로그인

시편 99편 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 9절 · 대역: King James Version

절Baiboly Malagasy (1865)King James Version
1 Jehovah no Mpanjaka aoka hangovitra ny firenena; Mipetraka amin’ ny kerobima Izy, aoka hihorohoro ny tany. The Lord reigneth; let the people tremble: he sitteth between the cherubims; let the earth be moved.
2 Lehibe any Ziona Jehovah; Ary avo ambonin’ ny firenena rehetra Izy. The Lord is great in Zion; and he is high above all the people.
3 Aoka hidera ny anaranao lehibe sy mahatahotra ireo; Fa masìna Jehovah. Let them praise thy great and terrible name; for it is holy.
4 Ny herin’ ny mpanjaka dia tia rariny; Ampitoerinao ny fahitsiana; Fitsarana sy fahamarinana no ataonao eo amin’ i Jakoba. The king’s strength also loveth judgment; thou dost establish equity, thou executest judgment and righteousness in Jacob.
5 Manandrata an’ i Jehovah Andriamanitsika ianareo, Ka miankohofa eo amin’ ny fitoeran-tongony; Fa masìna Izy. Exalt ye the Lord our God, and worship at his footstool; for he is holy.
6 Mosesy sy Arona tamin’ ny mpisorony, Ary Samoela tamin’ izay mpiantso ny anarany, Niantso an’ i Jehovah ireo, ary namaly: azy Izy. Moses and Aaron among his priests, and Samuel among them that call upon his name; they called upon the Lord, and he answered them.
7 Niteny taminy tao anatin’ ny andri-rahona Izy; Nitandrina ny teni-vavolombelony izy ireo, Dia ny didy izay efa nomeny azy. He spake unto them in the cloudy pillar: they kept his testimonies, and the ordinance that he gave them.
8 Jehovah Andriamanitray ô, Hianao no namaly ny nataony; Andriamanitra, Mpamela ny helony, Hianao, Na dia namaly azy noho ny nataony aza. Thou answeredst them, O Lord our God: thou wast a God that forgavest them, though thou tookest vengeance of their inventions.
9 Asandrato Jehovah Andriamanitsika, Ary miankohofa eo an-tendrombohiny masìna; Fa masìna Jehovah Andriamanitsika. Exalt the Lord our God, and worship at his holy hill; for the Lord our God is holy.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL