land of Israel, when it was desolate; and against the house of Judah, when they went into captivity; |
| 4 | Dia indro kosa, hatolotro ho fananan’ ny zanaky ny atsinanana ianao, Ka haoriny ao aminao ny tobiny, ary hataony ao aminao ny fonenany; Ireny no hihinana ny vokatrao sy hisotro ny ronononao. | Behold, therefore I will deliver thee to the men of the east for a possession, and they shall set their palaces in thee, and make their dwellings in thee: they shall eat thy fruit, and they shall drink thy milk. |
| 5 | Ary Raba dia hataoko tany fitoeran’ ny rameva, ary ny taranak’ i Amona ho tany fandrian’ ny ondry aman’ osy; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. | And I will make Rabbah a stable for camels, and the Ammonites a couchingplace for flocks: and ye shall know that I am the Lord. |
| 6 | Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nitehafanao tanana sy ny nitotoanao tamin’ ny tongotrao ary ny nifalian’ ny fonao tamin’ ny fanaovana tsinontsinona ny tanin’ ny Isiraely, | For thus saith the Lord God; Because thou hast clapped thine hands, and stamped with the feet, and rejoiced in heart with all thy despite against the land of Israel; |
| 7 | Dia, indro, hahinjitro aminao ny tanako, ka hatolotro ho babon’ ny jentilisa ianao; Ary hofongorako tsy ho vanon-ko firenena intsony ianao, ka hataoko lany ritra tsy ho amin’ ny tany; Eny, haringako ianao, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah. | Behold, therefore I will stretch out mine hand upon thee, and will deliver thee for a spoil to the heathen; and I will cut thee off from the people, and I will cause thee to perish out of the countries: I will destroy thee; and thou shalt know that I am the Lord. |
| 8 | Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovan’ i Moaba sy Seïra hoe: Indro, ny taranak’ i Joda efa tonga tahaka ny firenena rehetra izao, | Thus saith the Lord God; Because that Moab and Seir do say, Behold, the house of Judah is like unto all the heathen; |
| 9 | Dia, indro, hotatahako kosa ny tanin’ ny Moaba, hatrany amin’ ny tanànany rehetra, izay ravaky ny tany, dia Beti-jesimota sy Bala-meona ary Kiriataima, | Therefore, behold, I will open the side of Moab from the cities, from his cities which are on his frontiers, the glory of the country, Beth–jeshimoth, Baal–meon, and Kiriathaim, |
| 10 | Ho an’ ny zanaky ny atsinanana koa tahaka ny taranak’ i Amona’ ihany, eny, hatolotro ho fananan’ ireny izy, mba tsy hotsarovana ao amin’ ny firenena intsony ny taranak’ i Amona. | Unto the men of the east with the Ammonites, and will give them in possession, that the Ammonites may not be remembered among the nations. |
| 11 | Ary hotanterahiko ny fitsarana an’ i Moaba; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah. | And I will execute judgments upon Moab; and they shall know that I am the Lord. |
| 12 | Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny namelezan’ i Edoma ny taranak’ i Joda tamin’ ny namaliany azy ary ny nanotany indrindra sy ny namaliany azy, | Thus saith the Lord God; Because that Edom hath dealt against the house of Judah by taking vengeance, and hath greatly offended, and revenged himself upon them; |
| 13 | Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Hahinjitro amin’ i Edoma ny tanako, ka haringako ny olona sy ny biby ao aminy; Ary hataoko lao hatrany Temana izy sy ho lavon’ ny sabatra hatrany Dedana. | Therefore thus saith the Lord God; I will also stretch out mine hand upon Edom, and will cut off man and beast from it; and I will make it desolate from Teman; and they of Dedan shall fall by the sword. |
| 14 | Ary ny tanan’ ny Isiraely oloko no ho entiko mamaly an’ i Edoma, ka hanao aminy araka ny fahatezerako sy ny fahavinirako ireo; Ka dia ho fantany ny famaliako, hoy Jehovah Tompo. | And I will lay my vengeance upon Edom by the hand of my people Israel: and they shall do in Edom according to mine anger and according to my fury; and they shall know my vengeance, saith the Lord God. |
| 15 | Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny famaliana nataon’ ny Filistina, eny, noho ny namaliany ratsy tamin’ ny nanaovany tsinontsinona azy, ka nandringana noho ny fandrafiany hatry ny fony ela, | Thus saith the Lord God; Because the Philistines have dealt by revenge, and have taken vengeance with a despiteful heart, to destroy it for the old hatred; |
| 16 | Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hahinjitro amin’ ny Filisitna ny tanako, ka haringako ny keretita, ary horavako izay sisa any amoron-dranomasina; | Therefore thus saith the Lord God; Behold, I will stretch out mine hand upon the Philistines, and I will cut off the Cherethims, and destroy the remnant of the sea coast. |
| 17 | Ary famaizana mirehitra no ho entiko manao famaliana lehibe aminy; ka dia ho fantatra-fa Izaho no Jehovah, rehefa hataoko mihatra aminy ny famaliako. | And I will execute great vengeance upon them with furious rebukes; and they shall know that I am the Lord, when I shall lay my vengeance upon them. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL