로그인

시편 99편 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 9절

  1. 1 Jehovah no Mpanjaka aoka hangovitra ny firenena; Mipetraka amin’ ny kerobima Izy, aoka hihorohoro ny tany.
  2. 2 Lehibe any Ziona Jehovah; Ary avo ambonin’ ny firenena rehetra Izy.
  3. 3 Aoka hidera ny anaranao lehibe sy mahatahotra ireo; Fa masìna Jehovah.
  4. 4 Ny herin’ ny mpanjaka dia tia rariny; Ampitoerinao ny fahitsiana; Fitsarana sy fahamarinana no ataonao eo amin’ i Jakoba.
  5. 5 Manandrata an’ i Jehovah Andriamanitsika ianareo, Ka miankohofa eo amin’ ny fitoeran-tongony; Fa masìna Izy.
  6. 6 Mosesy sy Arona tamin’ ny mpisorony, Ary Samoela tamin’ izay mpiantso ny anarany, Niantso an’ i Jehovah ireo, ary namaly: azy Izy.
  7. 7 Niteny taminy tao anatin’ ny andri-rahona Izy; Nitandrina ny teni-vavolombelony izy ireo, Dia ny didy izay efa nomeny azy.
  8. 8 Jehovah Andriamanitray ô, Hianao no namaly ny nataony; Andriamanitra, Mpamela ny helony, Hianao, Na dia namaly azy noho ny nataony aza.
  9. 9 Asandrato Jehovah Andriamanitsika, Ary miankohofa eo an-tendrombohiny masìna; Fa masìna Jehovah Andriamanitsika.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗