시편 10편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 18절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Jehovah ô, nahoana no mijanona eny lavitra eny Hianao ka miery amin’ ny andro fahoriana? | Why standest thou afar off, O Lord? why hidest thou thyself in times of trouble? |
| 2 | Noho ny fireharehan’ ny ratsy fanahy dia enjehina mafy ny malahelo; azon’ ny fahendrena nataony izy ireny. | The wicked in his pride doth persecute the poor: let them be taken in the devices that they have imagined. |
| 3 | Ny ratsy fanahy mandoka izay irin’ ny fony; ary ny mpierina mahafoy sy manamavo an’ i Jehovah. | For the wicked boasteth of his heart’s desire, and blesseth the covetous, whom the Lord abhorreth. |
| 4 | Ny ratsy fanahy mirehareha hoe: Tsy hanadina Izy; eny, “Tsy misy Andriamanitra” no tontalin-keviny. | The wicked, through the pride of his countenance, will not seek after God: God is not in all his thoughts. |
| 5 | Tanteraka mandrakariva ny alehany; any amin’ ny avo lavitra azy ny fitsarànao; ny mpandrafy azy rehetra dia ataony hoe: zinona ireny? | His ways are always grievous; thy judgments are far above out of his sight: as for all his enemies, he puffeth at them. |
| 6 | Hoy izy am-pony: tsy hangozohozo aho, tsy ho azon-doza mandrakizay doria aho. | He hath said in his heart, I shall not be moved: for I shall never be in adversity. |
| 7 | Feno ozona sy fitaka ary fanaovana an-keriny ny vavany; ao ambanin’ ny lelany dia misy fampahoriana sy faharatsiana. | His mouth is full of cursing and deceit and fraud: under his tongue is mischief and vanity. |
| 8 | Mamitsaka amin’ ny fanotrehana ao an-tanàna izy, ao an-katakonana no amonoany ny marina; ny masony mikendry ny mahantra. | He sitteth in the lurking places of the villages: in the secret places doth he murder the innocent: his eyes are privily set against the poor. |
| 9 | Manotrika ao an-katakonana tahaka ny liona ao amin’ ny famitsahany izy; manotrika hisambotra ny malahelo izy; fandrihany amin’ ny haratony no fisambony ny malahelo. | He lieth in wait secretly as a lion in his den: he lieth in wait to catch the poor: he doth catch the poor, when he draweth him into his net. |
| 10 | Torotoro sy mitanondrika ny mahantra ka lavo amin’ ny herin’ ny ratsy fanahy. | He croucheth, and humbleth himself, that the poor may fall by his strong ones. |
| 11 | Hoy izy anakampony: efa nanadino Andriamanitra, efa nanafina ny tavany Izy ka tsy hahita mandrakizay. | He hath said in his heart, God hath forgotten: he hideth his face; he will never see it. |
| 12 | Mitsangàna, Jehovah ô; Andriamanitra ô, atsangano ny tananao, aza manadino ny ory. | Arise, O Lord; O God, lift up thine hand: forget not the humble. |
| 13 | Nahoana no mamingavinga an’ Andriamanitra ny ratsy fanahy ka manao anakampo hoe: Tsy hanadina Hianao? | Wherefore doth the wicked contemn God? he hath said in his heart, Thou wilt not require it. |
| 14 | Efa nahita ihany Hianao, satria mijery fahoriana sy alahelo, mba hovalian’ ny tananao. Hianao no iononan’ ny mahantra; Hianao no Mpamonjy ny kamboty. | Thou hast seen it; for thou beholdest mischief and spite, to requite it with thy hand: the poor committeth himself unto thee; thou art the helper of the fatherless. |
| 15 | Torotoroy ny sandrin’ ny ratsy fanahy; ary adino ny heloky ny mpanao ratsy mandra-paha-tsy hisy hitanao intsony. | Break thou the arm of the wicked and the evil man: seek out his wickedness till thou find none. |
| 16 | Jehovah no Mpanjaka mandrakizay doria; voafongotra tsy ho amin’ ny taniny intsony ny jentilisa. | The Lord is King for ever and ever: the heathen are perished out of his land. |
| 17 | Efa nohenoinao, Jehovah ô, ny irin’ ny mpandefitra; mampiomana ny fony Hianao sady mampihaino ny sofinao, | Lord, thou hast heard the desire of the humble: thou wilt prepare their heart, thou wilt cause thine ear to hear: |
| 18 | Hanomezanao rariny ny kamboty sy ny mahantra, mba tsy handroso hampitahotra intsony ny zanak’ olombelona etỳ an-tany. | To judge the fatherless and the oppressed, that the man of the earth may no more oppress. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL